Niara-niravoravo nohon'ny fahafahan-dRtoa Ingrid Betancourt ny faritry Amerika iray manontolo

Niara-niravoravo tamin'ny vahoaka Kôlômbiana ny faritry Amerika Atsimo [Latina] iray manontolo raha vao nahare ny vaovao fa Rtoa Ingrid Betancourt sy olona 14 hafa izay nalaina sy notazonina an-keriny no avotra. Rtoa Betancourt, teratany Amerikana 3 sy miaramila Kôlômbiana 11 no indray afaka taorian'ny andram-panavotana nampitondraina ny anarana teti-panorona hoe “Jaque.” Mpiblaogy avy amin'ny firenen-drehetra any Amerika Atsimo no indray miara-miravoravosy mizara ireo fihetseham-pony.

EkoateraCronica Cero manoratra ny lafiny fanoharana [icon, icône] mikasika an-dRtoa Betancourt :

LIBRE. Así, con mayúsculas. (…) Betancourt alcanzó una imagen mundial, universal. (…) Abrimos periódico con ella y nos regocijamos con su liberación, nos hermanamos con los colombianos, con aquellos que buscan la paz antes que la confrontación. Betancourt es un ícono de la lucha contra el secuestro. Hoy, Colombia amanece diferente. Creo que el mundo, el que se relacionó y conmovió con su historia, también

AFAKA. Amin'ny sorabaventy ohatr'izao. (…) Nanjary fanoharana manerana izao tontolo izao Rtoa Betancourt. (…) Nosokafanay ny gazety dia hitanay ny fahafahany, miombom-pifaliana amin'ireo rahalahy sy anabavy Kôlômbiana izahay, ireo indrindra izay nikatsaka ny fandriam-pahalemana talohan'ny fifanoherana. Fanoharana mikasika izay ny ady amin'ny fakana olona an-keriny Rtoa Betancourt ankehitriny. Nifoha amin'ny rivotra vaovao ry zareo Kôlômbiana androany. Ary heveriko ho toy izany koa izao tontolo izao, izay nitatitra ny tantarany sy tohin'izany.

BoliviaCarlos Gustavo Machicado Salas avy ao amin'ny Guccio's kosa mamakafaka ny fanambarana izay nataon-dRtoa Betancourt dieny izy afaka :

para mi lo más importante es el mensaje de amor y perdón que nos dio Ingrid, que rezo por los muertos y por los guerrilleros y además les ofreció su perdón. Después de las penurias y los maltratos que tuvo que vivir uno pensaría que solo tendría odio y rencor en su alma, pero no al contrario irradia una paz espiritual y un apego a Dios increíble. Realmente algo muy lindo y que a todos nos debería hacer reflexionar en relación a cual debe ser nuestra actitud frente a la vida.

raha ny amiko manokana dia ny fitoriana fitiavana sy famelan-keloka nataon'i Ingrid no lehibe indrindra, ny nilazany fa mivavaka hoan'ireo rehetra nodimandry sy ireo mpiada anaty akata izy, sy ny namotsorany sahady ny helok'izy ireo. Taorian'ny fahasarotana sy ny herisetra izay nosedrainy, dia mety ho nihevitra isika fa fankahalàna sy lolom-po no nameno ny fanahiny, mifanohitra tamin'izany anefa, fahatoniana ara-panahy sy fifikirana mafy mahagaga amin'Andriamanitra, no taratra mamiratra avy ao aminy. Tena zavatra mahagaga loatra izay tokony hisarika antsika tsirairay handini-tena mihitsy izao.

ArzantinaMarian B ao amin'ny Miscellaneous, Nonsensical and Unnecessary Ramblings koa dia manindry mikasika ny fanambaran-dRtoaBetancourt :

Estoy escuchando su discurso en el aeropuerto y le tengo envidia a los colombianos por contar nuevamente con una política excelente, excepcional e
increíble como ella. A Colombia le va a ir increíblemente bien si se presenta para las elecciones y la eligen.

