Ekoatera : ny fampiasana ny fampahalalam-baovao mandritra ny fampielezan-kevitra amin'ny fitsapan-kevi-bahoaka

Miaramila tamin\'ny fankalazana ny fahaleovan-tena tao Kito


Miaramila tamin'ny fankalazana ny fahaleovan-tena tao Kito. Sary tao amin'ny Presidencia de la Republica, ary ampiasaina miaraka amin'ny fepetran'ny Creative Commons.

Andro tsy hiasana ny faha-10 Aogositra any Ekoatera, natao hahatsiarovana ny faha-10 Aogositra 1809 – andro nanambaran'ny mponina avy ao Kito, notarihin'i Eugenio Espejo ny fahaleovan-tenan'izy ireo avy amin'i Espana. Samy nankalaza ny fahaleovan-tenany amin'ny fananganana ny sainam-pireneny, ny afomanga, ny mozika sy ny fampisehoana ara-kolotsaina ny mponina avy eo Ekoatera, na ny any an-toerana na ireo zanaka am-pielezana. Tsy hadinon'ny mpitoraka blaogy koa nefa ny fitsapan-kevi-bahoaka hatao any Ekoatera, indrindra ny fampiasana ny filazam-baovao handisoana hevitra ny ankizy sy ny mponina, sy ny fampiasan'ny fanjakana be loatra ireny fitaovana ireny hanomezana vahana ity fitsipan-kevi-bahoaka mikasika ny lalam-panorenana ity.

I Andres Martinez [es], mpitoraka blaogy ao amin'ny Ateniense en Madrid dia miresaka ny fandikana vilana ny fahafahana maneho hevitra amin'ny fahita lavitra ao Ekoatera. Milaza moa izy fa tsy misy intsony ny fanajana ny asa, ny moraly ary ny fetran'ny fahafahana. Faika-na fahitalavitra [Telegarbage] no niantsoany azy.

A esto se debe sumar la tergiversación de contenidos por parte de los propios medios de comunicación, situación visible pues amparados en el derecho fundamental a emitir información, estos, manipulan, agreden, intoxican, deforman, deseducan y pervierten. La libertad de información ha terminado por ser una libertad propia de los medios y no de la sociedad y el ciudadano como debería ser

Noho izany dia mila dinihina koa ny fandikana vilana amin'ireny fampitam-baovao fanta-bahoaka ireny. Taratra izany noho ny fanodikodinana, fanafihana, poizina, fandisoana, fampianaran-diso ataon'izy ireo mikasika ny fahafahana hampita vaovao. Manjary voafehin'ny fahafahan'ny fanaovan-gazety fotsiny ny fahafahana maneho hevitra fa tsy mihatra amin'ny mponina tsotra intsony.

Nilaza kosa indray ny La Alharaca [es] fa tokony amin'ny zavatra hafa no handanian'ny fanjakana vola. Miasa amin'ny orinasa mpanao dokam-barotra lehibe ao Ecuador moa izy, ary nilaza fa be loatra raha $40 tapitrisa no laniana amin'ny dokam-barotra, ary tsy mbola nisy tahaka izany teo amin'ny tantaran'i Ekoatera. Hoy indrindra izy raha niresaka ny TGRP (Target Gross Rating Points) :

Lo cierto es que el vendaval de publicidad oficial al que estamos expuestos los ecuatorianos es impresionante. Son casi 15 millones de dólares gastados hasta el momento, que en realidad corresponden a una campaña de un valor de 40 millones de dólares, en el lapso de 19 meses de gobierno. Se han desembolsado 15, en base a descuentos otorgados por los medios, pero el valor real de la campaña es 40 millones de dólares (según fuente El Universo).

Ny marina dia mahatalanjona mihitsy ny fampielezan-kevitra be ataon'ny governemanta amin'ny mponina ao Ekoatera. Efa mananika ny $15 tapitrisa no nampiasainy hatramin'izao, izany hoe mety hananika ny $40 tapitrisa izany mandritra ny 19 volana. Io $15 tapitrisa io moa dia noho ny fihenam-bidy natolotr'ireo fampahalalam-baovao isan-karazany, fa $40 tapitrisa any ho any no tena tentim-bidiny.

1 hevitra

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.