Arabia Saodita : Fanandevozana ao amin'ny helodrano Persika

Tapa-bolana lasa izay dia nanao fitokonana sy fenehoan-kery ireo tera-tany Bangladeshy miasa ao Koety noho ny fahakelezan’ny karama omena azy ireo sy ny faharatsian’ny lalana mifehy ny asany. Taorian’io fitokonana io dia mahery ny 200 ny mpiasa noroahina tamin'ny asany. Ny hevitry ny mpitoraka blaogy Saodiana roa mikasika ny endriky ny “fanandevozana” mitranga ao Arabia Saodita sy manerana ny helodrano Persika amin’izao fotoana izao no hotanterintsika amin’ity lahatsoratra ity.

Ny tantara’ny fanandevozana nisy tany Etazonia no hanombohan’i Ahmed Baaboud azy :

أعلن الكونجرس الأمريكي منذ بضعة أيام عن اعتذار رسمي للأمريكيين الأفارقة عن سنوات العبودية الطويلة التي عانوا منها في أمريكا على أمل أن تكون هذه خطوة من أجل محاربة العنصرية و تخفيف جروح الماضي المرة، في نفس الوقت تابعنا الأنباء عن إضرابات العمال الأجانب في الكويت بسبب عدم دفع رواتبهم الضعيفة أصلاً

Andro maromaro lasa izay dia niala tsiny tamin’ireo Afrikana-Amerikana ny antenimieram-pirenena Amerikana noho ny taona maro nampijaliana azy ireo tamin’ny fanandevozana tao Amerika. Dingana iray izany amin’ny fanafoanana ny fanavakavaham-bolo-koditra, sy ny fanalefahana ny hirifiry noho ny ratra nentin’ny lasa. Nandritra izany koa no nanarahana ny vaovao mikasika fitokonana nataon’ireo vahiny miasa ao Koety noho ny tsy fandoavana ny karaman’izy ireo, izay efa kely rahateo.

Avy eo izy dia niresaka ny zava-misy ao Arabia Saodita :

في مملكة الإنسانية أجد أن صنوف كثيرة من العاملين هنا يعانون من أشكال مختلفة من سوء التعامل و ساعات العمل الطويلة بالإضافة إلى عدم وجود نظام مقنن للإجازات الأسبوعية بصورة مفجعة، و نظراً لعدم وجود الكثير من السعوديين العاملين كبائعين في المحلات لا نجد أن هناك إحساس بحجم المعاملة القاسية التي يعيشها مئات الألوف من العاملين هنا.
أتكلم من خلال معرفة شخصية لأن لي أقارب يعملون كبائعين في محلات أقمشة و بيع ساعات يعملون من الساعة التاسعة صباحاً حتى صلاة الظهر (أي إلى حدود الساعة الثانية عشر ظهراً)، و بعد ذلك يعودون للعمل من الساعة الرابعة و النصف حتى الساعة العاشرة و ربما الحادية عشر مساءً، أي ما مجموعة ثمان ساعات يومياً تقريباً و بشكل يومي من غير أيام إجازة أسبوعية، بل حتى إجازات الأعياد تكون مقصورة في العادة على يوم أو يومان. كما إن الأمور تصل إلى حد غير معقول خلال العشر الأواخر من شهر رمضان حيث تستمر ساعات العمل إلى الساعة الثانية صباحاً.

