Brezila: Nahazo alalana ilay tetikasa nokileary efa nampiady hevitra

Nahazoana fahazoan-dalana vonjimaika [pt], avy amin'ny Ivotoerana Breziliana miahy ny tontolo iainana sy ny akora azo avaozina tamin'ny 23 jolay farany teo, ho azo trandrahina ilay mpamokatra angovon'aratra nokileary Angra 3 efa nampiady hevitra, nefa mialoha izany dia andiam-pifanarahana fiarovana ny tontolo iainana mahatratra 60 no napetraky ny minisitry ny tontolo iainana Carlos Minc tsy maintsy ekena. Izy 60 dia fikaroham-bahaolana maharitra manomboka any amin'ny saram-pandaniana fifehezana ny taratra (nokileary) ka hatrany amin'ny fikarakarana ny fampianarana sy ny fiarovana ny tontolo iainana. Tsy maintsy soniavina ao amin'ny fanomezana lalana vonjimaika ho famenoana ny Angra 3 ireo fepetra ireo mialoha ny fandravonana ny asa ny volana sepitamb°ra amin'ity taona ity.

Nahazendana ny mpamaham-bolongana sasany ity fanapahan-kevitra ity satria ity Minisitry ny tontrolo iainana Carlos Minc ity raha heverina dia nanangana ny antoko mpandala ny voary (Antokon'ny maitso raha heverina amin'ny dika manta) ary nalaza ho niady mafy hanoherana ny fampiasana ny angovo nokileary dia lasa minisitry ny Tontolo iainana rehefa niala i Marina Silva. NIlaza moa izy fa tsy maintsy mahita ny fametrapetrahana rehetra mialoha ny fiafaran'ny fotoam-piasany. Toa hita ihany manko fa tsy mitovy hevitra loatra i Minc sy ny filoha Lula, izay efa nilaza ny fampanantenany momba ny angovo nokileary, rehefa miresaka ity lohahevitra iray ity fa tsy mba tahaka ny mahazatra taloha intsony ny tsy fifanarahan-kevitra. Namoaka ny sarin'izy mirahalahy tamin'ny 1989, nandritra ny fihetsiketseham-panoherana ny fananganana ity Angra 3 ity indrindra i Jorge Henrique Cordeiro [pt] . Mihevitra ny mpamaham-bolongana fa tokony ho tany amin'ny angovo madio sady mbola betsaka no nandaniam-bola:

Energeticamente o Brasil tem imenso potencial hídrico, solar e eólico a ser explorado. Só os ventos do Nordeste oferecem 75 gigawatts de energia ao país. O que me leva a fazer uma continha básica: levando-se em conta que Angra 3 tem potencial para 1.350 megawatts (1 gigawatt = 1.000 megawatts, só pra constar) e custo estimado de R$ 8 bilhões para ser construída, seriam necessárias 56 usinas iguais à ela, ao incrível preço de R$ 450 bilhões, para gerar esse mesmo total de energia com reatores nucleares. E ainda têm a cara-de-pau de dizer que as fontes renováveis de energia são caras…

Raha eo amin'ny resaka angôvo, manana “tahirin” angovon-drano, masoandro ary rivotra betsaka azo trandrahina tsara i Brezila. Ny rivotra any avaratra atsinanana fotsiny dia afaka manome angôvo hatramin'ny 75 gigawatt ho an'ny firenena. Ahafahako manao kajikajy tsotra izany: raha raisina fa afaka manome 1,350 megawatts (1 gigawatt = 1,000 megawatts, aoka hazava) ny Angra 3 ary ny saram-pandaniana hananganana azy dia US$ 8 miliara, dia tsy maintsy manangana 56 tahaka azy izany vao ampy, izany hoe mahatratra hatramin'ny US$ 450 miliara ny fandaniana, vao mahazo ny angovo mitovy amin'ny voalaza etsy ambony. Nefa dia mbola matoky tena ihany ry zareo fa lafo loatra ny angovo azo havaozina…

Amin'ny lafiny ilany kosa indray, Briguilino [pt] kosa mino fa fanaporofoana “fa hita aloha loatra ny mahatsinontsinona ny mpiaro ny tontolo iainana breziliana” ny fitakiana isan-karazany hahazoana ny fahazoan-dalana, ary eritreretiny fa dingana tsara ilay fanomezan-dalana:

De todo modo, a decisão é positiva para o país, desde que o radicalismo ambiental enxertado por Luiz Inácio Lula da Silva na Esplanada dos Ministérios não consiga interromper o andamento da obra, negando-lhe a licença de instalação. Aliás, é só do que se fala em Brasília: que o Ibama teria cedido agora para endurecer depois. Será?

