Korea Avaratra any amin'ny bolongana

Nanoratra ny fitsidihana nataony tany amin'ny tanànan'i Kaesong tany Korea Avaratra i Stray Blog . Iray tamin'ny fitsidihana farany azo natao tany Korea Avaratra ny diany mialoha ny nampiatoan'ny mpitondra ny fizahantany mihoatra sisintany. Nosoratan'i Stray Blog moa fa ny Korena tavaratra ihany no matiantoka amin'izao fanaaka-keviny izao.

My visit to Kaesong City, North Korea last weekend was timely. This week, relations between North and South Korea took a turn for the worse, and the North responded by canceling any cross-border movement. The unfortunate aspect of this decision is that the overpriced tours made a great deal of revenue for the people of the North. Canceling them is really just a further punishment on North Koreans themselves, who are already struggling to combat a debilitating food shortage. I was fortunate to be able to take one of the last tours of the North for potentially a long time.

Tamin'ny fotoanany tsara ny fitsidihako ny tanànan'i Kaesong, Korea avaratra tamin'ny faran'ny herinandro lasa teo. Niharatsy ny fifandraisana teo amin'ny Korea atsimo sy avaratra tamin'ity herinandro ity, ary nanapa-kevitra ny hampiato ny fifamoivoizana teo amin'ny roa tonta ny Tavaratra. Ny tena mampahonena tamin'ity fanapahan-kevitra ity dia nampiakatra ny vola azon'ny mponina any avaratra ity fizahantany lafo ity. Tena famaizana ny koreana tavaratra ihany, izay efa miady amin'ny tsy fisian-tsakafo mahalasa adala, ilay didy fampiatoana. Soa ihany fa mbola mba afaka nitsidika ny tany avaratra izay mety hikatona mandritra ny fotoana maharitra aho.

Tsy maintsy ho gaga amin'ny tsy fisian'ny takelaka dokambarotra sy fahabangan'ny loko isan-karazany ny mpitsidika ny tanàna tahaka an'i Stray blog.

- fahabangan'ny loko: mangaboka avokoa ny lokon'ny trano, ary ny akanjo anaovan'ny olona dia miloko volombatolalaka na palitao mainty vasobasoka avokoa. Ankizy vitsivitsy ihany no miakanjo marevaka – palitao mena amin'ny ankapobeny

Namoaka sary tamin'ny diany vao haingana nanaraka ny lalambe mampitohy an'i Pyongyang amin'i Hyangsan ny mpampiasa ny Flickr antsoina hoe Kernbeisser.

Images from North Korea

Efa noheverina hampifandray ny renivohitra amin'ny tananan'i Huichon faritanin'ny Jagang ity lalambe ity saingy tsy mety vita mihitsy ny ampahany farany. Nisokatra ho amin'ny fifamoivoizana tamin'ny 1995 ny ampahany vita saingy nifarana tampoka teo Hyangsan eo amin'ny fidirana ho any amin'ny tangorombohitry Myohyang. Noho izany dia lasa nantsoina hoe “Lalamben'i mpizahantany Pyongyang-Hyangsan” ilay nantsoina tany ampiandohana hoe “Lalamben'i Pyongyang-Huichon”.

North Korea Economy Watch kosa manambara ny fisokafan'ny vohikalan'ny Pyongyang University of Science and Technology [PSUT na Anjerimanontolon'ny hairaha sy ny haitao eto Pyongyong] (rohin'ny vohikala). Ao amin'ny vohikala no anoratan'ny mpanorina dia ny Dr. james Chin-Kyung Kim ny antony hananganana ny toeram-pianarana.

Fanandramana iray entina mamantatra raha azo atao ny manofana ny mpianatra koreana tavaratra – izay efa voaaro amin'ny fanintonan'ny firenena ivelany – hanana ny fahaiza-manao sy ny fahalalana ilaina ahafahany mitondra ny anjara birikiny amin'ity tontolo ankapobeny miova haingana sy tsy mitsahatry ny miova ity ny PUST. Mampirisika ny mpianatra hahazo antsaina amin'ny fanintonan'ny kolontsaina miteraka ny fahasamihafan'ny fisainana manerantany ihany koa ny PUST.

Any Korea avaratra, hahita olona maro mitondra marika sarim-pamantarana (badges) an'i Kim jong Il sy Kim Il Sung ianao. Tsiriritin'ny mpizahantany fatratra ireny marika sarim-pamantarana ireny ary sarotra ny ahazoanao azy rehefa tsy Koreana tavaratra ianao. Niezaka ny hahazo na dia iray amin'ireny monja aza ny mpamaham-bolongan'ny Lianlian Films rehefa tany Korea Avaratra. Tantarainy ary fa mitazona ireny marika sarim-pamantarana amim-panajana fatratra ny Koreana tavaratra eny fa na dia efa any ivelan'ny fireneny aza.

Tao amin'ny Restaurant Pyongyang iray tany Kathmandu, nihiakiaka ity mpanolotra sakafo Koreana tavaratra iray raha nampisehoana marika sarimpamantanrana (pins) – izay tsy fametany amin'ny akanjo rehefa any Nepal. Nalain-dratovovavy tamim-pitandremana fatratra io, naka lamba famaohana izy hikosehany ilay vy boriborikely hamirapiratra. Avy eo dia naka lamba iray hafa izy hamonosany azy mialoha ny hamerenana azy. Zara raha niteny izy nandritra izany fihetsika rehetra nataony izany nefa mazava ny hafatra – masina io marika sarim-pamantarana io. Mila karakaraina amim-pitandremana.

Raha miresaka trano fisakafoanana (restaurant) koreana tavaratra ihany, maro moa izy ireny manerana an'i Azia atsinanana ary fampiasam-bola koreana tavaratra amin'ny fomba ofisialy mihitsy. Ho fanampin'ny sakafo dia ahitanao tarika koreana tavaratra mihira sy mandihy koa amin'ireny trano fisakafoanana ireny.

Io (jereo ny lahatsoratra nadika) ary misy lahatsarinkira aseho anareo nalaina tany amin'ny efitra fisakafoanana iray tany Phnom Penh renivohitry Kambôdza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.