Ato amin’ity “fanjakan’ny maha-olombelona” misy antsika ity dia mahita aho fa maro ny mpiasa no tsy mizaka ny zony tanteraka, na miasa be loatra ary misy aza miasa amin’ny faran’ny herinandro. Ny fisian’ny Saodiana miasa amin’ireny magazay isan-karazany ireny dia midika fa mbola odian-tsy hita ny olana sedrain’ny olona an’arivony maro eto. Mahafanattra izany aho satria misy havako miasa amin’ireny magazay mivaro-damba na famantaran’andro ireny. Manomboka amin’ny 9 maraina izy ireo no miasa ary tsy mitsahatra raha tsy amin’ny vavaka atoandro (izany hoe mandra-pisasaky ny andro), dia miverina miasa indray manomboka amin’ny 4 sy sasany ary tsy mirava raha tsy amin'ny 10 na 11 alina. Izany hoe miasa adiny valo isan’andro izy ireo, tsy misy fiatoana amin’ny faran’ny herinandro – ary na ny fialan-tsasatra amin’ny Eid [Fety Silamo] aza dia voafetra ho iray na roa andro ihany. Tsy vitan'izay fa mandritra ny folo andro tsy hahataperan’ny Ramadan aza moa dia mitohy hatramin’ny 2 maraina ny ora fiasan’izy ireo, izay zavatra tsy azo ekena mihtisy.

Noho izy ireo miasa mandritra ny andro sy ny tsy fisian’ny fialan-tsasatra kely isakin-kerinandro dia tsy afaka mivelatra ara-tsosialy ireo mpiasa ireo. Manginy fotsiny ny fahakelezan’ny karama omena azy ireo. Misy elanelana lehibe araka izany eo amin’ireo mpiasa ireo sy ny Saodiana ary miteraka lonilony noho ny fomba hampiasana azy ireo isan’andro. Taloha dia tsy nampiharina tamin'ireny sehatra ireny ny tetik'asam-pirenena hampirisihana ny fanomezana ny asa ho an'ny tera-tany Saodiana noho ny fahabetsahan’ny ora isana sy ny fahakelezan’ny karama. Amin’izao nefa dia efa maro ihany ny Saodiana miandraikitra ny varotra amin’ireny orinasa lehibe ireny. Antenaina fa ho hitan’ny Saodiana itony lahatsoratra itony.

Tsy mahagaga an’i Ahmad kosa ny zavatra misy ao Koety :

يسجل التاريخ أن التغير الكبير لا يظهر إلا بثورة ، وأبطال هذه الثورات إما أن يتحولون إلى أبطال يذكرهم التاريخ طوال سنوات ويمجدهم في الكتب والمراجع ، أو هم يصبحون ضحايا للثورة فيخسرون كثيراً .. قد يصل الأمر إلى أن يخسرون حياتهم .
تذكرت الكلمات السابقة وأنا أشاهد ردة فعل العمالة في دولة الكويت خلال الاسبوع الماضي ، حيث أضرب عدد كبير من العمال وبعضهم شارك في مظاهرة علنية في الشوارع والميادين مطالبين بتحسين الأنظمة ، بغض النظر عن إشكاليات العمال والجرائم التي انتشرت مؤخراً ، أنا على يقين بأننا في دول الخليج – ليس في الكويت فحسب – لازلنا ننظر إلى العمالة الآسيوية نظرة متدنية وخالية من أي تقدير واحترام أشببها بالنظرة الحيوانية ، فالمواطن ينظر للعامل ويتعامل معه وكأنه ليس انساناً مثله ، ناهيك عن تعامل الشركات التي تقدم رواتب شهرية متدنية جداً ، أعلم بأن 120 دولار (450 ريال) تعتبر مرتباً عالياً جداً للموظف في بنغلادش مثلاً ، لكنها لن تستطع أن تجعل عاملاً في الرياض أو دبي أو الكويت يعيش بأقل التكاليف مع توفير مبلغ نهاية كل شهر ، فلو فرضنا أن جميع وجبات الأكل الثلاث تكلف العامل في اليوم الواحد فقط 12 ريال فهذا يعني بأنه يحتاج إلى 360 ريال شهرياً فقط لوجباته الثلاث ، ناهيك عن الملبس والتنقل والتوفير .

