Nikaragoa : Fanaraha-maso akaiky ny tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola madinika”

Nandritra ny fandaharana “Esta Semana” [Ity herinandro ity] izay fandaharana fampahalalam-baovao maharitra 60 minitra mpandeha amin'ny fahitalavitra any Nikaragoa, nisy tatitra sy fanadihadiana ny mikasika ny fomba fanao manodidina ny Usura Cero (zanabola aotra) izay tetikasam-panjakana mivoy “fampindramam-bola kely” hoan'ireo vehivavy izay mpandraharaha “madinika”.

Naren Mayorga no mamintina ao amin'ny ¿Y ahora de que vamos a hablar? [Rahoviana isika izany vao mba handray fitenenana ?] izay vokatra efa nentin'ity tetikasa izay ambany fifehezana henjan'ny fanjakana nikaragoana ity:

Lo poco que se sabe del mismo es que se ofrecen crédito por el rango de C$1,000 a C$5,000 a comerciantes mujeres urbanos bajo la metodología de Grupos solidarios y con tasas de interés subsidiadas que ronda el 4% anual con un périodo de gracia de varia de 2 a 6 meses según el monto prestado y que en su administración participan distintas organizaciones e instituciones del estado

Izay kely mba fantatra momba ity dia ny fampindramam-bola mitentina $1'000-$5'000 C hoan'ireo vehivavy mpivarotra monina an-tanana, araky ny fomba fiasa manentana azy ireo hivondrona sy hiray hina izay arahina zana-bola iva 4 % izay tohanan'ny fanjakana sady ampian'ny tsy fandoavana zanabola mandritra ireo 2-6 volana voalohany miankina amin'ny habetsahan'ireo vola indramina sy ireo sampandraharaha sy biraom-panjakana samihafa mandray anjara amin'izany tetikasa izany.

Ho fanampin'izany, tsy ny fahadisoan'ny tatitry'ireo mpanao gazety ihany no hitsian'ity blaogy ity fa na izay fanambaran'ny talen'izany tetikasa izany koa aza.

…En una entrevista que le hicieron a la encargada del Usura Cero en uno de los medios de comunicación afines al gobierno mencionó que el programa era todo un éxito por que se estaba logrando la recuperación de más del 70% de los montos prestados. Para que un programa de este tipo sea viable debe de tener una tasa de recuperación mayor al 90% menos que eso está condenado al fracaso o subsistir mediante la inyección de fondos del erario público o bien mediante préstamos o donaciones de otros países (como es el caso del usura cero).

… tamin'ny tafatafa nataon'ny tompon'andraikitry ny governemanta misahana ny tetikasa Usura Cero (zanabola aotra), nambaran-dRamatoa fa tena fahombiazana tanteraka ity tetikasa ity satria tafakatra taha-70% ny famerenam-bolan'ireo mpindram-bola. Anefa amin'ny tetikasa toy itony, mila mahatratra taham-pamerenam-bola 90% mba hialana amin'ny fatiantoka manambana raha tsy izany dia ho voa-ozona ny hiantehatra hatrany amin'ny tolo-bolam-panjakana na koa fanomezana avy any amin'ny firenena vahiny.

Manasa anao hamaky ireo hevitra 6 hafa izay atolotry Naren etoana … 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.