Zimbaboe : Fisamborana an'i Morgan Tsvangirai

Hope no manapariaka ao amin'ny This is Zimbabwe ny vaovao mikasika ny fisamboran'ny Pôlisy ny lehiben'ny antoko mpanohitra sady mpifaninana amin'i Robert Mugabe amin'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana filoham-pirenena any Zimbaboe :

We believe that Morgan Tsvangirai is currently being detained in Lupane Police Station. Please call the police station and alert them to the fact that the world is watching […]

President Tsvangirai, Vice President Thokozani Khupe, National Chairman,Lovemore Moyo and other leaders of the MDC, who had been unlawful detained for nine hours by police and members of the Central Intelligence Organisation at Lupane police station have just been released […]

Mr Mugabe is currently attending a UN-sponsored summit on the global food crisis in Rome, where he blamed Western sanctions for Zimbabwe’s economic woes.

“Heverinay fa nosamborina ary tanàna any amin'ny tobin'ny Pôlisy any Lupane i Morgan Tsvangirai. Azafady mba antsoy an-tariby ny Pôlisy ary ilazao fa mifantoka any amin-dry zareo ny mason'izao tontolo izao […]”
Navotsitra ny filoha Tsvangirai, sy ny filoha lefitra Thokozani Khupe, ny filoha Nasionaly Lovemore Moyo sy ireo hafa mpitarika ny antoko mpanohitra MDC [Movement for Democratic Change | Hetsika hoan'ny fiovana Demôkratika], izay notanàn'ny Pôlisy sy ny sampana fitsikilovana Central Intelligence Organisation, tamin'ny fomba tsy ara-dalàna, nandritra ny ora 9 tany amin'ny tobin'ny Pôlisy any Lupane.”
Eo am-panatrehana ny fivoriambe mikasika ny tsy fahampian-tsakafo eran-tany izay voizin'ny ny Firenena Mikambana any Rôma ingahy Mugabe ankehitriny, izay miampanga ny fahirano ara-ekônomika nataon'ireo Tandrefana ho loharanon'ny fijalian'i Zimbaboe.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.