Araka ny tantara dia amin’ny alalan’ny tolo-piavotana ihany no hisian’ny fiovana goavana. Rehefa vita ny tolona, dia na lasa olo-malaza ireo nitarika izany noho ny firesahana azy amin’ny tantara sy ny boky isan-karazany mandritra ny taona maromaro ; na mizaka ny takaitran’ny tolona noho ny fahavoazany, mety hatramin’ny famohizany ny ainy aza. Izay no tonga tao an-tsaiko raha nahita ny fihetsikereo mpiasa ao Koety ireo aho tamin’ny herinandro. Maro ny nandeha nitokona, ny sasany naneho hery teny amin’ny ara-be mba hanatsarana ny lalana mifehy ny asan’izy ireo. Na tsy nisy iny hetsika nataon’ny mpiasa iny aza, dia izaho mahita fa mbola heverintsika eto amin’ny helodrano Persika iray manontolo, fa tsy Koety ihany, fa ambany noho isika ny olona avy ao Azia, ary tsy mendrika ny fanajana fa sanatria tahaka ny biby. Tahaka ny tsy olona no hitondrantsika ireny mpiasa ireny, ny fomba fitondran’ny orinasa isan-karazany azy moa tsy resahiny intsony, tahaka ny fahakelezan’ny karama omena azy ireny. Fantatro fa betsaka izany US$120 (450 Riyals) isam-bolana izany raha ho an’ny mpiasa any Bangladesh ohatra, fa tsy ampy hivelomana izany raha ao Riyadh, Dobay na Koety, ary tsy afaka manana tahiry kely akory izy ireo amin’ny faran’ny volana. Raha atao ny kajy, ny olona iray misakafo in-3 isan’andro dia mandany 12 riyals eo ho eo, izany hoe lany amin’ny sakafo fotsiny ny 360 riyals mandritra ny iray volana – ary tsy mbola voaisa ao ny fitafiana, ny fitanterana na izay tahiriny.

لشركات تستغل ضعف وزارات العمل الخليجية وانشغالها بالموظفين المواطنين إلى الضغط على الآسيويين واستغلالهم شر استغلال بما فيها المرتبات المدنية وساعات العمل الطويلة وسوء مكان السكن وانعدام أي مميزات ، من المفترض أن لا يزيد عدد ساعات العامل عن 9 ساعات يومياً لكننا نشاهد العمالة في مواقع البناء والمصانع وحتى المطاعم تعمل على مدار اليوم ثم نغضب عندما تصدر مؤسسات حقوق الانسان الغربية اتهامات بعبودية (البشر) في دول الخليج .
الشركات الكبرى الآن تضغط على الحكومات التي تتأخر في دفع مستحقات المشاريع الكبيرة بعدم دفع رواتب العمال ، فحين يحتج العامل ويوصل صوته للمسؤولين في بلاده يكون رد الشركة بأننا ننتظر (التعميد من الحكومة ) أي استلام جزء من مستحقات المناقصة وهو الذي يتأخر بالأشهر ويصل إلى 7 أو 8 شهور ، الضحية هنا العامل الذي لاعلاقة له بكل ذلك .. يحرم من مرتبه الضئيل فترات تصل إلى 8 شهور .. ثم نغضب حينما يلجأون للجريمة والسرقة .

