Palestina : Nomena loka, avy eo nampijaliana ny mpanao gazety Mohammed Omer

I Mohammed Omer dia mpanao gazety mbola herotrerony avy o Rafah, any Gaza. Vao herinandro maromaro lasa izao dia nahazo ny loka “Martha Gellhorn Award” izy noho ny fanadihadiana nataony mikasika an'i Gaza, raha vao 24 taona monja. Tamin'ny fiverenany nefa dia notazomin'ny Shin Beit i Omer, ary tapak'andro taorian'io dia tao amin'ny fiara mpitondra marary izy no tazana. Nanaiky moa ny mana-pahefana ao Israely fa nampihato an'i Omer, saingy nambaran'izy ireo “fanondranana entana antsokosoko” no antony nihazomana azy ary ny ratra taminy dia vokatry ny “fianjerana” fotsiny. Nisy mpaka sary namoaka sarin'i Omer eo amin'ny fandriana ny amin'ny hopitaly, ny mpitoraka blaogy kosa naneho ny hatezeran'izy ireo.

Isan'ny naneho ny heviny voalohany i DesertPeace, naneho ny hatezerany noho ny havitsian'ny vaovao avoaka :

A week ago my dear friend and Brother, Mohammed Omer, was nearly beaten to DEATH and tortured by Israeli Security officers.

This week, two Palestinian children were killed in cold blood by Israeli forces. Eight others were wounded.

Did you read about any of the above in any reports issued by the Associated Press?

NO!

Herinandro lasa izay dia saika matin'ny daroka nataon'ireo mpitandro filaminana Isaeliana ny namana, rahalahy, Mohammed Omer.

Tamin'ity herinandro ity dia ankizy palestiana roa no novonoin'ny Israeliana. Valo hafa naratra.

Nahita vaovao mikasika ireo ve ianareo tao amin'ny Associated Press ?

Tsia !

Nanome rohy amin'ny horonam-peo mirakitra resadresaka nifanaovana tamin'i Omer koa moa izy.

Izao no navalin‘i David Baldinger ao amin'ny fametrahana hevitra :

Omer’s bravery is awesome. I could not have endured this treatment. Even though the abuse was bad enough, what is also sad is that this occurred after his days of happiness abroad. This is one of those stories we should not let die. There is no excuse or explanation that can justify what was done to Omer. Maybe some good will come from the bad. This illustrates that the Israeli government lies and can’t be expected to control its forces.

Tena mahafinaritra ny herin-tsain'i Omer. Raha izaho dia tsy nahazaka ny natao azy. Tena nampalahelo ny fanararaotana natao taminy, fa vao maika mampalahelo koa fa andro vitsy taorian'ny firavoravoany tany ivelany no nanaovana izany. Ny tantara tahaka itony dia tsy tokony avela ho fatifaty foana. Tsy misy fanazavana na fialana tsiny azo atao amin'ny natao an'i Omer. Misy fikasana tsara avy amin'ny ratsy angamba. Miharihary izao fa mandainga ny governemanta israeliana ary tsy azo antenaina mihitsy amin'ny fifehezana ny hery ananany.

Farany dia nanao fanamarihana mikasika ilay horonam-peo i Munich – and a little bit of everything :

Someone who listened to it said that this it is the most moving thing he has heard in a long time. It is Mohammed Omer speaking from his hospital bed to Nora Barrows-Friedman on Flashpoints on Pacifica Radio. She was in Palestine recently.

Man's inhumanity to man. You can only weep.

Nisy olona nihaino ilay horonam-peo nilaza efa ela izy izay tsy naheno zavatra nampihetsi-po tahaka io. I Mohammed Omer eo amin'ny fandriany any amin'ny hopitaly, miresaka amin'i Barrows-Friedman ao amin'ny Flashpoints ao amin'ny Pacifica Radio. Vao haingana izy no tany Palestina.

Fanitsahan'ny olona sasany ny maha-olona ny hafa. Ny ranomaso fotsiny no miraraka.

Misy fanangonan-tsonia ato, mba hisy zavatra atao manoloana izao raharaha izao.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.