Arabia Saodita: Harona mainty fitoeram-pako

Monina ao Arabia Saodita ilay Amerikana vavy Sabra … ary tsy maintsy manao toy ny vehivavy Saodiana rehetra rehefa hoe tsy maintsy misarona hatrany an-tampon-doha hatrany am-paladia raha hivoaka ny tranony.

Mikasika ny abaya, fisalobonana lehibe entin'ny vehivavy ao Arabia Saodita, dia hoy i Sabra:

Anaovako ny abaya-ko rehefa miala ny toeram-ponenana voatokana ho anay aho ka handeha hitselika hiantsena any amin'ny épicerie – izay azo lazaina fa hany fivoahana ataoko aty [voatery nanao azy koa aho iray na roa herinadnro lasa izay raha tsy maintsy nandeha tany an-tanàn-dehibe hitady santionan-doko]. Tsy raisiko mihitsy ho toy ny «fonja» izy io, nefa tsy dia deraiko loatra ihany koa, ary dia antsoiko hoe «harona mainty fitoeram-pako». Fitafy mahavàka saina tsy maintsy entin'ny vehivavy aty izy io noho ny tsindry apetraky ny fiaraha-monin-dehilahy mitady izay hifehezana azy ireo tanteraka sy ny fomba fijery kasikasin'izy ireo maneho mivandravandra tsy fahafehezan-tena amin'ny zavatra rehetra.

Ary mikasika ireo lehilahy kasikasy ireo, dia hoy i Sabra mitantara ity tranga mahatsikaiky ity amin'ny mpamaky azy :

Omaly tolakandro i Lee, ilay naman'i DH, dia tonga tao aminay. Niaraka tamina namana telo hafa, nandalo tao amin'ny dobo filomanosam- «pianakaviana» tao amin'ny fari-ponenanay izy [manana dobo filomanosana natokana ho an'ny lehilahy izahay, sy dobo filomanosana natokana ho an'ny vehivavy ary dobo filomanosana ho an'ny fianakaviana izay azon'ny lahy sy ny vavy aleha]. Hoy i Lee hoe nisy tovovavy tandrefana izany, nitapy andro nitafy bikini kely Billabong monja – izay ambara fa tsy azo atao raha ao amin'ny dobo filomanosan'ny mpianakavy, fa any amin'ny natokana ho an'ny vehivavy irery ihany. Nisy lehilahy avy eto amin'ny «tanàna», tanoranora ihany, nivoaka avy tao amin'ny trano fisoloan'akanjon'ny lehilahy ary tsy nahatàna ny «maso kasikasiny» tsy hijery no sady nandeha ihany, ary dia nitsingaona ambony ambany rehefa nifatratra tamin'ny dabilio ny ranjony izay vao nijanona. Nolazain'i Lee fa nataon'izy sy ireo namany izay nitànana ny hehin'izy ireo nanoloana izany fisehoana izany. Tsy naratra izy, fa rangotra vistivitsy noho ny simenitra fotsiny. Mino aho fa mba nidina zana-tohatra iray na roa ny fieboeboany, ary raha tsy izay, tokony ho izay e. Ny lesona tsoahina amin'ny tantara, mazava loatra, dia tsara ho azy ny nijery ny tany aloha (lalan-kizorany); ny fahitany tovovavy TSY nirakotra tanaty harona mainty fitoeram-pako dia tsy ariny loatra …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.