Araraotin’ny orinasa ny fahalemen’ny Minisiteran’ny Asa eto amin’ity helodrano ity sy ny fahasahiranan’izy ireo amin’ireo mpiasa tera-tany. Hita izany fanararaotana izany amin’ny fitondran’izy ireo ny mpiasa avy ao Azia, amin’ny tsindry hazo lena sy ny fitrandrahana azy ireo, amin’ny fahakelezan’ny karama, ny habetsahan’ny ora hiasana, ny faharatsian’ny trano sy ny tsy fisian’ny tombony ho an’ny mpiasa mihitsy. Raha ny tokony ho izy dia adiny 9 isan’andro ihany no hiasan’ny mpiasa iray. Betsaka nefa ny mpiasa amin’ireny asa fanorenana, na toeram-pisakafoanana aza, miasa mandritra ny andro. Dia tezitra isika rehefa miresaka ny fanandevozana misy eto amintsika ny fikambanana miaro ny zon’olombelona avy amin’ny firenena tandrefana. Rehefa tara ny fandoavan’ny fanjakana ny vola tokony alohan’izy ireo amin’ny asa ataony, dia ny mpiasa, amin’ny tsy fandoavana ny karaman’izy ireo, no ataon’ny orinasa fitaovana hanerana ny fanjakana. Rehefa mitaraina ny mpiasa ary tonga hatrany amin’ny manam-pahefana ny fitarainan’izy ireo, dia mety valian’ny orinasa fotsiny fa mbola miandry ny “batemy” avy amin’ny governemanta izy ireo, izany hoe mbola miandry ny volan’izy ireo any amin’ny governemanta ka izany no mahatara ny fandoavana ny karama hatramin’ny fito na valo volana … Ny mpiasa, izay tsy miditra amin’izany resaka miaraka amin’ny governemanta izany akory, no tena voa mafy. Tsy omena azy ireo ny karama keliny mandritra ny valo volana, dia tezitra isika rehefa mandeha mangalatra sy mampiasa herisetra izy ireo.

لنسبة لي عندما أستمع إلى شكاوي العمالة حقيقة يحز في خاطري أن يتم معاملتهم بطريقة فيها من (العبودية) الشيء الكثير .. يكفي أن بعض الشركات تطلب من العامل مرتب شهر نظير تجديد الإقامة ، وشركات أخرى تمنع العامل من التمتع بإجازته الاسبوع ، وأخرى تحرمه من أي استئذان أو إجازة حتى بحجة المرض ، أحد العمال قال لي بأنه يعمل في السعودية منذ 3 سنوات ولم يستطع أداء العمرة لأن الشركة ترفض منحه يومين إجازة.
كل هذه السلبيات تتكرر أيضاً في العمالة المنزلية ، ففي كل دول الخليج تعمل الخادمة أو السائق نحو 18 ساعة يومياً بلا توقف ، وهناك الكثير منهم لا ينعمون بمكان نوم ملائم ، بل هناك من يجبر الخادمة على النوم في المطبخ بين الفرن والثلاجة ! ، في أحد المرات ذكر لي صديق (متفاخراً ) بأنه لا يجعل الخادمة تغسل (حوش) المنزل خوفاً من تلقيها أرقاماً هاتفية من سائقين بالجوار .. لذلك فهي لا تتجاوز حدود المنزل الداخلي وربما لا تنعم بضوء الشمس سوى عند نشر الملابس في سطح المنزل ، وعلى كل حال يؤكد أيضاً بأنها لا تخرج مع العائلة للسوق أو المطاعم حتى يضمن عدم تعرفها لعمال آخرين ، قلته له بالعربي ( هي في سجن ؟) ، فأجاب .. (بس هي راضية!)

Rehefa maheno ny fitarainan’ireo mpiasa ireo aho dia tsapako fa tena tahaka ny andevo mihitsy no hitondrana azy ireo. Akoatra ny fakan'ny orinasa ny karama iray volana be izao amin’ny mpiasa rehefa hanavao ny taratasy fahazoany alalana mipetraka eto izy ireo, dia misy koa ireo orinasa tsy mamela ny mpiasany hiala sasatra na dia iray andro isan-kerinandro aza, na dia efa marary aza. Misy mpiasa niteny tamiko fa efa telo taona izy izay no niasa teto Arabia Saodita, ary nandritra izany dia tsy afaka nanao ny Umrah [Fiatahana Masina any Mecca] satria tsy omen’ny orinasa izy na dia roa andro fotsiny aza hanatanterahany izany. Misedra izany olana izany koa ny mpiasa an-trano. Amin’ny firenena rehetra eto amin’ity helodrano misy antsika ity dia miasa adiny 18 isan’andro ny mpiasa an-trano sy ny mpamily fiara-kodia, ary misy amin’izy ireny no tsy manana toerana mba hahafahany matory tsara akory – misy ny matory ao an-dakozia eo anelanelan’ny fatana sy ny vata fampangatsiahana ! Nisy namako izay nitantara tamiko (nirehareha ery !) fa tsy avelany mamafa tokotany ny mpanampiny fa sao mahazo ny laharana an-taroby an’ireo mpamilin’ny mpifanolo-bodi-rindrina aminy. Mbola tsy niala io trano io mihitsy izy izany hatramin’ny niasany tao, ary mety mbola tsy nahita masoandro ankoatra ny hoe mandeha manaha lamba any amin’ny tafo. Nanamafy moa izy fa tsy miaraka miantsena amin’ny fianankaviana io mpanampiny io, tsy mandeha amin’ny toeram-pisakafoanana sns mba hahazoany antoka fa tsy mahafantatra mpiasa tahaka azy izy. Nanontaniako moa izy hoe “Fa gadra angaha ilay mpiasanao ?” dia nolazainy aho fa “Fa faly tsara izy ka ! ”

