Shina : mampalahelo ny tongotr'i Liu

Voatery niala an-daharana ilay mpihazakazaka kalaza, tompon-daka eran-tany amin'ny 110 metatra misy fefy tamin'ny lalao Olympika tany Athena, Liu Xiang androany maraina (ora any Shina) noho faharariana tamin'ny tongony.

BEIJING (AP) — Defending Olympic champion Liu Xiang of China pulled out of the 110-meter hurdles Monday, walking away from the blocks after coming up lame during a false start.

BEIJING (AP) – Niala an-daharana tamin'ny hazakazaka 110 metatra misy fefy i Liu Xiang, izay tokony hiaro ny maha-tompondakan'ny lalao olympika azy, rehefa avy naratra tamin'ny fiaingana mialoha ny fotoana.

Efa niainga alohan'ny fotoana i Liu, ary nihazakazaka nihoatra ny fefy roa. Nijanona tampoka nefa izy ary hita fa nikentrona naharary. Taorian'ny fialana alohan'ny fotoana nataon'ny mpifaninana iray hafa, talohan'ny hanombohan'ny lalao indrindra dia niala an-daharana i Liu. Nihoraka noho ny fahatairana sy ny alahelo ny mpijery ary nangina be ny kianja avy eo.

Efa taratra ihany iny zava-nitranga iny omaly. Nilaza i Sun Haiping, mpanazatra an'i Lui Xiang, fa naharary ny vody tongotr'i Lui hatramin'ny fanazaran-tena tamin'ny faha-16 Aogositra. Mbola nanantena ihany ny sinoa maro fa tetika ihany iny, na dia efa voamarina aza fa naratra i Liu.

Hifanosehana ny hevitra mandeha ao amin'ny Fanfou.com, ny twitter an'ny sinoa, taorian'ny nahitana an'i Liu nandao ny toerany tamin'ny endrika maloka.

1-lin 11:56

这次奥运会没有什么比刘翔更让我心痛

1-lin 11:56
Tsy hisy zavatra hampalahelo noho iny fialan'i Liu Xiang iny mihitsy amin'ity lalao ity.

阡陌 11:58

亿万人的心,被刘翔的退赛掏空了,没有刘翔的奥运会遗憾吗?没有刘翔的鸟巢会寂寞吗?

阡陌 11:58
Ontsa ny fon'ny olona an-tapitrisany noho ny fialan'i Liu Xiang. Tsy hampalahelo ve ny lalao Olympika tsy misy an'i Liu Xiang ? Tsy hangingina ve ilay “tranom-borona” nilaozan'i Liu Xiang ?

Misy milaza fa samy nahazo vitan-dratsy avokoa ireo mpanao fanatanjahan-tena hita tamin'ny dokambarotry ny Adidas tato ho ato.

Mololo 12:19

阿迪达斯那奥运广告真是个无敌诅咒。

Mololo 12:19
Tena namosavy mihitsy ny dokambarotry ny Adidas tamin'ity lalao Olympika ity.

Toa samy voa tamin'io daholo na ny tarika vehivavy mpilalao volley, na ilay mpilalao baolina Zhengzhi, ary izao indray dia i Liu Xiang.

Misy koa nefa ireo nanome tsiny an'i Liu Xiang :

海蓝 12:21

刘翔,你没倒在赛道上.却倒在了奥运精神下.

海蓝 12:21
Liu Xiang, tsy tamin'iny fifaninanana iny ihany no nianjera ianao, fa tamin'ny toe-tsaina olympika mihitsy.

Notoherin'i 微笑綻放 izany, ary betsaka no mitovy hevitra aminy 12:20

体育竞技本来就是这样,你TM一群什么都不懂的就只会怪别人,有本事你们上我看看。人家好你们就夸,人家伤了尽力了退出了,你们看金牌梦无望了就骂。你们干脆把奥运会改命叫抢金牌大赛好了。

Izany no atao hoe fifaninana ara-panatanjahan-tena. Ianareo ireo, ireo olona tsy mahay na inona na inona akory ankoatra ny manome tsiny ny olona ! Mitehaka ery ianareo rehefa mandresy izy, nefa raha vao manomboka mirodana ny nofinofy amin'ny medaly volamena dia iny fa manome tsiny. Maninona raha ovaina hoe fandrombahana medaly volamena ny anaran'ny lalao Olympika ?


Sary mihetsika
kosa no fahitan'ny olona mpankafy aterineto iny zava-misy iny :

这一招实在是高
这几天我一直在想罗伯斯实力如何强劲,已经超过了刘翔,刘翔如何应对,如果输了(很大可能),商业价值必定大打折扣,人气肯定一落千丈,如果我是刘翔,该当如何?
谁知出现这种结果,这是刘翔所能做出并得到最大利益的结果,赢得了大家的同情,并保住了自己的人气,最重要的是,商业价值.
让人不能不佩服他身后的团队,实在是佩服(真心话,毕竟是同行)!

Tena tsara be ilay tetika !
Hitako fa natanjaka lavitra noho i Liuxiang mihitsy i Robles amin'izao. Ka ahoana no tokony hiatrehan'i Liu an'izany ? Raha tsy mivoaka mpandresy izy, izay inoako fa tena mety nitranga tokoa, dia hihena be ny lazany amin'ny lafiny varotra, sy ny fitiavan'ny vahoaka azy. Inona no ho nataoko raha izaho no tamin'ny toerany ?
Iny zava-niseho androany iny no hany azon'i Liu natao mba hahazoany tombony be indrindra. Samy voahazony daholo ny fitiavan'ny vahoaka azy, indrindra ny lazany amin'ny resaka varotra.
Ankafiziko mihitsy ny tarika mpanohana azy ao.

Efa namidy tamin'ny aterineto nefa ny tapakila hidirana amin'ny famaranana amin'ny hazakazaka misy fefy.

Na inona na inona nefa feo miparitaka, dia misy manohana hatrany i Liu.

Hoy i 小凤儿 tao amin'ny Fanfou :

我们都应该有颗宽容的心,刘翔虽然退出北京奥运会,但他依然是我们心目中的冠军。

Tokony mba mampiseho fandeferana kely isika. Na dia niala tamin'ny lalao Olymbika teto Beijing aza i Liu dia mbola mpandresy ihany izy ao am-pontsika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.