Rosìa : “Revôlision'ny kitra”

Tena alin-dìa [bibidìa] sady tsy natoriana mihitsy tany Rosìa, taorian'ny fandresen'ny ekipa nasionaly ny Hôlandey 3-1 sy ny fahazahoany hiatrika ny lalao manasa-dàlana. Nahatratra 50'000 ireo olona nidina teny an-dalamben'i Môskoa, nankalaza ity fandresena izay tsy nantenaina intsony – ary fanehoam-piravoravoana toy izany no saiky hita niredareda eran'ireo tanana Rosìana maro.

vero4ka mpampiasa LJ no mitatitra (RUS) izay zava-nitranga tao Môskoa ny alin'ny 21 Jona hifoha 22 Jona :

Mitanjaka i Môskoa, mamo tanteraka, mirakotra vaki-tavoahangy; nogontana avy tamin'ireo trano fanakalozam-bola rehetra ireo izay mety ho isa “3″ sy “1″ […].

[…]

Nakatona [ny làlana Tverskaya St.], mandry eny ambonin'ireo kapô sy tafon'ireo fiarakodia ireo tovovavy, tafihin'ny vahoaka ireo fanariam-pako efa foana sy ireo fiara vaventy mpanangona fako, mitsofoka ao anatiny, midaroka azy toy ny amponga, sady mikiakiaka; mitanjaka avokoa ry zalahy, tsara bika ny sasantsany amin'izy ireny; manala ny tapany ambony amin'ny akanjony ireo tovovavy amin'ny trottoir dia mandehandeha tratra mitanjaka; samy somebisebin'ny hafaliana avokoa ny rehetra, mifampisakambina, mifanorokoroka, mamihina izay olona rehetra tsy fantatra izao na mpandeha izany na mpamily fiarakodia izay sendra mandalo; tsy mbola nisy tahaka ity mihitsy hatrizay hatrizay, nivadika helo ny lalàm-pifamoivoizana, nanomboka ny hagaigen'ny lalambe, miara-mihira ny hiram-pirenena ny rehetra, ny tsangambato fahatsiarovana an'i [Aleksandr Pushkin ao amin'ny kianja malalaky Pushkin Sq.] dia notafiana fehi-tendan'ny mpanohana kitra, olo-maro mirongo sainam-pirenena no eo ambonin'ny tsangambaton'i [Vladimir Mayakovsky ao amin'ny kianja malalaky Triumphalnaya Sq.]; raha sitrak'Andriamanitra, ka mandrombaka ny amboaran'ny firenena izay ho tompon-dakan'i Eôrôpa ity izahay, dia hisy Revôlisiona mihitsy – hirohotra toyny tondra-drano any amin'ny lapan'ny filoham-pirenena any Kremlin ny vahoaka, ka hanongotra izato bitika sady mamo [filoham-pirenena Dmitry Medvedev], ka hemtraka olon-kafa eo amin'ny toerany, amin'izay fomba tsy ampoizina akory dia hifoha anivon'ny firenena hafa vaovao izahay nony maraina.

Inona koa anefa no mba haintsika ankalazaina miaraka ? Ny taom-baovao ve ? Ny fetin'ny asa ve ? 22 taona aho ankehitriny ary izao aho vao mba nahita ny mpiray tanindrazana amiko lasa adala nohon'ny hafaliana diso tafahoatra; tsy misy tafajoro intsony ireo olona manodidina rehetra, eny nadia ireo mpandio arabe [sy ireo mpila ravinahitra mpihavy] aza; sarotra inoana hoe ao an-tananako no itrangan'izany, ohatry ny hoe misy olona [any ho any] manodina sari-mihetsika izany [fa tsy tena izy izao iainako izao] […]

Maximkalinov mpampiasa LJ no nanapariaka andian-tsarin'ny firavoravoana tany an-tanana'iTver any Rosìa; “Revôlision'ny kitra” no lohateny nomeny ny lahatsorany.

Mnog mpampiasa LJ dia nandany ny aliny manontolo mba hakana rakitra an-tsary ny ivo-tanana'i Môskoa. Ny vokatr'izany dia ity lahatsoratra ahitana sary aman-jatony ity – sy hafatra (RUS) mihoatry ny zato manoiny izany, indro atolotra etsy ambany ny dikanteny amin'ny sasany amin'izy ireny:

hoytrendybrandy :

Ôadray sana’, toa misy churki [fanabatibatiana ireo izay tsy mba Slava na Slave, Slav] isak'izay sary roa ! Akory izato [mampihoro-koditra] ao anivon'i Môskoa. Amin'izay indray churki marobe anefa ny ekipam-pirenena Rosìana no mandresy. Dia akory izay hitranga raha mankalaza zavatra mikasika azy manokana ry zareo ireo ?! Tsy dia hikorontana tanteraka ve […]. Tsy azo ambara hoe Rosìana intsony i Môskoa … aefa dia io no lazaina fa renivohitr'i Rosìa. […]

mnog:

Misy olona samihafa fihaviana maro monin any “megapolis” [tanana trozona]. Raha arak'io fomba fijerinao io dia aleo ianao monina any ambanivohitra any.

***

kolengro:

Aorian'ny raha toy itony ve dia mbola ho sahy manakana ny filaharana kasain'ireo mpifankatia mpitovy fanananahana ihany ?

***

algulya:

Tena maheri-fo ianao, raha izaho aloha dia tsy mba ho sahy naka sary toy itony e.

***

nice_scream:

Sady tena maro jôba [tovovavy meva] koa amin'iazy )))))

Nony maraina, kotjus_sova mpampiasa LJ dia naka sary vitsivitsy taorian'ny fankalazana sady nanapariaka ireny ao amin'ny moya_moskva [Ny Môskoako] izay voizin'ireo rehetra mpampiasa LJ : Alahady maraina 10:30, kianja malalaky Shipilovskaya St. any Môskoa, vakin-tavoahangin-dabiera marobe.

Nanontany ny mpamaky iray (RUS): “Fa nisy inona e ? nisy fiarabe mirongo labiera nivadika angaha ?”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.