India : Taham-pahaterahan'ny vavy mihoatra amin'ny lahy, iva indrindra hatrizay hatrizay

Pascale avy any Abu Dhabi [Fanjakana Arabo mitambatra] no manapariaka ao amin'ny Natifnatal ny tatitra nataon'ny ActionAid, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana [ONG, NGO] avy any Angletera, izay mampiharihary fa latsaka amin'izay iva indrindra hatrizay hatrizay ny taham-pahaterahan'ny vavy mihoatra amin'ny lahy any India ankehitriny :

Dans ce pays où tout le monde veut des garçons, l’avortement sélectif atteint en effet des proportions alarmantes.

Les “branches mortes”. C'est ainsi que sont appelées les petites Indiennes victimes d'avortements sélectifs. Un phénomène loin d'être anecdotique : alors que le ratio naturel devrait se situer à environ 950 filles par millier de garçons nés, il est aujourd'hui de seulement 927. D'après une étude publiée en 2006 dans le journal médical britannique The Lancet, il y aurait chaque année 500 000 avortements de fœtus féminin en Inde. Soit dix millions de filles éliminées depuis 1985…

Any amin'ity firenena izay samy maniry zazalahy ity avokoa ny rehetra, dia mahatratra taha mampihorokoditra ny fanalan-jazavavy.
Ireo “sampany maina.” Toy izany no iantsoana ireo zazavavy am-bohoka Indiana izay iharan'izany fanalan-jaza izany. Ary tsy zavtra mitranga tsindraindray ihany izao : raha 950 vavy hoan'ny lahy 1'000 ny taham-piterahana voa-janahary dia zara raha mahatratra 927 fotsiny izany ankehitriny Araky ny vokatry ny fanadihadiana izay navoaky ny The Lancet tamin'ny taona 2006, izay gazetim-pitsaboana Anglisy, dia heverina ho mahatratra 500'000 isan-taona ireo fanalan-jazavavy any India. Izany hoe heverina ho zazavavy 10 tapitrisa no ringana hatramin'ny taona 1985 tamin'ny alalan'izany fomba izany …

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.