Madagasikara tamin'i Hong Kong:”Avereno ny Emeraodanay”

Lova Rabary-Rakotondravony no nanazava fa nandefa solontena efatra tany Hong Kong hanao izay hamerenana ny emeraoda lehibe indrindra sy mavesatra indrindra fantatra ankehitriny [ nomena anarana hoe Fanomezan'ny Lanitra] ary aranty ao amin'ny Baoqu Tang Modern Art Gallery any Honk Kong ny fitondrana Malagasy. Takian'ny fitondrana Malagasy ho anisan'ny fananam-pirenena ny vato izay nahazoan'i Chan SicPo izay aritisita alalana ny hampiranty azy sady nilazany rahateo fa tamin'ny fomba ara-dalàna no nahazoany ny vato izay ana orinasa mpitrandraka vato miorina ao la Reunion antsoina hoe Orgaco .

[naoty avy amin'ny mpandika teny: ao amin'ny rohy dia voalaza fa orinasa Firantsay ity Orgaco ity, ka nahatonga ahy hieritreritra hoe sao dia mbola anisan'ny antony nahatonga ny fandroahana ilay masoivoho Firantsay ihany koa ity vato ity? Niaro ny “azy” manko ny fitsarana Firantsay raha izany]

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.