Kazakhstana : ny lalao Olympika tamin'ny blaogy

 Nangingina ny resaka politika teo anivon'ireo mpitoraka blaogy avy any Kazakhstana noho ny lalao Olympika.

Mahasorena an'i Alim Atenbek ny fanamiana nanaovan'ny ekipa avy ao Kazakhstana [ru]:

Officials always want to make a buck on everything, and the Olympiad is not an exclusion. The government allocated 68 milion tenge for 226 kits – or 2,500 US dollars for each – but eventually the quality of fabric and tailoring was so bad that they had to remake it hastily. The tender for sale of tours to Beijing Olympics was very dubious too – a barely known tourist firm won it.

Ta hahazo vola foana ny manam-pahefana amin'ny zavatra rehetra, tafiditra amin'izay ny lalao Olympika. Nanokana 68 tapitrisa Tenge ny governemanta mba hamokarana fanamiana 226 – izany hoe 2500 dolara amerikana ny iray – nefa ratsy be ny lamba nampiasaina sy ny nanjairana azy ka tsy maitsy niverina nanamboatra fanamiana maika. Mampiahiahy koa fa “orinasa” zara raha misy mahafantatra no nampiandraiketana ny fandehanana tany Beijing tamin'ny lalao Olympika.

 

Resahin‘i KZblog koa ny faharatsian'ny fanamiana :

“the blazers have huge shoulder pads that make all the athletes look like little kids wearing Daddy’s business suits. And the orange skirts and little hats are way too bright on their own. The combination of white, bright blue and bright orange is a little hard to take!”

“Lehibe loatra ny soroky ny palitao nanaovan'izy ireo ka tahaka ny ankizy kely manao ny akanjon'ny Dadany no nahitana ireo atleta. Ilay zipo menapina sy ilay satroka kely moa dia marevaka loatra. Tsy miaraka mihitsy ilay loko fotsy, manga tanora ary menapina.

Namoaka ny lisitry ny vola nolazain'ny governemanta ao Kazakhstana fa omena ireo nahazo medaly i Mantrov-kz (250000 dolara ho an'ny medaly volamena), ary nilaza fa 720000 dolara no nampanantenain'ny filoha Azerbaijani ireo atletany : “Eto isika dia efa resy”, hoy izy [ru]. Tsara ihany nefa ny vokatra azon'ireo mpilalao Kazakh satria amin'izao dia efa nahazo medaly 8 izy ireo. Efa mitovy amin'ny medaly azon'izy ireo tamin'ny lalao Olympika tany Athena izany. Mahalasa saina kosa ny hevitra hitan‘i Wondernews [ru] :

If the CIS republics performed as a single “soviet” team, they would have won the first place by the amount of medals in Beijing!

Raha nitambatra ho ekipa sovietika iray ireo firenena ao amin'ny CIS dia izy ireo no nandrombaka ny fandresena amin'ny isan'ny medaly azony tamin'ny lalao any Beijing.

Tsy naharitra ny tsy hiresaka ny lafiny politika tamin'iny lalao iny kosa i epolet, mpitoraka blaogy amin'ny resaka politika [ru] :

All presidents of the Central Asian countries (Nazarbayev of Kazakhstan, Karimov of Uzbekistan, akiyev of Kyrgyzstan, Berdymukhamedov of Turkmenistan and Rakhmon of Tajikistan) have come to Beijing to watch the opening ceremony. Five countries were living without their presidents these days.

Nanatrika ny lanonam-panokafana tany Beijing daholo ny filoham-pirenena avy amin'ny faritra afovoan'i Azia (Nazarbayev avy ao Kazakhstan, Karimov avy ao Uzbekistan, Akiyev avy ao Kyrgyzstan, Berdymukhamedov avy ao Turkmenistan ary Rakhmon avy ao Tajikistan). Niaina tsy nisy filoha ny firenena dimy nandritra ny andro maromaro izao.

 

Navoaka ao amin'ny neweurasia koa ity lahatsoratra ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.