Shina : Ilay vola fahatsiarovana ny lalao olaimpika

Namoaka vola 10 Yuan (tokotokony ho 1.46) ho fahatsiarovana ny Lalao olaimpika any Beijing ho avy amin’ny volana ambony io ny Banky Foibe, People's Bank of China (PBOC na Bankim-bahoakan’i Shina). Raha mbola tsy mbola tonga eny ampelatanan’ny mpanangona azy akory ilay vola dia efa nanondro « fahadisoana » eo amin’ny saokan’ilay vola navoaka manokana sahady ny mpamaham-bolongana Naughty Lion (顽皮的狮子na Liona maditra), ary niteraka adihevitra vaovao teo amin’ny tontolon’ny serasera Shinoa:

央行于08年7月8日发行的第29届奥林匹克运动会纪念钞,是世界上第一张奥运题材的纸币,也是到目前为止发行量最少的纪念钞,仅为600万张. 各地销售火爆,很多人排了很久的队都没有买到. 目前市场价已飙升到50倍以上.
和大多数人比起来,我真是幸运多了. 早上很早去办公室,跟北美倒时差刚刚开完会, 打了电话银行,说楼下网点就有卖! 赶紧,冲进电梯,直奔银行营业厅…. 流了很多汗, 挤得很痛苦, 可是很高兴,很兴奋–兑换到一张!!
对照着央行的第11号公告,欣赏着这张奥运纪念钞, 精美, 很多新颖的防伪技术,比鸟巢不干胶邮票技术含量高多了!
可是我最终还是发现了一处严重的失误, 心里愤愤地, 相关设计人员就不能仔细点吗!

Ny vola taratasy ho fahatsiarovana ny lalao olaimpika faha-29 navoakan’ny banky foibe tamin’ny 8 jolay 2008 no vola voalohany indrindra manerantany miompana amina Lalao olaimpika, nefa dia vitsy indrindra ihany koa ny isam-bola navoaka, fa dia miisa 6 000 000 monja. Ifandrombahana tokoa izy ity manerana ny firenena hany ka maro no tsy nahavidy azy akory na dia nilahatra nandritra ny fotoana lava dia lava aza. Ankehitriny kosa (13 jolay) dia efa nidangana hatrany amin’ny 50 avo heny ny vidiny eny an-tsena.
.
Tena nanam-bintana tokoa aho raha miohatra amin’ny ankamaroan’ny olona. Nankany amin’ny biraoko aho hivory androany maraina amin’ny ora Amerikana tavaratra io. Avy eo, niantso tany amin'ny banky aho ka nandre fa efa mivarotra ilay vola taratasy ny banky any ambany rihana. Nankeny amin’ny solotohatra avy hatrany aho, nihazakazahaka ho eny efitra lehibe fandraharahan’ny banky … Faly sy nientanentana tokoa aho na dia nisefosefo sy voatositosika tanaty vahoaka aza – Nahazo iray aho ry zareo a!!
.
Araka ny filazana faha-11 navoakan’ny banky foibe, dia nahafatifaty ahy tokoa ity vola taratasy fahatsiarovana ity, mampilendalenda sy maneho fivoarana. Tsara noho ny hajian’ny Akanim-Borona manko ny haitao isorohana ny fanaovana hosoka nanaovana azy ity!
.
Saingy nahita fahadisoana goavana ihany aho. Tena mihantsy tokoa ilay izy. Tokony hitandrina kokoa ireo mpandalina ny haikanto!

纪念钞正面的背景图案'天坛'的坛顶, 去哪了?—- 跑到鸟巢下面去了!!! 太不应该的失误!!!! 看看实钞扫描件.

Jereo anie eo amin'ny saokan’ny vola. Aiza moa no misy ny Tempolin’ny Lanitra?—- Eo ambanin’ny Akanim-Borona!!! Tena tsy mety kosa io e!!!! Jereo tsara anie ny sary (jereo ao amin’ny lahatsoratra nadika).

再看看样钞,也是这样的失误。

Misy an’io tsy fetezana io ihany koa ny vola maodely (atao afisy ?).

另外还注意到发行总量为600万张,但这张样钞的编号却为第一千万零九. 实际发行量是不是有一千万呢?
以上有待进一步确认.
央行发行奥运纪念钞的第11号公告及样钞

Etsy ankilan’izany, soa ihany fa 6 000 000 ihany ny fitambaran’ny vola natonta, saingy ny laharan’ny vola maodely anie ka 10 000 009 e ! Tena efa nahatratra 10 000 000 tokoa ve ny vola naely ?
Mbola mila fanavazavana bebe kokoa ireo voalaza eo ambony ireo.


Novalian’ny fampahalalam-baovao lehibe bontana malaky tokoa ny fanamarihan’i Naughty Lion (Liona maditra), ary anisan’izany ny Masoivohom-baovao Xinhua, izay nilaza fa fanasarotan-javatra hanorisorenana fotsiny ny fanamarihan’ilay mpiserasera, ary dia namaly ihany koa ny sasany fa fomba fiarovana amin’ny hosoka ihany ilay « fahadisoana », nefa dia tsy nilaza na inona na inona momba io mihitsy filazalazana ofisialy momba ny vola.

Fa ny tena mahaliana, notakonan’ny blog.sohu.com, iray amin’ny Vavahady mampiantrano bolongana lehibe any Shina ny lahatsoratra voalohany navoakan’i Liona maditra, raha naka sary ny bolongany sy mitsikera ny « fitsongolohana antsipirianjavatra hitany » kosa ireo fampahalalam-baovao lehibe.
Amin’izao fotoana izao dialasa soratra tahaka izao no hita eo amin’ny lahatsoratra voalohany nosoratan’i Liona Maditra “Efa notakonana ny lahatsoratra”

Namoaka fanindroany ny lahatsorany manontolo ao amin’ny sohu blog izay tena nanintona i Naughty Lion (Liona maditra) ary mbola nijoro tamin’ny heviny hatrany ao amin’ny lahatsoratra hafa:

我昨天写博文< <奥运纪念钞惊现失误,很可能都是错币,待确定>>,指出奥运纪念钞正面背景图案'天坛'的坛顶跑到了鸟巢下面, 担心是一失误, 毕竟我们中国是第一次举办奥运会. 得到了大家的很大关注,很多媒体都作了转载,我切身体会到了大家对奥运的热情! 谢谢!
该博文被搜狐公司作了强制隐藏, 希望是暂时的.毕竟我是实话实说,也希望奥运钞没有失误.

Ny lahatsoratro Nivandravandra ny fahadisoana ao amin’ny vola ahatsiarovana ny lalao olaimpika; miandry fanazavana hatrany nosoratako omaly dia nanitrikitrika fa natonta tao ambanin’ny Akanim-Borona ny tampon’ny Tempolin’ny Lanitra hita eo amin’ny saokan’ny vola ahatsiarovana ny lalao olaimpika. Nanahy aho fa fahadisoana eo amin’ny fandravahana na haikanto io ; na izany aza sambany vao nandray ny lalao olaimpika i Shina. Nahafinaritra ahy tokoa fa liana tamin’izay nosoratako teto amin’ny bolongako ny olona sy ny fampahalala-baovao lehibe. Tsapako tokoa ny hafanamponareo amin’ny lalao olaimpika ! Mankasitraka tompoko !
.
Na dia notakonan’ny orinasa sohu aza ny lahatsoratro dia mino aho fa vonjimaika ihany izany. Na izany na tsy izany, nilaza ny marina aho ary antenaiko fa tsy manana olana ny vola fahatsiarovana ny lalao olaimpika.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.