Bahrain : “Fahirano” atao ireo teratany Bangladeshy

Taorian'ny nitrangan'ny loza andro vitsy izay, izay namonoan'olona ity teratany Bahrainy iray nohon'ny fandavany handoa ireo fanampin-karama 500 fils (1.3 USD) izay notakian'ity Mekanisiana teratany Bangladeshy iray tamin'ny asa notanterahiny, dia nahanton'ny fanjakan'i Bahrain ny fanomezana fahazahoan-dalàna miasa hoan'ny teratany Bangladeshy rehetra. Misy aza vondrona Solombavam-bahoaka izay miketrika ny hanolorana tolo-dalàna mba hodinihin'ny Antenimieram-pirenena, mba ahafahana mandroaka ireo mpila ravinahitra teratany Bangladeshy rehetra [miasa any Bahrain], izay heverina ho mahatratra 90'000 any ho any, noho ny fiampangana azy ireo ho nahavita ‘heloka bevava sady manafintohina‘ maro lavitra noho ireo andian-teratany vahiny hafa.

Tsy mba mihotso-volomaso ny mpiblaogy Mahmood manoloana izany jadon-tongotra izany, hoy indrindra izy:

There are a few things that suggest that our society is in a desperate state. The indicators are probably best exemplified by the exclusionary standards our parliamentarians and their electorate take. Both are quick to condemn whole peoples, nations and even civilizations due to isolated incidents without taking one second to reflect on our own shortcomings and our non-exclusive ownership of basic human values. […]

If you talk to Bahrainis fortunate enough to have lived in the 70s and before, they will categorically tell you that they have never experienced anything like this, they will confirm that they didn’t give their neighbour’s race or religion much importance. They will further tell you that they habitually interacted with each other in various ways; they visited, conducted business and even fought the British occupation together by forming and maintaining a cohesive multi-cultural front that crossed confessional divides. The common denominator was their Bahraininess which surpassed every other consideration. They celebrated their differences, rather than diligently work at finding the chinks to exploit in each others’ armor.

The stark contrast between that era and now could not be more evident. What we now have is an acutely insular society with impenetrable walls propped up by suspicion and hatred of the other. This “us and them” atmosphere is condoned by the government – regardless of how many denials we hear from their higher echelons – evidenced by the selective employment policies, the conditional awards of constitutionally guaranteed citizen benefits and the disparity in economic circumstance […]

Let us remind them that their role is to ameliorate differences and protect the national unity, and not diligently and wantonly work at exacerbating them. The demand to expel and ban Bangladeshis because of the unfortunate result of a single person’s moment of anger is tantamount to our agreement to the entrenchment and even encoding xenophobia as our main Bahraini trait.

Misy famantarana vitsivitsy izay toa maneho fa ambavahaona ny fiaraha-monintsika. Ireo fambara izay tena mazava angamba dia ny elanelana misy manelanelana ireo mpisolovavambahoakantsika amintsika vahoaka izay mifidy azy ireny. Samy mavitrika amin'ny fanamelohana ny mpiray tanindrazana manontolo izy roroa, eny manameloka ny firenena aza, ny fomban-drazana nolovain'izy ireny noho izay loza tokana nitranga, tsy misy fiheverantena akory na dia kely aza mikasika izay mety ho tsy-fahatanterahantsika manokana sy izay tsy maha-tokana antsika amin'ny famaritana izay atao hoe zo fototra hoan'ny olombelona […]
Raha mitafa amin'ny mpnona Bahrainy izay manam-bitana ka nanatri-maso ireo taona manodidina ny 1970 sy talohan'izany ianareo, dia ho hantitranteriny mafy aminareo fa tsy mbola niaina zavatra toy izao mihitsy ry zareo, hambarany fa tsy mba nanome lanja be toy izao izay mety ho fihaviana na fomba fivavahan'ireo mpiara-monina aminy izy ireo. [Izay mifanohitra amin'izany aza no] hambarany aminareo fa nahazatra azy ireo ny mifandray amin'ireo vahiny mpiara-monina ireo amin'ny fomba samihafa; mifamangy mifampiditra an-trano, miara-mientana ary niara-nanohitra ny fanjanahantanin'ny Anglisy tamin'ny alalan'ny famoronana fiaraha-monina mafy ahitana fihaviana maro samihafa sy foto-pivavahana samihafa. Izay nitoviziazan'izy ireo dia ny maha-Bahrany azy izay mihevitra ankoatry izay fizarazarana madinidinika mety nipetraka. Ny fankalazana ny fahasihafan-dry zareo no nataony fa tsy ny fikarohana izay mety ho fahalemen'ny fiarovana izay mandrakotra ny mpiara-monina aminy.
Tsy misy fifangarihana mazava kokoa noho izay fahasamihafana mipetraka amin'izay ianantsika izao sy izay nisy tamin'izany fotoana izany angamba. Izay fiaraha-monina iainantsika izao dia mitsitokotoko ery toa nosy elanelanin'ny ranomasin'ny fiheverana ny hafa ho mihevi-dratsy sy ny fankahalana. Ity fomba fijery “izahay sy ry zareo” ity dia ataon'ny fanjakana odian-tsy hita – na manao akory hamaron'ny fandavana izay mety ho rentsika avy amin'ny ambaratonga ambony –  porofon'izany ny pôlitika fanavakavahana izay mifehy ny asa, na koa ny fametrahana fepetra mialoha ny fanekena izay tokony ho fiarovana malalaka izay harinkaren'ny tsirairay ary ny fampiharana lalàna samihafa miankina amin'izay fivoatry ny toe-draharaha Ekônômika […]
Aoka isika hampahatsiahy azy ireo fa ny andraikitra [voalohan’]ny fanjakana dia ny hampihena ny fahasamihafana misy sy ny fiarovana ny firaisam-pirenena, fa tsy [ny mifanohitra amin'izany dia] ny miezaka hampivandravandra azy ireo [fahasamihafana misy]. Izay fangatahana ny handroahana sy fanaovana fahirano ireo teratany Bangladeshy rehetra nohon'ny heloka mampalahelo izay nateraky  ny haromotan'ny iray ny amin'izy ireo, dia toa fanekentsika sahady ny fankahalana ireo vahiny mpiavy milaravinahitra ho isan'ny toe-tsaina fototry ny mponina Bahrainy

Manoina izany i Reeshiez raha nametraka hafatra:

This is the most ridiculous thing that I’ve heard and is blatant racial discrimination. I can’t believe our government did this and that many people support this law. You can’t punish an entire nation for isolated incidents by their citizens. How would bahrainis feel if all arabs were banned from coming to the US because a random Bahraini killed an American citizen? I am completely disgusted.

Tsy mbola nandre hadalana toy izany mihitsy aho sady tena fanavakavahana ampahibemaso mihitsy. Ohatry ny tsy mampino hoe nanao izanyny governemantantsika sy hoe tohanan'ny olona maro izany lalàna izany. Tsy tokony anasaziana mponin'ny firenena iray manontolo ny heloky ny olona tokana monja. Mba hanao akory izay fihevitry ny Bahrainy raha raràna tsy mahazo miditra any Zamerika daholo ry zareo noho izay Bahrainy iray namono Amerikana ? Tena maharikoriko ahy mihitsy izany.

 

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.