Ekoatera: Ny fiarovana ny valalabemandry

Lazaina fa noho ny fahasahiranana ara-toe-karena any Ekoatera no iray amin'izay mampiroborobo indrindra ny halatra sy ny vono olona manerana ny firenena. Ny ankamaroan'ny manao izany dia ireo tsy an'asa izay mikaro-bahaolana hihinanana tsy hahafaty anio, ary ny hitany dia ny mangalatra na manendaka mamono olona. Tsikaritry ny olo-tsotra, fa misy mizana tsindrian'ila eto rah amisy ohatra halatra fiarakodia. Raha fiara ana olona ngeza eo amin'ny tontolon'ny politika io, dia mahazo matoky fa ho tafaverina vetivety iny. Fa raha toa kosa ana olo-tsotra tahaka ny mpamaham-bolongana Fatima Quishpe ilay fiara dia heverina fa tsy ho hita intsony izay nanjavonany.

Ny fiahiana momba ny fandriampahalemana io indrindra no nitarika ny antenimieran'ny varotra Babahoyo hikarakara filaharambe hitakiana ny hijerana akaiky kokoa ny ain'ny olona sy ny fananany ao an-tanàna. Tsy afaka nilahatra i Juan Pi ao amin'ny Aguitmat Corp [es] fa nohazavainy kosa  ny antony nanomanan'ny antenimieran'ny varotra ilay filaharambe:

…Ya que los continuos asaltos ya son el pan de cada dia, y ya se que su majestad ha dicho que desde antes de su gobierno ha existido inseguridad y tiene razon, pero ahora los señores de lo ajeno son descarados, en plena luz del dia y con armas de grueso calibre amedrentando y agrediendo a los dueños de los locales comerciales y proceden a llevarse lo que mas puedan. Hasta ahora no nos ha pasado nada de eso a nosotros(aunq hace algunos años se metieron al almacen en la noche), pero a nuestros vecinos si los han asaltado en el dia.

Satria mitohy tsy misy fitsaharany mandavataona ny fandrobana, ary vao niteny indrindra ny hajaina faratampony fa efa nisy talohan'ny nitondrany ny tsy-fandriampahalemana, marina izany, fa amin'izao fotoana izao anie ka atoandrobenanahary ry zalahy no mirongo fitaovam-piadiana mafonja, ary simbany  mihitsy ny asan'ny olona fa raofiny avokoa izay zakany rehetra. Hatramini'zao aloha dia mbola tsy naninona izahay (na dia efa tafiditra tao amin'ny fitoeran'entana aza ry zalahy taona vitsy lasa izay), fa voatafika atoandrobenanahary kosa ny olona mipetraka akaikinay.

Raha hidina hianatsimo an'i Ekoatera isika dia mipaka ao Cuenca. Tanàna feno fikorontanana ity noho ny tsy fitoviana ara-tsosialy mahatonga ny maro hangalatra sy hamono. Avoitran'i Andres Martinez [es] ny fepetra roa tokony atao hisian'ny fandriampahalemana:

El primero se basa en eliminar las causas que llevan a los rufianes a delinquir, a través de una correcta aplicación de justicia social, que contemple que todos los ciudadanos tengan iguales oportunidades, así como lograr una correcta reintroducción de los sujetos de alto riesgo, a través de actividades productivas.

Y el segundo, sin duda es apropiarnos los cuencanos de nuestros espacios públicos, ya que toda plaza, parque, calle, son nuestras, y son para nuestro esparcimiento e integración. Así, cuando ciudadanos honestos y respetuosos logren llegar a ese nivel de apropiación, que conlleva un control implícito de esos espacios, al sentir cercanía, creará un efecto multiplicador donde los ciudadanos seamos los verdaderos guardianes de la ciudad, y de esta manera niños, jóvenes y adultos, podremos disfrutar a plenitud de una ciudad tan bella, aunque a veces insegura, como la Atenas del Ecuador.

Ny voalohany dia ny fanafoanana ny antony mahatonga ny olona hanao heloka bevava, amin'ny alalan'ny fampiharana ny rariny ara-tsosialy, mba hitovy zo ny olona rehetra hanao zavatra ary averina indray araka ny tokony ho izy amin'ny alalany fanaovan-javatra mamokatra ny adihevitra ambony.

Ary faharoa manaraka izany, dia tena mety kokoa ho an'ny mponin'i Cuenca ny mandray an-tanana ny toera-malalaka ho an'ny daholobe manomboka amin'ny kianja, ny fiantsonana, ny arabe mba hanaovantsika fakan-drivotra sy ifaneraserana. Amin'izay fotoana izay dia ho tontosan'ny olom-pirenena mandala ny fahamarinana sy mendrika hajaina ny fahatsapany fa azy ireny, ka midika izany fa arahiny maso ireny toerana ireny, ary tena ao anatin'nyfiaraha-monina tokoa izy, ary ny mety ho aterak'izany dia ny fahatsaany fa isika olom-pirenena no tena mpiandry ny tanàna, ary noho izany na zaza na tanora na lehibe dia afaka miriaria tsara eto an-tanàna, izay tena mahafnaritra tokoa, na dia anjakan'ny fitaitainana indraindray ihany aza, tahaka ny Athenan'i (anaran'ny renivohitry Gresy?) Ekoatera.

Mpamaham-bolongana hafa indray no mitaraina noho izay mahazo an'i Fatima voalaza etsy ambony fa  – misy ny mpiasam-panjakana mahazo fiarovana manokana ka azony atao na dia ny manidy ny arabe aza rehefa hihinankanina izy, nefa ny olo-tysotra kosa tsy maintsy mitandrina hiaro ny tenany ihany. Natsingeriny tamin'izany ny niainan'ny Minisitry ny Polisy sy ny goverinemanta, Fernando Bustamante sy ny Minisitry ny fiarovana anatiny sy ivelany, Gustavo Larrea. Notantarain'ny mpamaham-bolongana Chucky ary ny tantara:

Les propongo algo, que les parece si los ponenos a los dos paraditos en pleno centro de la ciudad (podría ser por el mercado central) tipo seis de la tarde, paraditos, sin que nadie los cuide, porque me contaron que el otro día que estuvo el payaso este de Bustamante comiendo en el “Restaurante Lo Nuestro” cerraron la calle, habían diez patrulleros, viente policías, mientras a Guayaquil los ladrones se los llevan en peso.

Ary raha toa moa (what if-n'i DotMG koa izany) ka avelatsika izy roalahy hijoro eo afovoan'ny tanàna (andeha atao hoe eo amin'ny bazary Be) tokony ho amin'ny enina ora hariva eo, dia tsy misy manarakaraka azy ireo mihitsy, satria manko nisy niteny tamiko fa raha nisakafo tao amin'ny “Hotely (gasy) Ny Antsika” ny mpiambina an'i Bustamante dia nakaton-dry zalahy ny arabe. Polisy 20 sy fiaran'ny polisy 10 no nijanona teo, nefa nanjakazakan'ny mpangalatra i Guayaquil tamin'io fotoana io.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.