Ejypta : Olo-manga arabo telo no nodimandry

Very olo-manga teo amin'ny lafiny kolotsaina telo be izao ny tontolo Arabo tao anatin'ny iray volana ; dia i Dr Abdel Wahab El Miseiri, filozofy sy ilay mpamokatra sarimihetsika Youssef Chahine samy avy ao Ejypta – ary ny poeta palestiniana Mahmood Darwish. Izay no resahin'i ElGharep, na The Stranger, mpitoraka blaogy avy any Ejypta ato amin'ity lahatsoratra ity [Ar].

فى خلال شهر واحد تقريبا توفى ثلاثة من أكثر من أسروا الثقافة العربية وهم على ترتيب ميقات الوفاة د. عبد الوهاب المسيرى و يوسف شاهين ومحمود درويش
الأول كاتب والثانى مخرج والثالث شاعر ….يختلفون فى المجال الثقافى فعبد الوهاب المسيرى الفيلسوف المصرى صاحب موسوعة اليهود واليهودية والصهيونية والذى أعطى كل مالديه أسرئا للثقافة …يوسف شاهين مخرج الوعى والذى جسدت أفلامه كل ألم مصرى وعربى من فيضان النيل ف”بن النيل” و النكسة فى ” عصفور ” وتوقعه بالنصر فى “الأرض” والكثير من الأفلام التى عبرت عن شئ واحد فقط وهو المصرى وقضاياه وأخيرا…محمود درويش ” شاعر الأنتفاضة والذى كتب بكل أسى عن شقاء الاجئ الفلسطينى المسحوق أمام قوة الأحتلال الصهيونى الغاشم وتخاذل الأنظمة العربية المخزى

Olona telo izay samy nanana ny naha-izy azy teo amin'ny kolotsaina arabo no nodimandry tao anatin'ny iray volana. Dr Abdel Wahab El Miseiri, Youssef Chahine ary Mahmoud Darwish.

Mpanoratra ny voalohany, ny faharoa mpanao sarimihetsika ary ny fahatelo poeta. Samy niavaka izy telo teo amin'ny lafiny kolotsaina. I El Miseiri dia filozofy avy ao Ejypta izay nanoratra ny firaketana Jews, Judaism and Zionism. Nampiasa izay nananany rehetra izy mba hampanankarena ny kolotsaina arabo. I Youssef indray dia mpamokatra sarimihetsika izay niezaka naneho ny rofin'ny Ejyptiana sy ny Arabo tamin'ny sarimihetsika nataony, tahaka ny tondra-drano tao Nil ao amin'ny Ibn El Nile (Ny Zanak'i Nil), ny tantara ao amin'ny Asfour (Vorona) ary ny fanantenana fandresena ao amin'ny El Ard (Ny tany) sy ny horonan-tasry mihetsika maro hafa izay miresaka zavatra tokana : ny Ejyptiana sy ny olany. Farany, i Mahmood Darwish, poeta tamin'ny Intifada, nitantara ny fahorian'ireo mpifindra monina Palestiniana tamin'ny fanafihan'ny Zionist sy ny fahalemen'ny governemanta arabo.

Nanampy koa ny mpanoratra fa :

الثلاثة يتشباهون فى شئ واحد ورئيسى الشأن العام والذى ظل مسيطر عليهم الى أخر لحظة فالمسيرى ظل الى أخر نفس رئيسا لحركة كفاية المصرية المعارضة بالرغم من سنه الكبير الذى لا يتحمل المطاردات الأمنية لأمن النظام المصرى ….وشاهين صاحب أقسى الأفلام السياسة نهاية بفيلم “هى فوضى ” والذى عرى فيه النظام البوليسى المصرى والذى لا يعبأ بالقضاء ولكن بأمنه فقط ….وأخيرا محمود درويش والذى الذى أستقال من منظمة التحرير أثر توقيع أتفاقية “أوسلو” فلم يقبل التخلى عن أى حق فلسطينى

Hatramin'ny ora farany niainany dia samy liana tamin'ny raharaham-bahoaka izy ireo. Na dia efa tao anatin'ny fahanterany aza i El Miseiri dia mbola nitarika ny antokony mpanohitra Kifaya tao Ejypta. I Chanine namokatra sarimihetsika masiaka maro, ary ny farany dia ilay Heya Fawda (It is Chaos), izay nampiseho ny tsy firaharahian'ireo mpitandro filaminana Ejyptiana ny fahamarinana sy ny fitadiavany tombony ho azy ireo manokana. Farany, dia niala tao amin'ny Palestine Liberation Organization i Darwish taorian'ny nanaovana sonia ny fifanarahan'i Oslo satria tsy te hamela na dia iray aza amin'ny zon'ny Palestiniana izy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.