Fa aiza mihitsy ary no mipetraka ny mpandika tenin’ ny Global Voices?

lingua Ny mpandika tenin'ny Global Voices Lingua izao dia mamoaka ity tranonkala ity amin'ny teny dimy ambiny folo isankarazany (18 raha isaina koa ny tranonkala vaovao Swahili, Rosiana ary Serbiana) mamela ny olona eran-tany tsy miteny anglisy mba handray anjara koa ao amin'ny fifanakalozana hevitra.

Nandray mpandika teny manome miasa maimaim-poana fitopolo avy amin'ny tany miisa fara faharatsiny 21 ny mpifandray eto amin'ny Global Voices tao anatin'ny herintaona sy tapany lasa teo.

Tsy mora ny manaraka ny mpanoratra mihoatry ny 150, ny mpitsara teny, ary koa ny mpandika teny izay manome ezaka lehibe an'i Global Voices.

Tsy misy birao azo raisina tanana mantsy, tsy misy foibe jeografika, ary tsindraindray ihany vao mifankahita tava. Afaka vakianao antsipirihany ny fomba fiasan'ny Global Voices ao amin'ny pejy natokana Momba an'i Global Voices.

Claire Ulrich izay mitantana ny Global Voices amin'ny teny frantsay dia nametraka ny toerana misy ny mpandika teny rehetra eto amin'ity sarin-tany Google ity.

Miangavy anao hanaparitaka ny momba ny fandikana teny Lingua amin'ny fametrahana rohy ho any aminy eo amin'ny toraka blaoginao.
Ny Global Voices amin'ny teny Malagasy dia misy mpandika teny 4 mavitrika izay hitanao eo amin'ny sarin-tany. [Raha toa ianao ka te hanampy]


Agrandir le plan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.