Iran: fitokonana noho ny hetram-barotra vaovao

Nitokona ho fanoherana ny hetra momba ny varotra 3% vaovao – na fanampin-tsandan-ketra nandritra ny roa volana ny mpivarotra any amin'ny Bazariben'i Teheran, sy ireo any amin'ny bazarin'ny tanàna lehibe Iraniana tahaka an'i Tabriz, Isfahan ary Mashad.

Nahanton'ny fitondrana moa ny fampiharana ilay lalàna, ary manondro ny mpitatitra sasany fa niverina tamin'ny asany araka ny mahazatra ny bazary, raha niteny kosa ny hafa fa mbola mitohy ny fitokonana.

Ankavitsiana tokoa izany fitokonana any Iran izany ary tsy misy sendikà mijoro ara-dalàna any. Maro nohoizany ny mpamaham-bolongana no mitantara ity toe-draharaha ity. Manao fanadihadiana ny sasany raha mitatitra izay hitany fotsiny ny hafa.

Ghajarboys ohatra mizara ny sary nalainy (ambony) tany amin'ny Bazariben'i Teheran ary miteny [fa]:

Nankany amin'ny Bazariben'i Teheran aho androany [12 Oktobra] ary nahatsikaritra fa nikatona avokoa ny trano fivarotana rehetra fa eo avokoa na izany aza ny mpivaotra miandry vaovao…. Niteny tamiko ny iray tamin'izy ireo fa tena tezitra izy ireo noho ny filazana azy ireo tamina gazety iray ho mpanao varomaizina!… tahaka ny hoe niseho ny fitokonana satria tsy mahafa-po ny mpivarotra sy ny mpanelanelana ny fampiatoana mandritra ny roa volana ilay lalàna momba ny hetra.

Cherikonline no manoratra [fa] fa nikatona ny fivarotana tao amin'ny bazariben'i Teheran tamin'ny 12 Oktobra ary mameno ny tanàna ny mpitandro ny filaminana.

Khiyalat no miteny [fa] momba ny fitokonan'i Isfahan:

Mieritreritra aho fa miompana bebe kokoa amin'ny toe-draharaha politika any Iran ity fitokonana ity fa tsy noho ny fanapahan-kevitra ara-toe-karena ary mety hivadika ho hetsi-panoheram-bahoaka ny tsy fahafalian'ny vahoaka amin'ny fitondrana… Nisy filaharambe manko tany Isfahan izay nahitana vahoaka nihiaka hoe “Adinoy ny amin'i Palestina fa hevero ny momba anay” sy ny hoe “Tsy mitady ny rariny izahay!”

Mifandraika amin'ny teny famerimberin'ny filoha Mahmoud Ahmadinejad moa ireo hiaka roa ireo. Nampanatena manko izy ny hametraka ny rariny eto amin'ny firenena sy hanohana ny antokon'ny mpitolona Palestiniana Hamas.

Ma Hameh Khobim no nanoratra [fa] fa nisambotra mpivarotra lehibe iray tany Isfahan ny mpitandro ny filaminana fa namotsotra azy afaka andro vitsy taty aoriana.

Hamed Talebi, mpamaham-bolongana mpanohana an'i Ahmadinejad  no miteny ao amin'ny Khabarnegar Mosalman (midika hoe mpaka vaovao Miozolomana) [fa]:

Mpivarotra sasantsasany no nampirisihan'ny kapitalista vitsy an'isa hitarika fitokonana na dia efa nampanantena ny hampitsahatramandritra ny roa volana ny lalàna aza ny fitondrana. Efa niantso ny mpivarotra hizara ny heviny koa manko ny Goverinemanta … Nahatohitra ny fanafihana miaramila sy fampihorohoroana isika… saingy henatra izao isika tsy mahatohitra jiolahy vitsy kely izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.