Shina: Horohorontany nahatratra ny hery 7.8 izay tsapa saiky manerana an'i Shina

Tokony ho ora roa lasa izay, dia nisy horohorontany izay nahatratra ny hery 7.8 eo amin'ny metatry Richter [7,0-7,9 heverina ho toy ny horohorontany henjana izay mety mahatratra 18 isan-taona maneran-tany, sy ranomasina] izay nandona ny faritra Atsimo Atsinan'i Shina, dia ny faritanin'i Sichuan, izay tao amin'ny fivondronan'ny Wenchuan ny fototr'izany horhorontany izany, ary tsapa hatrany amin'ny faritra lavitra toy an'i Beijing sy Hong Kong izany horohorontany izany [>1'500 km].

FANAMPIM-BAOVAO : Talata 09:00 ora maraina : napariaky ny vohikala QQ ireo lahatsary rehetra voaray avy tamin'ireo mpampiasa azy izay monina any amin'ireo faritra rehetra voakasika; azo arahina eto ny ankamaroan'ireo lahatsary ireo. Ny lahatsary manaraka etsy ambany kosa dia voaray avy tamin'i Gary, saingy tsy fantatra kosa izay toerana nakany izany sary izany :

240px-2008_sichuan_province_earthquake.jpg

Araky ny re dia tsapa hatrany amin'ny faritra lavitra toa an'i Beijing, Tianjin, Chongqing, parts of Hebei, Shanxi, Shaanxi, Sichuan, Gansu, Henan, Ningxia ary Jiangsu izany horohorontany izany.

Jereo etsy ambany ireo fanampim-baovao isam-paritra.

Avy tamin'ny vohikala mitahiry sy fanapariahana Tudou, sary avy any Chengdu izay renivohi-paritr'i Sichuan, napariak'i napariak'i danta1990 :

Efa navondron'i Danwei ireo fanampim-baovao maro voaray avy famin'ny fototra samihafa, toy ny blaogin'i Shanghaiist, sy vaovao mikasika ny mpaka lahatsary avy Sichuan izay faingana mihitsy tamin'ny fametrahana izany ho lohalaharana amin'ny renipejiny.

Ity lahatsary iray manaraka ity dia hita tao amin'ny vohikala 56.com ary nalefan'i Little Fish [trondro kely] izay monina any Wenchuan, faritr'i Sichuan :

Avy tamin'ny vohikala mpampariaka lahatsary Youku.com ity manaraka ity, nalefan'i xiaoyu82528, ahitana ny fiantraikan'izany horhorontany izany any amin'ny faritra lavitra toa ny renivohitra Beijing :

Toa ny fampiasana ny vohikalan-tseratsera Twitter no isan'ny ireo fototra loha-laharana amin'ny fanolorana ireo antsipirian'ireo vaovao tselatra raha ny toe-draharaha hatramin'izao no dinihina; Marobe ireo izay mitatitra ireo fahasarotana maro izay sedrainy amin'ny ezaka ataony hifandraisana ara-telefaonina amin'ireo olom-pantatra izay monina anilan'ny ivon'izany horohorontany izany, hatramin'izao anefa dia ohatry ny mbola mandeha ihany ny Aterineto. Kaiser Kuo izay mpiangaly solosaina rainindahiny monina any Beijing dia mitatitra fa tsy azo vangiana ankehitriny ny vohikalan'ny Sampandraharaham-panjakana miandraikitra ny horohorontany, heveriny fa nohon'ny hamaroan'ireo mpamangy no anton'izany.

Inwalkedbud sy Lyrrael dia samy nanolotra fanampim-baovao amin'ny teny anglisy, arak'izay azony natao. River Crab Goes Ashore indray dia nanangona ireo fanampim-baovao farany anivon'ireo blaogy amin'ny teny Shinoa ampiantranoan'ny vohikala Fanfou.

Inwalkedbud monina any Chengdu, izay tena manamorona ny ivon'ity horhorontany ity no manoratra : “Tsy dia mahatsikaritra fahavoazana firy anivon'ireo tranobe aho, saingy tena raiki-tahotra ny mponina. Ary ohatry ny samy mbola mandeha daholo na ny Herin'aratra / na ny rano / na ny gazy.”

Tsy tsara vitana toy izany ireo faritra sasany hafa; Raine Shinoa monina any Hubei no manapariaka amin'ny alalan'ny vohikala Twitter fa mety misy faharavana any amin'ny faritra izay misy azy :

同事刚电话回家,湖北的荆州、沙市的房子倒了一片,有灾情。

Mpiara-miasa iray no ninatso tany Jingzhou any amin'ny faritry Hubei, toa trano maro no indray nirodana any Shashi, fahavoazambe no hita any.