Hitera-boka-tsoa ho an'ny firenena ny fanapahan-kevitra amin'ny lafiny rehetra, rehefa tsy mahasakana ny fandroson'ny asa ny fiarovana an-tendrony ny tontolo iainana ataon'i Luiz Inácio Lula da Silva any amin'ny Minisitera, te-hitsivalana amin'ny fahazoan-dalana. Raha ny marina dia miresaka an'io avokoa ny ao Brazilia: Moa ve hanamafy ny fanekeny ankehitriny ny IBAMA any aoriana any?

Nitsapa ny hevitry ny mpamaky azy amin'ity raharaha ity i Projeto Jogo Limpo [Tetikasa Lalao Madio, pt] . Namoaka ny lahatsoratra etsy ambany nalefan'ny Greenpeace Brazil tamin'ny alalan'ny imailaka ny mpamaham-bolongana sasany, mampirisika ny olona hitaraina mivantana amin'ny filohan'ny IBAMA:

Não deixe isso passar em branco! Você pode enviar um SMS (torpedo) e reclamar diretamente com Roberto Messias, presidente do Ibama, através do número: 061 9982-4409. Exerça o seu papel de cidadão, mostre sua indignação e cobre explicações do Governo Lula!

Aza avela handalo fotsiny io! Afaka mandefa SMS mitaraina mivantana amin'Atoa Roberto Messias, IBAMA's president ianao amin'ny alalan'ny laharam-pinday: 061 9982-4409. Ampiasao ny andraikitra mahaolom-pirenena anao ka asehoy ny fahatezeranao sy ny fitakiam-panazavana ilainao avy amin'ny fitondran'i Lula!

Antsoina hoe “Tonga ny Messiah hitondra filazandoza (vaovao mampalahelo)” ity hetsika ity ary efa nidina an-dalamben'i Brazilia renivohitra sy Rio de Janeiro. Hoy [pt] Ricardo Baitelo, mpanetsiketsika avy amin'ny Greenpeace Brasil :

“Aprovar o projeto de construção de Angra 3 é um retrocesso para o país e uma vergonha para o Ibama. Roberto Messias entra para a história como o homem que assinou a licença de um elefante branco radioativo, e Minc, opositor da energia nuclear, como o ministro que lavou as mãos para o fato”, lamentou Ricardo Baitelo, da campanha de energia do Greenpeace.

“Fiverenan-dalana ho an'ny firenena sy henatra ho an'ny IBAMA ny fanekana ny fananganana ny Angra 3. Niditra ao amin'ny tantara ho ilay nanasonia orinasan-taratra (mampidi-doza) nandaniam-bola nefa handamoka i Roberto Messias, ary i Minc kosa , ilay mpanohitra ny angôvo nokileary, no [Pilato] Minisitra  nanasa ny tanany [naotin'ny mpandika teny malagasy: afaka amin'ny ran'io lehilahy io aho, hoy i Pilato teo amanasana tanana] amin'ity raharaha ity”

Nalaina avy amin'ny hetsi-panoherana ny fananganana ny Angra 3 nokarakarain'ny Greenpeace Brazil tamin'ny 23 jolay ireo sary nalaina [jereo ny lahatsoratra nadika], rehefa nosoniavina ny fifanekem-piaraha-miasa. Sary nalain'ny Agência Brasil ireo ary ambany fifehezan-dalàn'ny Creative Commons licence.

Nanomboka tamin'ny taona 1984 ny fanorenana ny mpamokatra angôvo Nokileary fahatelo mameno ny dingana fahatelo farany amin'ny ozinina famokarana angôvo breziliana tokana saingy naato 22 taona taty aoriana rehefa nisedra olana ara-toe-karena goavana i Brezila. Efa novidiana tamin'ny taona 1995 ny kojakoja vaventy mandrafitra azy, ary andaniana 50 000 000 dôlara isan-taona ny fikojakojana azy. Toherin'ny mpandala ny tontolo iainana sy ny sarambambe amin'ny ankapobeny moa ity tetikasa ity.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.