Shina: Mpihetsiketsika vahiny ampian'ny fitaovana 2.0

Ny (mety ho) fihetsiketseham-panoherana farany mialoha ny iverenana indray amin'ny lohahevitra manodidina azy; ny voalohany izany dia ny karazana tolona anaty akata Exodus 8:1 ataon'ilay mpitolona avy amin'ny misiona Kirisitiana Eddie ‘iamgadfly’ Romero ho fampanjakana ny zon'olombelona any Shina ary ilay azo heverina ho ilay nandoko ny rindrin'ny efitrano roa raha vitsy indrindra amin'ny efitra fandriam-bahiny 2 raha vitsy indrindra ary dia nandositra niery avy eo. Ary mbola namahana tweeter ihany izy, na izany aza, ary nametraka lahatsary ao amin'ny YouTube.

Ary androany indray, mpihetsiketsika iray avy amin'ny fikambanana Amerikana ho amin'ny fanafahana an'i Tibet indray no nandeha nivantana tao amin'ny Qik.com avy amina olompirenena iray mailaka amin'ny fanomezam-baovao @noneck; somary lavalava kokoa ny fotoana hisintonana ity lahatsary ity raha vao aseho ny be sy ny maro izy ity:

Misy lahatsoratra maromaro kokoa ao amin'ny tweet avy @noneck (na i Noel Hidalgo) vao tsy ampy ora iray izay; ny lahatsary lazainy moa dia toa ity rakikira antsary ity:
I'm qik'n an awesome video of a protest i saw in t sq. The frosting came from a cbc camera man who got his passport stolen by police na nahazo ity lahatsary mahavariana ity avy amina mpihetsiketsika iray hitako tao amin'ny kianjan'i Tienanmen. Avy amina lehilahy mpaka sary cbc izay nangalarin'ny polisy ny pasipaorony ity tolotra tsy nampoiziina ity (glace ny dika manta)

Lhadon Tethong avy amin'ny fikambanan'ny mpianatra ho amin'ny fanafahana an'i Tibet ihany koa diananao zavatra mifanahatahaka an'io mialoha ny hiereny ‘underground’ (ambany lakavy), mandositra ny mpitondra fanjakana Shinoa noho ny fanohizany manontany antsary mba hisarihany araka izay azony natao ny mason'ny filohan'ny Komity Olaimpika Iraisampirenena Jacques Rogge.

Marihina fa ny lahatsary rehetra dia hitanao ampanindriana ny vakio eto ny lahatsoratra nadika etsy ambony. Tsy mba mahita na dia sombin-tsary aza manko ny mpandika ho amin'ny teny Malagasy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.