Rosia: Bolongana LJ ampolony naato fa tafaverina avy eo

Bolongana Rosiana LJ (LiveJournal) ampolony maromaro – ary tafiditra amin'izany ireo efa malaza sy be mpanaraka – no nikatona tsy misy antony mazava halina, niteraka tabataba tamin'ny LJ izany. Ny mpampiasa LJ tarlith-history aza moa dia namoaka ny lisitr'ireo bolongana tratran'ny fiatoana ireo (RUS), ka miantso ity raharaha ity ho “Blogocaust Night (alina nentina namonoana bolongana).” ny mpampiasa LJ oleg-kozyrev kosa niantso azy ho (RUS) “blogocide (fandripaham-bolongana).” ny mampiasa ny LJ dolboeb indray nanoratra (RUS) fa nitranga izy ity noho ny fisovohana (piraty) nahazo ny fandrindrana ny LiveJournal. Tafaverina soa aman-tsara ihany moa ireo bolongana ireo ora vitsivitsy taty aoriana.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.