المشكلة الكبرى فينا وليست في الاسلام بطبيعة الحال ، لكننا نتفاخر بعاداتنا وثقافتنا وروحنا الاسلامية ولا نطبقها على أرض الواقع ، جرب وقف يوماً في إشارة مرور مزدحمة قرب مواقع العمل والمناطق الصناعية ، شاهد كيف تحشر العمالة تحت درجة حرارة 45 في سيارة نقل أعدت لنقل المعدات .. والخراف في أحسن الأحوال .. لكن جشع صاحب المصنع أو الشركة يمنعه من شراء باص قد لا يزيد سعره عن 40 ألف ريال لنقل العمالة من المكانالإقامة للعمل ، ووالله لو كان الأمر بيدي لرفعت قضية ضد أي شركة ينقل عمالتها بسيارات (نقل) وحكمت على المالك بأن يخوض تجربة النقل في ( دينا) لمدة اسبوع (طبعا هذا في الاحلام ).

سل نفسك الآن ، متى آخر مرة أحضرت وجبة خارجية للخادمة أو السائق ، وكم مرة منحت السائق هاتفك الجوال لمحادثة أهله ، ماذا عن الخادمة .. هل مازالت تكتب رسائلها وتبعثها بالبريد ؟
هل لديكم شك بأنها ليست (عبودية) ؟

Tsy ny finoana Silamo mihitsy no tena olana ho antsika ; mirehareha ery isika amin’ny fombafomba sy kolotsaina ary toe-panahy Silamo – nefa tsy ampiharintsika akory ireny amin’ny fiainana. Mba mijanona anie manoloana ireny toeram-piasana na orinasa ireny, dia jereo ny fanerana ny mpiasa hifafatra ao anatin’ireny fiara be natao hitanterana entana na ondry ireny, amin’ny hafanana be 45 °C [113 Fahrenheit] … Noho ny fitiavan-tenan’ny tompon’ny orinasa dia tsy mividy fiara be fitanteran’olona izy (bus) mba hitanterany ny mpiasany, na dia tsy mihoatra ny 40,000 Riyals aza ny vidin’ireny. Raha nanana fahafahana aho dia ampiakariko fitsarana ireny orinasa mitatitra ny mpiasany amin’ny fiara be fitanterana entana ireny, ary ataoko ao amin’ny lalana fa tsy maitsy mandeha amin’ireny fitanterany ny mpiasa ireny in-dray mandeha isan-kerinandro ny mpampiasa. (Nofinofy izany !)

Manontania tena amin’izay, oviana ianao no nitondra sakafo avy any amin’ireny toeram-pisakafoanana ireny ho an’ny mpiasa na mpamilinao ao an-trano ? Mba avelanao mampiasa ny findainao ve ny mpamily mba hiresahany amin’ny fianankaviany ? Ary ny mpiasa trano ? Mbola manoratra taratasy ve izy, ary mandefa izany amin’ny paositra ?

Mbola manana ahiahy ve ianao raha tena fanandevozana tokoa ity na tsia ?

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.