Ezypta: Voafonja asesika toy ny Sardine

Gadra atao antontany ao anaty baravy? Nampiseho fanitsakitsahana zon'olombelona ao amin'ny bolongany malaza Misr Digital indray ilay Ezipsiana mpamaham-bolongana Wael Abbas efa nandrombaka loka.
Wael no manazava:

هذه الصورة أرسلت إلي عن طريق المسنجر وقد إلتقطت بالتليفون المحمول لغرفة الحجز في أحد أقسام الشرطة – لا نعرف أي قسم حتى الآن – وكما ترون فغرفة الحجز عبارة عن قفص حديدي يتكدس فيه المحتجزين بشكل أقل ما يقل عنه هو أنه – قرودي – غير إنساني ولا حتى حيواني لأن اللي عنده حيوانات عمره ما يحطها في زريبة بالشكل ده لأنه ببساطة يخاف عليها تنفق – منظر لا يمكن تخيله حتى في لوحة سيريالية ولا حتى في خيال شخص فشار مهولاتي أبو لمعة قد يحكي عن تكدس البشر بعضهم فوق بعض لكن الصورة أهه بألف كلمة وليس من رأى كمن سمع وربنا يخلي لينا التكنولوجيا

Nalefa tamin'ny messenger-ko nopihina avy tamin'ny finday tany amin'ny komisarian'ny polisy iray io sary io – fa tsy fantatro hoe taiza – ary araka ny hitanareo dia vita tamin'ny rairaim-by ny trano itazonana ireo voafonja ho toy ny gidro. Tena tsy manaja ny zon'olombelona ary ratsy kokoa noho ny atao amin'ny biby aza izao fomba izao satria hanahy ianao fa mety hahafaty ny manao tahaka izao. Sary sarotra eritreretina eny fa na dia anaty hosodoko foroporonina aza, eny fa na dia eritreritra tsy mifaditrovana dia iza no hiresaka momba ny olona asesika ka ny sasany mitaingina ny hafa? Na izany aza, mahasehaka ny teny arivo ny sary iray ary enga anie i Allah hiaro ny hairaha ho antsika.

Tsy nahaloa-peo ny mpaneho hevitra.
Misr Al Muslima no manoratra:

دول معملوهاش في سجن ابو غريب ولا غوانتنامو
ولا كانها لقطة في افلام الخيال العلمي
للدرجاتي هو دة مقام الانسان المصري بيتحت في اقفاص زي الحيونات ويمكن اوسخ من الحيونات
ربنا يرحمنا برحمته

Tsy atao na any Abu Ghraib na any Guantanamo Bay izao. Tsy avy amin'ny science fiction ihany koa. Fa dia nilatsaka hatraiza loatra ny Ezypsiana, hidiana toy ny biby, ary ratsy karakara kokoa aza? Hamindra fo amintsika anie i Allah.

Hamoodi no niteny:

نظام الشرطة في جميع الدول العربيه فاسد فاسد فاسد

Mpanao kolikoly avokoa ny polisy any amin'ny tany arabo

Ary nampian'i Mohamed an-tarehiratsy hoe:

فعلا مصر ام الدنبا ومهد الحضارة
انتظروا مزيدا من الاختراعات المهينة للبشرية

Tena nipoiran'ny sivilizasiona tokoa i Ezypta. ho avy tsy ho ela koa ny fanimbazimbana ny mahaolona hafa indray

Haitham, kosa na izany aza, nanazava moramora hoe:

Namboarina tamin'ny photoshop io sary io 😛

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.