Egypta: Mirodana ireo tranobe

Zava-mahazatra eto Egypta ny lohateny vaventin’ireo gazety milaza fikorotsahana tranobe , ary koa ireo vatana mangatsiakan’ankizy sintonina avy any ambanin’ireny korontan-javatra ireny. Ibn Al Dunya, [anglisy], ao amin’ny blaogy Fustat, dia mitatitra ny zava-doza farany hatreto, izay namoizana ain’olona tsy manatsiny dimy.
Hoy ny mpitoraka blaogy manazava [anglisy]:

Tranobe iray no nirodana omaly hariva tao Mansoura, tanana iray ao amin’ny elodranon’i Nil. Olona dimy no maty, ary dimy hafa naratra, araka ny Mena, masoivohom-baovaom-panjakana egyptiana. […] Tranobe efa tranainy ahitana rihana telo izy io.

Nahoana no niseho izany? Ibn Al Dunya dia mandroso izao fanazavana manaraka izao :

Matetika loatra ny firodanan’ireny tranobe ireny, eto Egypta. Matetika, ampiana rihana iray na roa fanampiny nefa tsy nierana tamin’ny manam-pahefana akory, ary taon amaro no mifandimby izao vao miseho ny nafenina, miteraka famoizana aina toy ny tranga mitovy amin’ity indray mitoraka ity.

Fepetra fisorohana manao ahoana no misy mba hialana amin’ny zava-doza toy ireny? Dia hoy i Ibn Al Dunya hoe :

Tamin’ny 1996, nisy fepetra vaovao noraisina mba hamahana io olana io, saingy tsy nisy fiovana, na zara raha nisy. Ny pejy vao haingana amin’ity tantara mitohy mampalahelo ity, talohan’ilay omaly, dia nitranga tany Alexandrie tamin’ny desambra 2007, ka olona 35 no namoy ny ainy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.