Shhh… Nisokatra ny vovonàna 2008-n'ny Global Voices Citizen Media

Raha somary nangingina ny sehatry ny Global Voices izay “indroandroa andro” lasa izay dia satria notaterinay aty Bodàpestà, Hôngria ny 80 amin'ireo mpandrindra, mpanoratra sy mpandikateny hanatrika ny vovonàna miaksika ny fahalalaham-pitenenana, ny fijoroana vaolombelon'ny tsirairay [citizen media, médias citoyens] ary izay toeran'ny vohikala Global Voices amin'ny ireo taona ho avy ireo. Afaka arahinareo mivantana ao amin'ny webcast, sy liveblog, sy Twitter, ary andian-tsary. Vangio ny vohikalan'izany vovonàna izany ahafantaranao izay fomba anaovana izany.

Mpiblaogin'ny mpandray anjara anivon'ny Global Voices izay niara-niasa an-tendrilavitra [virtual, virtuel] nandritra ny herintaona mahery no voalohany hifanatri-tava ankehitriny. Fivoriana misokatra hoan'ny daholobe izay nahasarika mpandray anjara tsy latsaky ny 200 avy amin'ny kôntinanta rehetra, ao anatin'izany mpanao gazety mihoatry ny 25 avy amin'ireo fantsona fampahalalam-baovao vaventy. Misaotra anareo tonga nanatrika aty Bodàpestà, isaorana koa ianareo manaraka avy lavitra any.

Global Voices Citizen Media Summit 2008 in Budapest


Topimaso ny trano fivoriambe rehefa nadiva hifarana ny andro voalohany. Nalain'i Neha Viswanathan

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.