Ghana: Kiana resaka medaily

Ghana Unite for Development (Ghana miray ho amin'ny fampandrosoana) no maneho hevitra amin'ilay raharaha niteraka adihevitra any an-toerana momba ny fividianana medaily volamena ka manao hoe Moa ve  tena mbola azo tohizana ny fitrandrahana volamena eto Ghana: “Zendana tanteraka aho raha namaky fa ny tetibidin'ny medaily volamena novidiana tamina mpivarotra firavaka iray tany Angiletera dia mahatratra  £740,000 (£1 mira 3 130Ar izany hoe maherin'ny 2,3 miliara Ariary) […] Mety ve ny hanohizantsika ny fitrandrahana volamena eto Ghana, amidintsika mora ny bolongam-bolamena avy eo dia vidiantsika lafo dia lafo tamin'ilay nividy tamintsika ihany”.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.