Danwei koa dia tsy mitsahatra mamory ireo hafatra samihafa niseho tao amin'ny vohikala Summize.com, vohikala fikarohana ireo hafatra Twitter izay mizaka tanteraka ny sotra shinoa; ireo fanampim-bovao samihafa izay voangona avy amin'ny vohikala Summize sy toerana hafa koa dia samy hangonina ao dieny izy ireny fantatra. Azo jerevana Photos ao amin'ny vohikala Flickr ampiana ny fototeny fikarohana ‘earthquake’ [horohorontany] amin'ny teny Anglisy sy Shinoa ary koa ao amin'ny vohikala Yupoo.com.

Ianareo rehetra izay mety hanana fanampim-baovao mikasika an'i Shina dia iangaviana mba hametraka ny lohatenin'izany ao amin'ny hafatra izay apetrany.

Fanampim-baovao arak'ireo Blaogim-paritra:

Faritry Sichuan

Sarin'ny faharavana any Jiangyan, Jiangsu faritanin'ny Dujiangyu, isan'ireo faritra izay nisedra faharavana henjana indrindra arak'izay vaovao voaray farany. Ahitana ny vatan'ireo olo-maro namoy ny ainy.

jiang1.jpg

Alatsinainy 21:52 ora http://jiwai.de/IQ%E5%B0%8F%E5%AD%90/statuses/8802456

“English”语言的维基百科“List of earthquakes”词条中已经增加了此次四川大地震的内容,此外该语言已经新增了“2008 Sichuan Province earthquake”的词条。中文维基百科尚无相关内容更新。

Ny vohikala izay ahitana ny “lisitr'ireo horohorontany” amin'ny teny Anglisy dia efa ahitana vaovao mikasika ny horohorontany vao niseho tany Sichuan sahady, misy mihitsy aza lahatsoratra mitondra ny lohateny hoe “horohorontany tany amin'ny faritanin'i Sichuan tamin'ny taona 2008.” Mandritra izany ftoana izany, tsy mbola ahitam-baovao ny vohikalam-pahalalana Wikipedia amin'ny teny Shinoa.

Alatsinainy 22:40 ora http://jiwai.de/doggienest/statuses/8803411

往成都固定电话打通了

Efa afaka mandray antso an-telefaonina amin'izay izao ny mponina any Chengdu

http://fanfou.com/statuses/g2QgIe8OWzM

Alatsinainy 22:25 ora http://ledao.in/blog.php?blog_id=156

汶川是去九寨沟的必经之路,那里山势陡峭,地表植被因过度开采受损,而岷江流经此地,造成水土流失严重,是个容易发生地质灾害的地方,这次惨了。

Lalana mankany Jiuzaigou no misy ny tananan'i Wenchuan; ary feno tendrombohitra sarotra ianihana iny faritra iny. Nohon'ny fitrandrahana be loatra dia simba avokoa ny ankamaroan'ireo voly any amin'iny faritra iny sady any koa no andalovan'ny renirano Min, izay nampitombo fatratra ny lozan'ny fihotsahan'ny tany ka vao mainka nanampy trotraka iny faritra iny amin'ny nisehoan'ny loza ara-jeolozika. Tena nahatsiravina mihitsy tany.

四川大学要求同学离开宿舍 通知4点余震开始

Ny anjerimanontolon'ny Sichuan dia nandidy ireo mpianatra tsirairay avy mba handao ny toeram-pandriany, taorian'ireo horohorontany fanampiny nitranga tokony ho tamin'ny 16:00 ora hariva tany ho any.

据说四川地区CDMA,小灵通可以打通

Toa hoe mandeha hono ny rohintserasera mampiasa ny teknolojia CDMA sy ireo finday any amin'ny faritr'i Sichuan

Mikatona ny seranam-piaramanidina any Chengdu. Mitodi-doha ho any chongqing ireo fiaramanidina rehetra izay mizotra ho any Beijing

Alatsinainy 17:30 ora https://twitter.com/Aether/statuses/809193571

成都互联网通讯有能连上的了。

Miverina mandeha indray ny Aterineto any Chengdu

http://fanfou.com/statuses/l6XlCAxBJCI

绵阳花盆啥的都碎了,饮水机震倒说塌了好多房子,人都到河堤上去了

Vaky daholo ireo vazim-bonikazo sy hafa any Mianyang, nihozongozona ireo fampangiatsiahan-drano, trano maro no nirodana, samy nizotra nivory ery amorondrenirano daholo ny mponina.

http://fanfou.com/statuses/aOdJ1I6y1YU

四川阿坝州理县县城1人死亡8人重伤 汶川县发生7.8级地震后,截止12日17时10分,阿坝州政府应急办了解到的情况是:汶川、理县、茂县交通、通讯全面中断,黑水、小金、金川、马尔康、松潘、九寨沟等县均有房屋倒塌、道路中断、山体滑坡、人员伤亡(其中茂县林业电台报告伤亡人员较多,

Iray no maty ary valo ireo naratra mafy any amin'ny fivondronan'ny Lixian, sy Abazhou, any Sichuan. Namoaka fanambarana vonjy taitra ny governemanta tamin'ny 17:10 ora, nitsahatra tanteraka na ny seraseram-pimavoivoizana na ireo seraseram-pifandraisana any Wenchuan, sy Lixian ary Maoxian; maro ireo trano nirodana sy lalana tapaka ary olona naratra nohon'ny fihotsahan'ny tendrombohitra tany Heishui, sy Xiaojin, sy Ma'erkang, sy Songfan ary Jiuzaigou,

Faritry Beijing

中国南北网络断了吗?怎么啥都上不去了?

