Meksikô : fitarainan'ny mponina amin'ny fampiasana ny taniny any Copala

Any Copala [en], tanana atsimon'i Acapulco ao amin'ny faritanin'i Guerrero any Mexico no nakana ity horonan-tsary ity, miampanga ny nangalan'ny ben'ny tanana [President of Municipal] Gonzalo Gallardo Garcia, mpikambana ao amin'ny antoko Green Ecological [es] ny tanin'i Isabel Pisa sy Fabiola Abarca. Valan-java-boaary natao hiompiana voay moa no nolazaina hoe hampiasana ny tany, saingy hita amin'ny sary nasehon'i Isabel Pisa, izay ramatoa manano-tena ary manan-janaka efatra, fa trano fisakafoanana sy toeram-pilomanosana no naorina ao an-toerana. Io ambany io ny horonan-tsary napetraky Denuncia Copala ao amin'ny Youtube, ary nampaina ny fanazavana an-tsoratra tao amin'ny Overstream. Nanahirana ahy ny nahazo ny lazain-dRamatoa Isabel eo amin'ny minitra voalohany : raha misy manana soso-kevitra dia mametra hevitra mba hahafahako manitsy azy.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.