Zamaika: Andro eran-tany natokana ho an'ny SIDA

Natokana ho andro eran-tany ho an'ny SIDA ny anio [01 desambra], ary amin'ny maha-faritra iray manana tahan'olona somary ambonimbony ihany miaina miaraka amin'ny otrik'aretina VIH/SIDA azy, dia mety halaim-panahy hieritreritra ny maro hoe hiresaka momba azy io ny ankamaroan'ireo mpamaham-bolongana Karibeana – saingy ny tontolon'ny fitoràhana bolongana ao Zamaika irery – niara-nientana – no hany nanàndratra ny feony ka nandray anjara tamin'ny adihevitra malàlaka [itambaram-be] momba izany

Stunner dia mandray azy ity ho toy ”ny andro iray atokan'izao tontolo izao hibanjinana bebe kokoa ity areti-mandringana tsy azo ivalozana ity’. Areti-mandringana tsy mahalàla fetra sy tsy manàja ny aina, na lahy, na vavy, na ray, na reny, na zaza, aripany avokoa”:

Be dia be ny voka-dratsin'ny SIDA eo amin'ny fiaraha-monintsika, eran'izao tontolo izao, nanomboka tamin'ny fotoana nipoirany ary mbola mitohy mandripaka olona maro tokoa na eo aza ny ezaka mafy ataon'ireo manampahaizana mpikaroka ananantsika.

Nefa ny tena zava-doza dia marobe ny olona miaina miaraka amin'ity otrik'aretina ity izay tsy mahalàla velively izany akory. Marina koa io raha ho an'ity nosy bitika kelinay Zamaika ity sy ireo nosy Karibeana sasantsasany manodidina anay. Na maro aza ny ezaka fanentanana amin'ny ady amin'ny SIDA mba hamérana ny tahan'ireo tratry ny aretina, dia mitombo tsy mitsahatra toy ny bibidia mampahatahotra tsy hay tohaina ity aretina ity.

Raha fantatra fa “ny SIDA dia antony faharoa mitarika fahafatesan'ny tanora maro eo anelanelan'ny 15 sy 24 taona“ eto Zamaika, dia manahy mafy ny amin'ny tanora i Iriegal. Hoy izy ao anaty hafatra iray hafa:

Heveriko fa tena ilaina hamafisina mihitsy ny fanomezam-pahalalàna ny ankizy madinika dieny any an-tsekoly. Tsy ny tsy firesahana momba ny fananàhana akory no hamongotra azy ity.

Mandritra izany, miroaroa be ihany ny sainy momba ny pôlitikam-pirenena ho fitsirihana ny VIH/SIDA any anaty toeram-piasana nolaniana vao tsy ela akory :

Ilay pôlitika raha ny fijery azy dia toa fanamoràana ny fahafahana mitsirika ny otrikaretina amin'ireo mpiasa ho fisorohana sahady koa ny fipariahan'ny aretina. Tohana ihany koa izany ho an'ireo maro izay efa tratry ny aretina.

Tsy haiko loatra izay hasiana ny tenako amin'izy ity. Tsy fitsabahana amin'ny tsiamabratelom-piainana ve izany? Ny Sida rahateo efa rakotra sary ratsy. Toa azoko antsaina ery fa hisy ireo mpampiasa mahita fa misy amin'ny olona ampiasainy no voan'ny SIDA na mitondra ny otrikaretina VIH ka mety hampiasa izany ho antony hanaovana toeran-tsy zaka handroahana azy ireny na (manampy trotraka ny rivotra iainana feno fifampiahiahiana misy ankehitriny eto amin'ny nosy) hampitsingilahila azy ireny.

Inona no hitranga raha mitodika any an-tsekoly ny fitiliana? Manahy mafy ho an'ireo ankizy efa mitondra ny otrikaretina aho. Ny ho hailika an-jorom-bàla no zavatra farany tena mibàhana amin'izy ireny.

Jamaica Salt dia mba manana fomba fijery miabo ihany ka mihevitra fa manana anjra toerana lehibe amin'ny fanabeazana sy fisorohana ny VIH/SIDA ireo olo-malàza zamaikana :

Notaterina fa nidina ho telopolo isan-jato ny isan'ny tranga vaovaon'ny SIDA voaangona izay tena vaovao tsara tokoa ary maneho ny ezaka mafy natao ho fampahalalàna sy fisorohana .

Raha ny hevitro izaho manokana, dia hevitra tsara tokoa ho fampitàna hafatra ny fampandraisana anjara ireo mpanakanto sy mpikarakara lanonana. Nandeha tamina lanonana iray nizaràana fimailo maimaimpoana aho indray andro, nisy trano heva fanomezam-baovao tao ary nisy mpanakanto koa miresaka momba io olana io. Miaraka amin'ireny bandy sy sipa fanta-poko fanta-pirenena sy manana maha izy azy ireny no ahafahana manatratra tanjona ahitam-bokatra.

Mandritra izany, i Life, Unscripted, on the Rock dia manana hevitra vitsivitsy momba ny hoe “inonano tokony hataon-tsika handresena ny areti-mifindran'ny tahotra, ny tsy fahalalàna, ny fiheveran-diso momba ny VIH/SIDA, sy ny olona miaina miaraka amin'ny aretina”, raha i Stunner indray mamerina ny fepetra azon'ny tsirairay raisina mba hiarovany ny tenany manokana “tsy ho traty ny aretina”, sady manampy hoe:

Samy voakasik'ity aretina ity avokoa isika rehetra na mivantana na ankolaka noho izy ity aretina mahenika ny tontolo ary tsy voafetra ho amina fiaviana iray, na foko iray fotsiny. Noho izany, ndeha isika hiaro tena tsy ho tratr'oty areti-mandripaka ity. Ny VIH/SIDA rahateo tsy manavaka, tsy misy tokony hatahorana, ka horaisintsika ho toy ny olmbelona rehetra ihany ireo olona miaina miaraka amin'ity aretina ity.

“Andro eran-tany natokana ho an'ny SIDA, 1 desambra” – Sary kely nalain'i Sully Pixel, mampiasa ny licence Creative Commons. Azo jerena ato amin'ny flickr-ny ny sary rehetra. .

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.