Tapaka ve ny rohim-pifandraisana Aterineto miridirdy [na backbone] aty Shina ? Nahoana ary aho no tsy afaka mampiasa Aterinetoa ?

sary https://twitter.com/flypig/statuses/809135452

Faritry Shanghai

Faritry Shaanxi

只能和西安那边发短信,电话打不进去。。

SMS ihany sisa no azoko ampiasaina fa tsy afaka miantso n'iza n'iza any Xi'an intsony aho …

Faritry Henan

Alatsinainy 21:39 ora http://jiwai.de/jiangyh/statuses/8802154

15时48分,河南省地震局通过手机短信、电视、广播等形式,向群众发布震情提示:“地震台网测定今天14:28四川汶川发生7.8级地震,震感波及我省,不会影响正常生活,请不要恐慌,本局正关…

Namoaka fampitandremana noho ny loza mihantona tamin'ny alalan'ny fanapariahana SMS sy Radio ary Fahitalavitra ny sampandraharaha mikasika ny horohorontany aty amin'ny faritry Henan, tamin'ny 15:48 ora : “Mampandre ny vohikalan'ny Sampandraharaha mikasika ny horohorontany fa androany tamin'ny 14:28 ora today disy horohorontany izay nahatratra 7.8 ny heriny tany Wenchuan, any amin'ny faritry Sichuan; Nitarika fahasimbana maro tamin'ny faritanintsika izany horohorontany izany fa tsy hisy fiantraikany amin'ny fiainantsika andavan'andro, ka ianagaviana mba tsy hisy hikoropaka isika vahoaka, efa eo am-pelatan'ny sampandraharaha mpiandraikitra azy ny raharaha ankehitriny …”

http://fanfou.com/statuses/O8h2ttRuQJ8

郑州国家电网公司的大楼都疏散到空地了

Ny navoiak ireo mpiasa rehetra tao amin'ny tranobem-panjakana miandraikitra ny herin'aratra any Zhengzhou

Faritry Jiangxi

http://fanfou.com/statuses/7bjUhAwYzH8

Faritry Anhui

Faritry Guangdong

Alatsinainy 21:19 ora http://fanfou.com/statuses/LhifhcSKPXw

76年的唐山地震马上就被翻出。现在全国最忙碌最紧张最加班加点的部门不是地震局,不是救灾队,是中宣部

Tsy ho ela dia hanoatra ny horohorontany izay nitranga tany Tangshan tamin'ny taona 1976 ity horohorontany ity. Hatramin'izao aloha dia tsy ny sampandraharaha mikasika ny horohorontany na ny misahana ny famonjena ireo traboina no tena miasa fatratra sy manampy ireo ekipan'ny mpiasany fa ny foibe fampielezankevitry ny birao foibe [prôpagandy]

Faritry Zhejiang

杭州网络正常。公司大部分同事都跑到外面去了。

Mandeha tsara ny Aterineto any Hangzhou. Nivoaka eny ivelany ny ankamroan'ireo mponina.

http://fanfou.com/statuses/k0jIs0Mkmz8

浙江嘉兴、上海间发生5.7级地震 暂无人员伤亡

5.7 horohorontany eo anelanelan'ny Jiaxing any min'ny faritanin'ny Zhejiang sy Shanghai. Tsy mbola misy olona re hoe naratra.

http://fanfou.com/statuses/nOwacdhRpdA

宁波世贸中心大楼倾斜3度!!!!!!!!!!!!

Nihontsona tokony ho sahabo 3° ny tranobe mijoalajoala World Trade Center any Ningbo!!!!!!!!

Faritry Chongqing

重庆2小学倒塌,4学生死亡

Sekoly Fanabeazana Fototra roa no indray nirodana any Chongqing, ankizy mpianatra efatra no namoy ny ainy

Faritry Changsha

Faritry Guangxi

http://fanfou.com/statuses/8lgMEGMOzUE

Faritry Hubei

Wuchang : http://twitter.com/lenvow/statuses/809197185

湖北多地有地震震感 武昌出现手机信号盲区

Toerana maro any Hubei no nahatsapana ny horohorontany; misy faritra izay maha-marenina ireo finday any Wuchang.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.