Niteraka savorovoro nanerana an'i Bolivia manontolo ny firoboroboan'ny famonoana olona na fikasana hamono olona voampanga ho nandika lalàna tsy mandalo fitsarana. Nitranga tany amin'ny faritry Altiplano tao Achacachi tamin'ny 17 novambra 2008 lasa teo ny tranga farany izay nalaza tamin'ny haino aman-jery [es]. Olona 11 lahy sy vavy no nampangain'ny mponina tao an-toerana anjatony ho nangalatra ka nosamborina sy nodorana velona. Maty ny roa tamin'ireo nampangaina ary henjana ihany koa ny hay nahazo ireo sivy ambiny na dia avotra aza ny ainy noho ny fidiran'ny Ben'ny tanàna sy ny mpitandro ny filaminana an-tsehatra.
Indrisy moa fa lasa karazan'ny fomba fanao mahazatra izay fihetsika izao noho ny fandefasana azy amin'ny fahitalavitra araka ny lazain'i Renzo Colanzi [es]:
En Bolivia los linchamientos y la toma de la justicia por propia mano, son hechos comunes que se dan en los noticieros a cualquier hora, sin proteger al televidente de la violencia de las imágenes, sin importarle de la sensibilidad de los más pequeños que puedan presenciarlas. Pareciera que todos hemos creado una cierta barrera que nos permite mirar y permanecer impasibles ante estos hechos terribles. Los policías de Cochabamba se quedaron bien muertos y el caso sin culpables. Lo mismo que en Montero y así podemos encontrar situaciones similares en casi cualquier región del país.
Raikitra ny adihevitra raha azo sokajiana ho fampiharana ny fitsaram-bahoaka ireny famonoana olona voampanga ireny raha toa vao nanameloka ny zava-nitranga tany Achacachi ny fitondrana. Nambarany ary fa tsy tarazon'ny teratany eo amin'ny sehatry ny fitsaram-bahoaka velively ny manala ain'olonkafa. Etsy ankilany anefa lazain'ny mponina ao an-toerana fa tsy dia itokisany loatra ny “fitsarana mahazatra” ka tsy maintsy raisin-dry zareo ny andraikitra fa raha tsy izany dia hitohy hatrany ny asa ratsy. Ny mampiahiahy ihany koa dia ny hanekena ny “fitsaram-bahoaka” ho anisan'ny rafitry ny fitsarana bôliviana amin'ny volavolan-dalam-panorenanana izay hanaovana fitsapa-kevi-bahoaka amin'ny 25 janoary 2009 ho avy izao hampiroborobo kokoa ny famonoana ny voampanga izay ho lasa ara-dalàna.
Tezeran'i Erika Pinto [es] ho tompon'andraikitra ny famonoana olona tsy voatsara ara-dalàna izao ny goverinemanta:
Por que el presidente morales, tolera la barbarie, se estaba por quemar a una mujer embarazada, emboscaron y llevaron al stadium a un bus a los 11 supuestos ladrones, se veian gente de escasos recursos, muchas mujeres y gente bastante mayor a juzgar por las imagenes.
Es que acaso esto tambien nos da el derecho de cuando los ponchos rojos hagan las barbaridades que hacen poder matarlos a ellos?
O es que acaso la “nueva ley” funciona en un solo sentido?
Se supone que este gobierno era el que nos iba a llevar a un nuevo siglo de progreso pero solo nos esta llevando a la mas atrasada barbarie posible.
Manome zo antsika hamono azy ireo koa ve ny nataon'ny “ponchos rojos” (mpikambana milisy any Achacachi) nahavita habibiana?
Sa ho amin'ny tondrozotra iray ihany no iasan'ny “lalàna vaovao”?
Efa nifanekena fa hitondra antsika ho any amin'ny taonjato vaovaon'ny fandrosoana ity goverinemanta ity, saingy toa mizotra ho any amin'ny habibiana izaitratra izy izany.
Nampahatsiahivin'i Mario Duràn kosa ny nolazain'ny mpanao gazety iray fa tsy olona tsy manantsiny ireo voampanga ireo. [es]
Sin embargo, como lo decia la periodista Amalia Pando en Erbol, no eran unos angelitos, pues las personas que fueron capturadas en Achacachi poseian un frondoso prontuario policial… desde robo hasta robo agravado seguido de muerte.
Sin embargo, al igual que se condena la justicia por mano propia se debe condenar al sistema economico que origina la delincuencia.
Na izany aza, raha melohina ny manao fitsarana tena, dia tokony homelohina ihany koa ny rafitra ara-toe-karena miteraka firoboroboan'ny fanaovana asa-ratsy.
Maro amin'ny vondrona teratany no miezaka miaro ny laza tsaran'ny “fitsaram-bahoaka”. Avy amin'ny alalan'ny bolongana El Alto Noticias [es] no niresadresahan'i Nelson Vilca [es] tamin'ny mpikambana iray ao amin'ny vondron'ny teratany Guarayo, izay mametraka fa tsy midika “fanalana ain'olona hafa” velively ny “Fitsaram-bahoaka” (toy ny dina raha ny aty amintsika eto Madagasikara).
1 hevitra
Misaotra! Thanks for the translation!
Greetings from Bolivia