Myanmar: Milona ny asa famonjena

Voalohany indrindra, ny fivoaran'ny tarehi-marika momba ny toe-draharaha ao Myanmar taorian'ny fandalovan'ny rivodoza Nargis niantraika tamin'ny firenena, andro vitsy lasa izay. Mitohy miakatra hatrany ny isan'ny maty. Ny isa ofisialy naroso momba ny tra-boina dia ambany lavitra noho ny vinavina iraisam-pirenena. Ny mpitondra dia mametraka ny isan’ny maty ho manodidina ny 23.000 eo ho eo raha mety hahatratra hatrany amin’ny 100.000 kosa izany isa izany ho an’ireo fikambanana mpamonjy voina iraisam-pirenena.

Tsy mivantana kosa no ilazan’i Golden Colour Revolution fa mbola mety ho ratsy noho izany aza ny isan’ny maty:

” Araka ny fanadihadiana tsy nahahaka natao tamina olom-panjakana iray, efa mihoatra ny 600.000 any no isan’ny maty ary 100.000 no mbola tsy hita. Araka ny isa narosony, 180,000 tamin’ireo maty no tao amin’ny kaominin’i Lutbutta fotsiny. 90,000 tao Phyar Pone; 80,000 tao Bogalay; 50,000 avy tao KywanGanKone, DayDaYae sy MawKyane Township. Ireo manampahefana. Ny tafika sy ireo maty eritreritra ao aminy dia manipy ny faty any anatin’izay renirano akaiky indrindra. Eny fa na dia hatrany anatin’ny tanim-pasana (Cimetière) ao Ye Way ao an-tananan’i Yangon aza dia dorana miaraka tsy nasiam-panadihadiana sahaza azy akory ireo razana. Hanatavezan-dresaka ny tao amin’ny kaominin’i Phyar Pone, dia nametraka ny fepetra fanao rehefa misy hamehana ny manampahefana.”

Naharay hafatra avy amin’ny namany monina any Yangon, Myanmar i Bangkok Dazed. Aseho fohifohy eto ambany ny fomba fihoiran’ny olona any amin’ireny toeram-ponenana ireny mba hiatrehana ny zava-misy:

” Voafandrika tao an-tranonay izahay nony nidoboka nanodidina ny trano ny geja taorian’ny tafiotra hatrany amin’ny 200-240 noeuds efa ho adin’ny 11 ora. Nahatsiravina ny fisavoritahana teny rehetra teny, miampy ny fahatapahan-jiro sy rano nandritry ny andro maro. Tapaka daholo ny antso an-tarobianay (trano/fiasana), isan’izany ireo tariby mpitondra herinaratra maherivaika. Izaho io izao androany dia aty amin’ny Internet Café (Cyber). Ity faritra eto amin’ny Lalana Mahabandoola ity no mivoha indray mankany afovoan-tananan’i Yangon, noho ny fananan-dry zareo tamba-jotra milevina ambanin’ny tany. Ny sisa aminay izay monina amin’ireny fari-ponenana sy tanana ireny dia mijanona tsy misy herinaratra. Miandry 3 ka hatramin’ny 6 volana izahay, ary angamba aza 1 taona mihitsy vao mety hahazo herinaratra indray! Ho fanampin’ny rarin-tsaina bebe kokoa, niakatra avo telo heny ny vidin-tsakafo sy ny rano. Isan’andro vaky izao, miakatra foana ny vidin’ny fitaovana mamokatra herinaratra (generateurs) ; $2,000 no naloanay ho an’ny fitaovana mamokatra herinaratra iray raha $900 hatramin’ny $1,200 no vidiny nahazatra hatrizay. Noho izany, tena ratsy be ity. Tsy nisy naninona aloha izahay rehetra, nefa tsy maintsy mihoitra ihany koa miatrika ity zava-misy ity “.

