Nizeria : Tsy nitsetsitra izay haren'i Nizeria izany i Abacha

Grandiose Parlor [Malama vava] no manontany tena raha nitsetsitra izay haren'i Nizeria i Abacha ? [filoham-pirenena taloha] :

How I wish I wielded some supernatural power! How I would have dealt with these three men – Mohammadu Buhari, Ibrahim Babangida, and Abdulsalami Abubakar! Thanks to those three, I learnt something new today: Contrary to what Nigerians have been told and read in the media, the late General Sani Abacha did not loot the treasury after all! The allegations against Abacha are baseless, and nothing but rumors!

Yes, this is the truth, according to Buhari, Babangida, and Abubakar – the ‘three wisest men’ in Nigeria.

Even though there are several instances when ‘eminent individuals’ have stood up to re-engineer the past, and rewrite history, but those occasions do not compare to this: Proclaiming a man that can be described as the indisputable greatest tyrant in Nigerian history, a national hero!

By their statements, Babangida, Buhari and Abubakar have each slapped me and every other Nigerian in the face. They have also spat in our eyes! And there is nothing we can do about it!

“Injay ange aho ka mba nanana hery manokana [toy ny fahita amin'ny boky sariitatra na sarimihetsika ohatra an-dry Superman] fa tena nataoko mahamay mihitsy izy telo lahy : i Mohammadu Buhari, sy i Ibrahim Babangida ary i Abdulsalami Abubakar ! [Na dia izany aza] isaorako izy telo lahy fa misy lesona vaovao nianarako androany : tsy arak'izay nambara tamin'ireo Nizeriana sy napariaka ombieny ombieny tamin'ny fantsona fampahalalam-baovao fa hay tsy nitsetsitra ny vahoaka Nizeriana akory ny Jeneraly [sady filoham-pirenena] Sani Abacha ! Honohono sy tondro-tondro molotra ihany fa tsy misy izay fototra marina kory ny mikasika ity raharaha ity !”
Marina e, izany mihitsy hono no teny izy raha araky ny filazan'i Buhari, sy i Babangida, ary i Abubakar – izay “lehilahy telo hendry indrindra” any Nizeria […]”
Na dia misy hatrany aza ireo “olona mahay noho ny sasany” izay nihevitra ny hamboaboatra ny lasa sy hanoratra fanindroany hanova ny tantara, ireny rehetra ireny dia tsy mbola nisy maharesy ity indray mitoraka ity : fanambarana fa ilay lehilahy izay azo ambara tsy ampihambahambana fa izy no mpitondra jadona lehibe indrindra tamin'ireo izay nitondra an'i Nizeria, ho maherifon'ny firenena ! ”
Tena nofelahin'i Buhari, sy i Babangida, ary i Abubakar tehamaina tamin'ny alalan'izao fanambarana izao izahay sy ireo Nizeriana rehetra [mpiray tanindrazana aminay]. Sady mbola nororain'izy ireo koa ny masonay ! Anefa dia tsy misy azonao avaly izany akory !”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.