Karajia (Tchat) mivantana momba ny VIH/SIDA amin'ny 3 desambra

Manomana karajia (Tchat) mivantana ho an'ny mpamaham-bolongana sy ny mpikatroka ny Rising Voices sy ny Global Voices amin'ny 3 Desambra 2008 ho avy izao (3 ota tolakandro ora ao Nairobi sy eto Madagasikara koa) ka ny lohahevitra amin'izany dia mikasika ny fomba ampiasana ny “media citoyen” na ny azon'ny olo-tsotra tia mampahalala vaovao atao amin'ny fanentanana  sy fampahafantarana ny valan'aretina SIDA . Kenyana roa dia i  Serina Kalande sy i Daudi Were no handrindra io karajia io.

Asaina avokoa isika rehetra.

Ora isaky ny toerana: New York 07:00 | Buenos Aires 10:00 | London 12:00 | Johannesburg, Beirut 14:00 | Nairobi, Moscow 15:00 | New Delhi 17:30 | Tokyo 21:00 | Hong Kong 20:00 | Sydney 23:00

Kianja: http://www.worknets.org/chat/

Fombafomba idirana: Tsindrio ny rohy eo ambony dia midira amin'ny anaranao. Avy eo dia safidio izay kianja tianao idirana amin'ny fanindriana ny “enter”. Rehefa tafiditra ao an-kianja ianao dia safidio ny loko tianao anoratana hitanao eo ankavian'ny efijery, dia ataovy ny karajia.

Hanomboka amin'ny tetikasa roa  vatsian'ny Rising Voices ny karajia dia ny REPACTED any Nakuru, Kenya  sy ny AIDS Rights Congo izay miorina any Brazzaville. Ho fantatsika ao ny fomba nataon'ireo fikambanana  roa ireo nampiasa ny famahanam-bolongana sy ny fandaharan'asa momba ny lahatsary (video) ho fampahafantarana ny fandraisana andraikitra nataon'izy ireo manoloana ny fisoroahana ny fielezan'ny  SIDA sy ny fiarovan'izy ireo ny zon'ny olona mitondra ny tsimok'aretina VIH.

Misy koa ny lohahevitra hafa tahaka ny: Inona avy ny tranga tsy maintsy heverina tsara raha misy mpamaham-bolongana mitondra ny tsimok'aretina VIH hilaza ny toe-tenany amin'ny daholobe? Ahoana ny fomba hanampian'ny famahanam-bolongana ny tambajotra an-tserasera? Ahoana ny amin'ny dinika (forum) an-tserasera? Inona koa ny zava-baovao amin'ny fitaovam-pahafantarana tahaka ny fanehoana an-tsary na an-tsoritra (mashups) mety ampiasaina tsara?

Raha misy koa moa ny lohahevitra tianao ikarajiana mandritra io fotoana io dia mety raha ampianaoamin'ny fametrahana hevitra etsy ambany na ao amin'ny lahatsoratra nadika izany. Mazava Ioatra fa ho amin'ny teny anglisy no iresahana amin'io fotoana io.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.