Libanona: Fanafihan'ny mpampihorohoro an'i Tripoli

Nipoaka nandritra ny fandalovan'ny fiara fitaterana antonontonony (mini bus) nitondra sivily sy miaramila Libaney any avaratry Libanona tao an-tanànan'i Tripoli ny baomba iray. Tokony ho tamin'ny  7:50maraina io fipoahana io araka ny nolazain'ny nanatri-maso iray. Ny fanambaran'ny tafika Libaney no nandrenesana fa 11 ny olona maty tamin'izany, ka 9 ny miaramila, ary sivily sy miaramila 30 ihany koa no naratra nandritra izany fipoahana izany. Nosoritsoritan'ny fanambarana ho asa fampihorohoroana moa ny fanafihana ary ny tafika sy ny fiaraha-monina anaty fandriampahalemana any Libanona no kendrena mivantana tamin'izany. Nitranga indrindra moa ity fanafihan'ny mpampihorohoro ity ora vitsy monja mialoha ny fikasan'ny filoha Michel Suleiman hihaona amin'ny filoha Syriana Bashar al Assad. Ity fihaonana ity moa no voalohany indray ho an'ny roa tonta tao anatin'ny telo taona. Indreto ary ny hevitra voalohany naposaky ny mpamaham-bolongana Libaney amin'ity raharaha ity:

Mustapha ao amin'ny Beirut Spring  no nampivoitra ny fisarahan-kevitry ny olona sy ny mpanao politika rehefa misy ny trangam-panafihana tahaka itony. Nohazavainy fa zotra roa avy hatrany no itodihan'ny Libaney tsirairay avy, araka ny fironana ananany, jerena:

Those who are inclined to see the destructive hands of Syria at play can’t help but notice that whenever an important event is about to take place (large anti-syrian demo, the first ever sovereign presidential visit to damascus in today’s case), someone somewhere kills a lot of innocent people.
As March 14 M.P. Jawad Boulos put it this morning to the VL radio station: “the explosion of Tripoli is a message to president Sleiman that there are forbidden topics in today’s meeting with the Syrian president”
On the other hand, there are many who believe that all the ills emanating from the north are the doings of Muslim fundamentalist terrorists, monsters who were recently propped-up by the Sunni wing of March 14 (Hariri’s Almustaqbal Movement) in an ill-advised effort to counter Shiaa ascendancy in the form of Hezbollah.
In the eyes of this group, the terrorists are carrying out their revenge against the Lebanese army who put them to their knees and humiliated them during the Naher Al Bared showdown.

Ireo izay mahita avy hatrany ny tanana mpamotiky Syria dia mahamarika avy hatrany fa tsy ilaozan-doza ahafatesana olona maro mandrakariva ny tanàna rehefa misy zava-dehibe mitranga eo amin'ny firenena (Fihetsiketseham-panoherana an'i Syria, fitsidihana ofisialy ataon'ny filoha any Damasy (Damasikosy tahaka ny androany). Araka ny voalazan'ny depiote avy amin'ny vondrona “14 martsa” androany maraina tao amin'ny radio VL dia :”hafatra ho an'ny filoha Suleiman iny fanapoahana baomba tany Tripoli iny ilazana fa misy ny lohahevitra tsy azo resahina mandritra ny fihaonana amin'ny filoha Syriana”.
Amin'ny lafiny iray indray, dia maro no mino fa avy amin'ny mpampihorohoro Silamo tsy tia fangaro avokoa ny loza mitranga any avaratra rehetra, olonabiby izay ao notohanan'ny antoko Sonita Silamo avy amin'ny vondrona 14 martsa (antokon'i Hariri antsoina hoe Almustaqbal) mikendry ny hisakana ny Fironan'ny olona ho any amin'ny vondrona Silamo Shia (Shiita) Hezbollah. Eo imason'ireto vondrona ireto dia valifatin'ny mpampihorohoro amin'ny tafika Libaney izay nampandohalika sy nanala baraka azy ireo nandritra ny operation Naher Al Bared io fanapoahana baomba io.

Antun ao amin'ny Lebanese Chess kosa indray dia namoaka sary sy nitati-baovao. Nolazainy ihany koa ny heviny mikasika ity raharaha ity izay lazainy fa tsy mifandraika amin'ny fivakivakisan'ny fiarahamonina nitranga manodidina an'i Tripoli velively ity fipoahana baomba ity. Nofeheziny ary fa “porofon'ny fahalemen'ny fandriampahalemana anatiny any Libanona sy ny fanjakan'ny kolikoly mahafaty olona” iny.

It appears too early to get a clear picture of who was behind the Tripoli bus bombing. The city and several surrounding villages have recently been embroiled in sectarian clashes between Sunnis and Alawites. But it is unlikely that either group would have carried out such a significant attack, which has the hallmarks of a typical Islamist operation.

Nahr el-Bared was the centre of a major confrontation between the Islamist movement, Fatah al-Islam, and the Lebanese Army last year. The bus today was carrying a number of soldiers, which suggests that they were the target. The main suspect that would deliberately launch a major attack on the scale of today's bus bombings is Fatah al-Islam.

Aloha loatra izao raha tiana ho fantatra mazava ny momba ity fanapoahana baomba tany Tripoli ity. Mbola vao tao anatin'ny fifandirana isankarazany nifanandrinan'ny Sonita sy ny Alawita ny tanàna sy ny manodidina an'iTripoli. Saingy sarotra kosa ny hieritreritra fa hahavita fanafihana tahaka iny ny iray amin'ireo vondrona nifanandrina ireo, fanafihana izay manana ny endrika mampiavaka tsara ny fanaon'ny Isilamista.

Naher el-Bared no tena nitrangan'ny fifanafihan'ny vondrona Isilamista Fatah al-Islam, sy ny tafika Libaney tamin'ny herintaona. Nitondra miaramila ilay fiara fitaterana, izay mampaminavina fa ny tafika no tena nokendrena. Ny voarohirohy voalohany indrindra ho nahavita fanafihana tahaka ny tamin'ny maraina noho izany dia ny Fatah al-Islam.

The Ouwet Front blog indray moa dia namoaka sary maneho ny fiantraikan'ny fipoahana baomba.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.