Izao indray, ndeha horesahantsika ny fizotry ny asa famonjena ao Myanmar. Ny fitondrana miaramila tompom-pahefana dia Soe Moe no mitanisa ireo tolotr’asa sy zavatra tena ilain’i Myanmar amin’izao fotoana:

” 6 andro izay no lasa taorian’ny namelezan’ny rivo-doza Nargis an’i Myanmar ary dia miharatsy be isan’andro isan’andro ny toe-draharaha noho ny fisian’ireo fatim-biby sy olona andalam-pahalovana mivalampatra manodidina ireo toerana voakasika. Andro vitsy lasa izay, vavolombelon’ny fiaraha-mientan’izao tontolo izao nanolotra fanampiana noho ny mahaolona mitentina an-tapitrisa dolara isika. Saingy mahonena ny mahita ny fisalasalan’ny mpitondra Birmana amin’ny hanomezana alalana ny mpamonjy voina avy amin’ny Firenena Mikambana sy ireo fikambanana tsy miankina noho ny resaka politika. Tsy misy fotoana ho an’ny politika intsony rehefa olan’ny maha-olombelona no atrehina. Ary mampalahelo koa ny mandre amin’ny fampahalalam-baovao fa ireo firenena tandrefana dia vonona handefa fanampiana izay ilain’ireo tra-boina noho ny rivo-doza Nargis saingy ny mpitondra Birmana no manda izany.

“Androany no tafapetraka ao an-tseranam-piaramanidina iraisam-pirenen’i Yangon ny fiaramanidina voalohany mitondra fanampiana avy amin’ny ONU, 2 andro taty aoriana noho ny resaka fahazoan-dalana. Ary maro ireo fiaramanidina mbola miandry alalana avy amin’ny mpitondra Birmana mba hahafahana mipetraka ao Yangon. Ireo fiaramanidina mitondra fanampiana avy any Italia, Thaï, India sy Indonezia no efa nahazo alalana hiantsona ao Yangon. Nahatsikaritra isika fa miakatra izaitsizy isan’andro ny isan’ny maty.

“Ny tena ilainay maika be izao dia ny fahaiza-manao asa famonjena sy ny tarika mpamonjy voina hanampy ireo sisam-paty, mba hametraka ireo faty amin’ny toerana sahaza sy hifehy ny aretina mety hamono. Mila angidimby (hélicoptères) izahay mba handehanana any amin’ireo faritra lavitra izay tena miandrandra mafy tokoa ny fanampiana. Ao amin’ny tafika an’habakabaka Birmana, vitsy ihany ny angidimby mba ananana ary tsy afaka akory izy ireo hanampy ireny any amin’ny faritra lavitra ireny. Ny tafika Amerikana dia nanolo-tanana hanampy. Vonona handefa ny angidimby sy ny sambo avy ao aminy ho any Birmania ny tobin’ny tafika an’habakabaka Amerikana ao Thailand mba hanampy amin’ny asa fikarohana sy famonjena. Eto koa, ireo Jeneraly Birmana dia tsy hanaiky ilay tolotra satria hono Amerikana ireo. Tsy fotoanan’ny tiana sy ny hala izao. Fotoana natao hamonjena olona maro araka izay tratrantsika. “

Mihoron-koditra ny mpitoraka blaogy mahita ny famarinana ireo faty ho any an-drenirano:

“Tena zendana tanteraka aho mahita hoe alaina ireo olona maty dia avarina an-drenirano. Manontany tena aho ny amin’izay tena eritreritry ry zareo. Tsy ho vaha olana ny fanipazana ny fatin’olona any an-drenirano. Raha any marina, hitera-doza mitatao ho an’ireo olona monina manamorona ny renirano miaraka amin’ny aretina mety hamono.

“Andro no resahana, hitombo hatrany ny isan’ny maty. Amin’ity indray mitoraka ity dia tsy ny herin’ny rivo-doza Nargis, fa ny tsy fahampian’ny fikarakarana ara-pahasalamana sy ny fandavana ireo mpanao asa an-tsitrapo avy amin’izao tontolo izao nataon’ireo jeneralin’i Birmania. Amin’ity indray mitoraka ity dia tompon’andraikitra ihany koa ny mpitondra amin’ny fahafatesana Birmana an’arivorivony eto Birmania. Ny tsy firaharahany mialoha ny fampitandremana momba ny rivo-doza Nargis sy ny tsy nanekeny ny fanampiana iraisam-pirenena no ho antony lehibe indrindra amin’ny faty olona mikararana eto amin’ny firenentsika. Tsy ho adinontsika mandrakizay ny fomba namonoana ireo olona marobe nandritry ny 1988, septambra 2007 ary may 2008″.

