Bahrein: Fanandratana ny vondrom-bolongana miteny arabo iray

Maro amin'ny mpamaham-bolongana any amin'ny tontolo  Arabo no mampiasa ny tahalam-bolongana miteny arabo tahaka ny  Jeeran sy ny Maktoob, hany ka nihoatra ny sisintanim-pirenena maro ny fivelaran'ny tontolony. Mpamaham-bolongana Bahrainita malaza iray, Shaima Al Watani, no mankalaza ny tsingerintaona voalohany nidirany tao amin'ny vondrom-piaraha-monin'ny mpamaham-bolongan’ i  Jeeran.

Shaima, izay manana ny bolongana antsoina hoe ‘Scattered clippings‘, no mampahatsiahy ny tantaran'ny nanombohany:

في مثل هذا اليوم من العام الماضي كانت بداية إنطلاق رحلتي في جيران .. هذه الرحلة التي دشنها لي زوجي وليد الذي قام بإفتتاح المدونة لي خلال شهر يونيو .. وبقيت المدونة خالية حتى قررت في اليوم الخامس من شهر يوليو أن أقوم بإنزال أول موضوع لي بعنوان ” شخصية الإنسان هل تتغير ؟” ، وهو موضوع قديم كتبته في أثناء دراستي الجامعية وقد أنتظرت لحظة بلحظة عدد زوار المقال في ذلك اليوم ..
ولم أجد تعليق يذكر على مقالي هذا .. ولكني تابعت إنزال المقالات إلى أن جاءني التعليق الأول من الأخت رباب أحمد من البحرين وكانت هذه هي البداية ..
Tamin'ny andro tahaka izao no nanombohako niara-dia tamin'ny Jeeran, tamin'ny herintaona. Ny vadiko Walled no nitarika ahy ho amin'ity dia ity, izay nanomboka ny bolongako tamin'ny volana jona. Babangoana izy mandra-pahatongan'ny 5 jolay nanapahako hevitra hamoahana lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “Ny toetra iavahan'ny olona…miova ve?” lahatsoratra taloha efa nosoratako tany amin'ny anjerimanontolo izy  io. Nojereko isan-tsegondra ny isan'ny olona nitsidika azy tamin'io andro io fa tsy nahazo fanehoan-kevitra aho tamin'io lahatsoratra io. Nanohy namoaka lahatsoratra ihany aho na dia izany aza mandra-pahatongan'ny hevitra napetraky Rabab Ahmed avy eto Bahrain ary dia teo no fiaingana.
جيران بالنسبة لي باتت المجتمع المصغر الذي يحوي كل ما تحويه المجتمعات الأخرى من خير وشر .. ومن صالح وطالح ..
ولذلك عاهدت نفسي أن أكون صريحة مع الجميع ومخلصة لهم بقدر إخلاصهم لي ،هي تجربة رائعة نلتقي من خلالها بأناس يختلفون في مستوياتهم الفكرية والإجتماعية وحتى الأخلاقية ..
Jeeran, aloha ho ahy teo, dia lasa vondro-piaraha-monina kely ahitana ny lafiny tsara sy ny lafiny ratsy tahaka ny fiaraha-monina hafa. Izay no antony nahatonga ahy hianiana fa ho tsotra sy hitandro ny fihavanana eo anatrehan'ny rehetra tahaka ny itandroan'izy ireo ny fihavanana amiko ihany koa, ary izany no fotoana nohararaotina hifankahitana tamina karazan'olona samihafa – hafa fahaizana, hasa saranga ary hafa toe-tsaina sy fomba fiaina mihitsy aza.

Misy ihany na dia izany aza ny olona nitranga teny an-dalana:

بعد شهر واحد من دخولي لعالم جيران تعرضت لموقف كاد أن يتسبب بإنسحابي من جيران حيث تعرضت لسرقة مقالين من مقالاتي وبعد مشادات ومداولات مع من قام بهذا الفعل شعرت بضرورة الإنسحاب ولكن قوتي التي اسعفتني على أرجاع حقي منعتني من ذلك وكان قراري بأن لا أسمح لأي كان أن يدفعني لهذا القرار وأنا على يقين بأني على حق فلست ممن يضعفون أمام أهل الباطل ويفسحوا لهم المجال ليعيثوا في الأرض الفساد .. وأدرك اليوم صحة قراري وأنا أرى الكثير من المدونات مهجورة بعد أن تطاول أصحابها على الآخرين بالشتم والإتهام والسرقة .
Iray volana taorian'ny nidirako tao amin'ny tontolon'ny Jeeran, dia nisedra olana saiky nahatonga ahy ho tafala rehefa nisy nandika (naka tahaka) ny lahatsoratro roa. Rehefa natao ny fampitahana syny adihevitra isan-karazany tamin'ilay mpamaham-bolongana nanao io, dia nahatsapa aho hoe aleo miala saingy ny nahatonga ahy hanohy ny dia kosa dia ny fiarovako ny zoko. Ny fanapahan-kevitro tamin'io fotoana io dia ny tsy hamela mihitsy ny hafa hanery ahy rehefa tsapako fa izaho no manana ny rariny. Tsy karazan'olona manaiky lembenana eo anatrehan'ny nanao fahadisoana aho ka hamela azy ireo hanohy ny tsy mety ataony. Tsapako ankehitriny ny fetezan'ny fanapahan-kevitra noraisiko rehefa nahita ny hamaroan'ireo bolongana nilaozana rehefa nompaina, nampangaina ary norobaina ny tompony.
من الأيام السيئة أيضا في جيران ذلك اليوم الذي أقتحم فيه أحد القراصنة لمدوناتنا مسبباً لي فراغ هائل دفعني لرفع نداء الإستغاثة لإدارة جيران بأن تنقذ مدوناتنا من أيدي القراصنة
Iray amin'ny fahatsiarovana ratsy ho ahy ihany koa nahitako ny bolongako voapiraty, ka nahatonga ahy hikoropaka sy hiantso ny tompon'andraikitry ny Jeeran hiaro ny bolonganay amin'ny piraty.

Saingy amin'ny ankapobeny dia nahafinaritra ny dia:

من إنجازات عامي الأول أني تربعت على عرش الترتيب لمدوني البحرين لمدة طويلة ووصلت إلى مراكز متقدمة في الترتيب العام لمدوني جيران، كما أن إدارة جيران قامت بإختيارعدد من مقالاتي لتكون من المقالات المختارة ، ولعل أهم الإنجازات هو تعريفي بأخوان أعزاء من شتى بقاع العالم العربي ، وتبادل الأفكار مع الآخرين
Anisan'ny fahombiazana azoko nandritra ny taom-pamahanam-bolongana voalohany dia ny fahitako fa nahatratra ny faratampon'ny filaharana nandritra ny fotoana maharitra aho. Anisan'ny mpamaham-bolongana be mpamaky indrindra manko aho ao amin'ny Jeeran. Nasongadin'ny Jeeran matetika manko ny maro amin'ny lahatsoratro. Fa ny tena fahombiazana lehibe indrindra azoko angamba dia ny fahalalako mpamaham-bolongana maro manerana ny tontolo Arabo sy ny fifanakalozan-kevitra natao tamin'izy ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.