Kôngô (RDK) : Fanentanana ho fampitsaharana ireo fanolanana

Black Looks [fijerin'ny mainty] no mitatitra mikasika ny fanentanana ho fampitsaharana ireo fanolanana sy herisetra mikasika ny fitaovam-pananahan'ny vehivavy any Kôngô (RDK) :

The one month campaign against sexual violence in the DRC took place between March 17-April 17th and coincided with a new law to ending the crimininalisation of children by accusing them of witchcraft. The campaign was funded by the UN Population Fund. However the question is in a country where tens of thousands of women have been raped and mutilated why did this campaign end after just one month. What happens now? The rapists remain free, and no one has been called to account for their crimes.

“Ny volana natokana ho fanentanana ho fampitsaharana ireo fanolanana any Kôngô (RDK) dia nanomboka tamin'ny 17 Martsa ka hatramin'ny 17 Aprily ary nifanandrify indrindra tamin'ny fivoahan'ny lalàna vaovao izay mampitsahatra ny fanarakarahana ara-pitsarana ireo ankizy izay misy miampanga ho mpanao sikidy. Ny Tahirimbola Iraisam-pirenena hoan'ny mponina no namatsy izany fanentanana izany. Aty amin'ny firenena izay nisedran'ireo vehivavy aman'aliny maro fanolanana sy herisetra mikasika ny fitaovam-pananahany dia mipetraka ankehitriny ny fanontaniana hoe nahoana no iray volana monja dia atsahatra ity fanentanana ity ? Dia inona no hitranga manaraka ? Tsy nisy nigadra ireo nahavita fanolanana ary tsy nisy akory izay narakarahina noho izay heloka bevava notanterahiny.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.