Manizingizina i Bangkok Dazed fa ny fanomezana fanampiana dia tsy tokony hiloko politika:

” Raha i USA, na firenena hafa koa, maniry hitondra fanampiana noho ny mahaolona, heveriko fa tsara sy mendrika izany. Nefa ny fanampiana dia tsy tokony harahana fatopatotra, na kabary be (kobaka am-bava). Ampio fotsiny izay olona tena mila izany, fa tazony ho anao any ny fandaharan’asa politika sy fivavahanao ho anao manokana. Nefa toa asa tsy azo tanterahana izany ho an’ireo mpifanandrina ” masina noho ianao”. Hisaina angamba ianao fa hahatakatra izany amin’izao fotoana izao ireo “adala be” manodidina an’i Bush. Saingy tsia, tohizany foana ny fomba fanaony diplaomasia feno fandranitana, tsy mandeha lalana; manakiana sy manala baraka ny firenena hafa, na dia tokony hizotra makany amin’ny fifanakalozan-kevitra matotra hampandroso aza. Izany hoe mipetraka sy miresaka amin’ilay firenena, fa tsy manatitra kabary sy miantso azy ireo amin’izao karazam-pamaritana ratsy rehetra izao “.

Manoro hevitra ny fitondrana miaramila i Beyond SG mba haka lesona amin’ny mpitondra Sinoa:

“Nirarak’ompana ireo fanampiana avy amin’izao tontolo izao. Ny fanaovana kenda roroka no rafitra tsy manjary izay tsy tsara hanombohana azy ity. Niahiahy hatrany am-boalohany momba ireo fanampiana avy any ivelany, ny mpitondra an’i Myanmar dia mitandrina mafy ny famahana ny varavarany amin’ny fanampiana avy any ivelany. Sedra goavana ho an’ny fitondrana miaramila izao. Raha hainy aseho fa voafehiny ny toe-draharaha, hivoatra ny fahitan’ny vahoaka (fitiavan’ny vahoaka) azy. Ny fomba nentin’ny mpitondra Sinoa niatrika ny hatsiaka tsy fahita firy nandritry ny fotoana fankalazana ny Taom-baovao Sinoa tamin’ity taona ity dia nahazoany dera sy fankasitrahana “.

Asia's Perfect 10 dia manantena ny firotsahana an-tsehatry ny Fikambanan’ireo Firenena avy any Azia Atsimo-Atsinanana (ASEAN):

” 5 andro taorian’ny namelezan’ny rivo-doza Nargis an’i Myanmar, ny ASEAN dia manentana hatrany ny hanampiana an’i Myanmar.I Thaïlande sy Indonezia no nampanantena zavatra. Tsara izany nefa milona loatra ny fanampian’ny ASEAN ny iray amin’ireo pikambana ao aminy”.

Miantok’ainga noho ny laza ratsy tokoa ny fitondrana miaramila. Na ireo fanentanana amin’ny fanampiana iraisam-pirenena aza dia manome antoka ireo mpanolotra fanampiana (mpanome vaventy) fa tsy hampandalovina mihitsy amin’ny mpitondra ao Myanmar ny fanomezana rehetra. Anaty fononteny no anehoan’i Melody sombiny avy amin’ny vaovaom-panentanana ho fanampiana

” Azonareo atolotra avy hatrany ny fanampiana, avantano avy hatrany amin’ireo Birmana tra-boina noho ny rivo-doza. Hivantana tsy misy nanombinana any amin’ireo tra-boina ny fanampiana. Tsy ho azon’ny sampan-draharahan-panjakana, na ireo mpanao politika havilivily.”

Straight Talk mitondra ny antsipirihany momba ny fanomezana tany Malaysia. Busy Days maneho ny karazana fanampiana tany Singapour. Manoratra ihany koa ny mpitoraka blaogy fa

” Mpitoraka blaogy malaza iray avy amin’ny faritr’i Myanmar, Nyi Lynn Seck, ao Yangon (Rangoon), Myanmar, no nirotsaka antsitra-po handeha ho any amin’ny faritra voadona ao amin’i Irrawady Delta mba hizara sakafo, fanafody sy ireo fanomezana hafa voaray”.

Ko htike no mamaritra ireo jeneralin’ny tafika ho toy ny henatra (fahafaham-baraka) taorian’ny nahatratrarana azy ireo nanolo ny soratra famantarana ny fonosana niaty ireo fanampiana avy any Thaïland. Very fanahy mbola velona ny The Burmese Ruby Diary fa maro ireo mpitondra fanamarihana no nanoratra hoe iny rivo-doza iny dia famaizana ho an’i Myanmar. I Little Myanmar dia nanambatambatra ny lisitr’ireo fandraisana anjara fanampiana iraisam-pirenena.

rohy hafa:The Perfect Storm, Unprecedented cyclone disaster

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.