Ejypta : Taorian'ny afo tao amin'ny antenimiera

Mampihomehy sady mahavery hevitra ny fahitan'ny mponina ny nandevonan'ny afo ny trano tao amin'ny antenimiera androany. Tsy mampino, fa tena misy mihitsy nefa ireo faly noho ny nandevonan'ny afo ilay trano.

Resahin'i Zeinobia ato ny fihetse-pon'ny mponina :

They are happy seriously happy in a way you can’t imagine , of course today the fire of the Shura Council is still the talk of the town , most of the Egyptians did not see the grand fire of Cairo , so to see this one like this live on TV screen still the hours of the morning was something new. The people are feeling that they are suppressed and can’t take it any longer . They are so angry and pissed off this government and regime

The people who were gathering in the street were watching the scene in joy ,I felt , they did not put in consideration the historical value of the building , I do not know if this is because of cultural ignorance or the hate of every thing that represents the regime , I think it is more the second option

Tena tsy azo inoana mihitsy ny hafalian'ny sasany. Mazava ho azy fa mbola ilay trano nirehitra no resa-be eto an-drenivohitra amin'izao. Tsy afaka nahita ny afo tao Cairo moa ny ankabeazan'ny Ejyptiana, ary tena zava-vaovao tokoa ny nahita zavatra toy ireny nandeha mivantana tamin'ny fahitalavitra mandritra ny tapak'andro maraina. Mahatsiaro voahitsakitsaka loatra ny olona, ary tsy afaka mandefitra intsony. Tezitra mafy amin'ny governemanta sy ny fitondram-panjakana amin'izao izy ireo.

An-kafaliana koa no nijeren'ireo olona teny amin'ny arabe iny afo iny. Raha ny fahitako azy dia tsy dia norarahian'izy ireo loatra ny maha-trano manan-tantara ilay trano. Tsy haiko raha ny tsy fahaizana ny tantara no mahatonga izany, na ny fankahalana izay rehetra maneho ny fitondram-panjakana. Ilay faharoa io no hitako hoe marimarina kokoa.

Ao amin'ny Facebbok aza dia misy “group” vaovao mamondrona ireo “Izay faly tamin'ny nahazo ny Antenimiera” [“Anybody else is happy for what happened to the Parliament!”.]

Ny tsy fahombiazan'ny governemanta tamin'ny famonoana ny afo kosa no noresahin‘i El Motamangeh :

سؤال يطرح نفسه : الدولة التي فشلت في تأمين برلمانها ضد الحرائق ثم فشلت في اخماد حريق بسيط في مبني من 3 أدوار، كيف ستنجح في تأمين حدودها الشرقية؟

Fanontaniana : Ho afaka miaro ny sisin-taniny any atsinanana ve ny governemanta izay tsy mahavita miaro ny tranon'ny Antenimierany akory ary tsy mahavita mamono ny afo amin'ny trano misy rihana telo ?

Tetika efa nisy nanomana no fahitan'ny mpitoraka blaogy sasany ny antony nahatonga iny afo iny. I Politikia ohatra dia nitantara ny siosion-dresaka taorian'ny mikasika ny zava-misy taorian'ny nahamay ilay trano :

Rumors say that the fire can be an intentional one, to burn documents related to some recent important incidents (related to corruption) Like Mamdouh Ismail Salam 98 case for example.

Raha ny siosion-dresaka heno dia mety ho antony iraisam-pirenena no nahatonga iny afo iny. Mba handorana ireo atontan-taratasy tamin'ny zava-nitranga tato ho ato (misy resaka kolikoly), tahaka ny raharaha Mamdouh Ismail sy ny Salam 98 ohatra.

Malahelo kosa ny mpitoraka blaogy sasany noho ny maha-trano manan-tantara ny Shura. Tantarain'i Nawara eto ny alahelony :

زعلانة قوي
ليه كده؟ للدرجة دي؟ عايز ياخد ورق ياخده باي طريقة، ده تاريخنا، دي بلدنا
مبنى الشورى بينهار، ده مش زي احتراق الاوبرا، ده مجلسي الشعب والشورى، دي فلوسن

ا

Malahelo mihitsy aho.
Raha tena hoe te handoro atontan-taratasy izany tokoa izy ireo dia heveriko fa misy fomba hafa hanatanterahana izany. Ny tantarantsika io, ny firenentsika. Mirodana ny tranon'ny Shura, tsy tahaka ny zava-nisy tamin'ny trano fanaovana tantara an-tsehatra (efa mahery ny 50 taona izany). Antenimierantsika io, volantsika.

Shura

Farany dia tsy nisakana ireo “Leftists” tsy hanao ny hanihaniny koa iny zava-nitranga iny. Dokam-barotra malaza iray amin'ny sehatry ny fifandraisan-davitra no hanaovan'izy ireo vazivazy ato. Misy soratra moa amin'ny dokam-barotry ny Mubarakfone hoe : “Mahita vodin-tsigara” [“Seeing a Cigarette Butt”], ary isan'ny ahiahiana mahatonga ny afo foana ny sigara indrindra rehefa te hamotika atontan-taratasy. Mbola mitohy moa ilay dokam-barotra hoe “Handoro ny firenena ny Mubarakfone.” [“Mubarakfone will set the country on fire.”]

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.