Afrika Atsimo : Vonona hiatrika ny 2010 ve i Afrika Atsimo, izay mankahala mpiavy ?

Vonona hiatrika ny 2010 ve i Afrika Atsimo, izay mankahala mpiavy ?“, hoy i Bomseh, mpitoraka blaogy avy any Kenya – monina ao Afrika Atsimo. “Manaitra ary toa tsy mampino ny mahita ny fivoaran'ny fanafihana ireo vahiny ao Johannesburg sy ny faritra manodidina ao amin'ny faritanin'i Gauteng. Mihanaka tahaka ny doro tanety ny habibiana vokatry ny fankahalana, tahaka ny nitranga tao Kenya tsy ela akory izay ; amin'izao fotoana izao dia mananika ny 100 ireo mpiavy maty noho io korontana io, anjatony hafa no naratra ary maro no nifindra toerana.”

3 hevitra

  • Tsy i Afrika Atsimo irery no mankahala mpihavy.
    I Japana koa dia tena mankahala mpihavy.

    Raha ny zava-niseho tany Etazonia sy ny any Eoropa no jerena, dia samy miaro ny tenany mba tsy hidiran’ ny “mpihavy” be loatra izy ireo, saingy kosa manaiky ny hanome alalana an’ireo manampahaizana ambony avy any amin’ ny tany hafa mba hiasa eo amin’ ny taniny. Ny antony dia satria manome tombom-barotra ho an’ireo tany ireo ny manampahaizana avy any amin’ ny tany hafa raha miditra manao mpihavy.

    Ny any Japana kosa dia hafa lavitra noho izany no zava-misy.

    Lahatsoratra tao amin’ ny Daily Yomiuri :
    http://www.yomiuri.co.jp/iryou/news/iryou_news/20071126-OYT8T00178.htm
    (Ho avy amin’ ny manaraka ny dikany amin’ ny teny Malagasy)

Hiresaka koa

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.