Serbia: Ny fifidianana parlemantera

Fanehoan-kevitra iray ao amin'ny A Fistful of Eurosmikasika ny fifidianana Serba: “Tsy nisy nanampo ny valim-pifidianana saingy hoy aho hoe misy hafatra tian-kampitain'ireo mpifidy araka ny fijery serba milaza fa tsy voatery hanaiky ny fahaleovantenan'i Kosovo vao tafiditra ao amin'ny Vondrona Eoropeana.” I Mark Mardell ao amin'ny BBC moa manaraka ny fifidianana ao amin'ny Euroblogeto, eto ary eto. I Eric Gordy indray manaraka ny fifidianana ao amin'ny East Ethniaeto, eto, eto ary eto. Manoratra i Gray Falcon fa “ny lala-tokana hahazoan'ny Demôkiraty fandresena amin'ny fifidianana dia ny fahfaha-mandingana ilay kajikajy milaza fa tsy ho azony ny maro an'isa ahafahana manangana governemanta.” Hoy ny mpamaham-bolongana  Greater Surbiton ao amin'ny ny antoko radikaly Serba – sy ao amin'ny voka-pifidianana santatra hoe: “[…] Nametraka fanavahana tsara ity fifidianana ity satria na dia banga aza ny fanekena an'i Kosovo, dia voailika ihany koa ny fikororosi-fahana mankany amin'ny fitiavan-tanindrazana  mihoa-pefy. […]”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.