Eo am-pihainoana ny kabariny eto amin'ny seranam-piaramanidina aho dia velom-paniriana ireo Kôlômbiana aho ny ahafahany indray miantehitra amina pôlitisiana tsara sy tokana an-tany ary mahatsikaiky toa azy. Tombotsoa lehibe hoan'i Kôlômbia mihitsy raha toa ka mirotsaka ho kandida sy voafidy amin'ny fifidianana filoham-pirenena manaraka izy.

GatemalàPrensa Negra ravo satria tsy nisy nidiran'ny filoham-pirenena Venezoelana Hugo Chávez ity fanavotana ity :

Se logro el rescate de Betancourt, sin duda alguna, el secuestro mas controversial de los ultimos años de las FARC, y lo mejor de todo sin la ayuda de Chavez por que si hubiera tenido algo que ver con esto quien le oyera la trompa ahora al pizado!.

Tsy misy fihambahambana fa ny fanavotana an-dRtoa Betancourt, vokatry ny fakana an-keriny nataon'ny mpiady anaty akatan'ny FARC no niteraka adihevitra indrindra nandritra izay taona maro lasa izay. Ary mahafinaritra fa tanteraka tsy nisy nitsofotsofohan'i Hugo Chavez izany, raha tsy izany dia efa nieboebo indray eran'izao tontolo izao ny lehilahy !

PeròMenoscanas mikasika izay mety ho fiantraikan'izany amin'ny vondron-tafika mpiady anaty akatan'ny FARC :

Sonrisas de los ex rehenes evidencian uno de los golpes más duros a las FARC debido a que todos los ojos del mundo se encuentran sobre Colombia en este momento. El caso de Ingrid Betancourt es el más reconocido y las sonrisas y abrazos entre los ex rehenes y el reencuentro con sus seres queridos nos muestra como luego de largas pesadillas, uno puede despertar.

Ny tsikitsiky mandravaka ny tavan'ireo olona nohafahana dia mampiharihary fa isan'izay fahavoazana lehibe indrindra nosedrain'ny vondron-tafika mpiady anaty akata FARC hatramin'izay izy ity nohon'ny mason'izao tontolo izao izay voasarika hijery ny zava-misy any Kôlômbia. Ny ohatry Rtoa Ingrid Betancourt no isan'izay mazava indrindra ary ireo tsikitsiky sy orokoroka izay ifampizaran'ireo olona voatana an-keriny nohafahana sy ireo fianakavian'ny tsirairay dia mampiseho fa afaka taitra amin'ny torimaso ihany, na dia tao aorian'ny nofiratsy maharitra aza.

Diana Zorrilla of Morena Escribe [es] writes:

Ella se convirtió en el ícono del flagelo que han infligido las FARC al pueblo colombiano y su liberación junto con la de los otros catorce es una importante victoria moral para Colombia

Nanjary fanoharana mikasika ny kapoka karavasy izay nataon'ny FARC ny vahoakan'i Kôlômbia Rtoa Ingrid Betancourt, ary ny fanafahana azy sy ireo olona 14 hafa mpiray fakana an-keriny taminy dia fandresena ara-môraly lehibe hoan'i Kôlômbia.

ParagoayEdwin Britez ao amin'ny Derecho Viejo [es] wrote about Betancourt earlier in December, and returns with the good news spread throughout the country:

Me reconforta saber que hoy mucha gente salió a las calles de Asunción, por lo menos a expresar su contento con bocinazos, por la libertad de Ingrid. Muchas de ellas son mujeres. Hoy, todos somos de alguna manera, un poco más libres que antes.

Nankaheritena ahy ny nahita fa nohon'ny fanafahana an-dRtoa Ingrid Betancourt, dia mponina maro no nivoaka tany an-dalambe mba hanambara ny hafaliany amin'ny alalan'ny fampandrenesan'ny fiarakodia. Vehivavy ny maro tamin'izy ireny. Azo ambara fa androany, dia mihoatra ny omaly ny fahafahantsika tsirairay.

Sary tapaka nindramina tamin'i Pixiduc

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.