Voarara any Isiraely ny andiamboky voadika amin'ny teny arabo Harry Potter, hoy i The Black Iris, avy any Joridania. Araka ny loharanombaovao dia nankinina tamin'ny didy hitsivolana nivoaka tamin'ny taona 1939 – raha mbola tao ambany fitondran'ny Angilisy ny faritra – izay mandrara ny fanafarana ny boky avy any amin'ny firenena miady amin'Isiraely.