Sina: “Miasa dia” ho an'ny tontolo iainana

Tsy ela akory tamin’ity volana ity, talohan’ny namonoan’ny horohoron-tany iray aina an’arivony, nidina an-dalambe ny olona manodidina ny 400 hatramin’ny 500 tao Chengdu, Shina hanohitra ny fanorenana orinasa iray mikirakira ny resaka pétrochimique, nantsoin’izy ireo hoe ‘Miasa dia’ mba hahazoana alalana haneho fanoherana. Tamin’ny alalan’ny finday, hafatra an-tsoratra sy blaogy no nenti-nanomana ny hetsika, ary naka tahaka ny hetsika natao tsy ela akory izay tany Xiamen sy Beijing. Nanana tantara momba ny hetsika fanoherana hiarovana ny tontolo iainana ny New York Times tamin’ny herinandro lasa iny. Olona enina no voasambotra (manolotra rohy bebe kokoa i Danwei).

Ny mpisolo vava Liu Xiaoyuan monina ao Beijing, ao amin’ny blaoginy, dia nidera ilay “Fiasana dia” ho fomba fanehoan-kevitra:

“散步”不是集会、游行、示威,“散步”是具有中國特色的维权方式,但愿有关部门能给市民一个表达意见的“散步”空间,更愿政府能够重视市民“散步”表达出来的意见。

Ny “Fiasana dia” tsy midika fivondronana na fanehoan-kery. Lalan-tokana iray ampiharana ny zo fototra eto Shina io. Manantena aho fa ireo departemantan’ny governemanta voakasik‘izany dia hanome toerana ny mponina mba ‘hiasany dia’ sy hanehoany ny heviny, ary ny tena zava-dehibe indrindra, dia ny mba hihainoan’ny governemanta ny feon’ny vahoaka avoitran’ireny “fiasana dia” ireny.

Ny China Digital Times no manolotra ny dikanteny manontolo. Nitatitra koa ry zareo fa nisedra sivana ny blaogin’i Liu.

Olona maro avy any atsimo atsinanan’i Shina no mbola fanin’ny horohoron-tany nitranga ny Alatsinainy teo. Tranonkala vaovao sy manana ny hoaviny iray antsoina hoe Fractor dia milaza ho “tranonkala tsotra ihany, mitondra zava-baovao” afaka mampifandray ireo olona eran-tany manana tanjona tsara ho fanampiana ireo olona tratry ny loza.

Rich Brubaker ao amin’ny ambohipihaonan’ny blaogy izay mijery ny fandraisana andraikitra ara-tsosialin’ireo orinasa eto Shina dia nandefa rohy mamkamin’ampahan-tsary (video) ho an’ny PBS Series “Voary tsy mifandanja“, milaza amintsika ny voka-dratsin’ny fihazakazahana ara-toe-karena eto Shina. Ahitana fifanatrehana mahafinaritra sy avo lenta izy ity, toy ireo niarahana tamin’i Pan Yue, mpitarika mivantambantam-piteny momba ny resaka tontolo iainana ao amin’ny Ministeran’ny Fiarovana ny tontolo iainana .

Ary, ety am-pamaranana, ankizy Sinoa iray tapitrisa sy sasany no nandray anjara tamin’ny fifaninanana sary hosodoko, nampanaovin’ny Sampan’asan’ny Firenena Mikambana miaro ny tontolo iainana (United Nations Environment Programme). Ny sary hosodoko nahazo loka tamin’ny taona lasa , Charlie Sullivan avy any ROYAUME-UNI, ity eto ambany ity.
sary nomen'i UNEP loka tamin'n,y 2007

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.