Japàna : Fandaharana mitatitra ny famonoana ho faty ara-pitsarana, nalefa 53 taona taty aoriana

Horoampeo sy horonantsary izay nalaina nandritra ny famonoana ho faty ara-pitsarana notanterahina tany Japàna 53 taona lasa izay no nalefan'nyradio Nippon Cultural Broadcasting tamin'ny 6 May sy ny fandaharana Super Morning show-n'ny fahitalavitra Asahi tamin'ny 29 Aprily, no namoha ny fota-mandrin'ny Famonoana ho faty ara-pitsarana any Japàna eo anivon'ireo mpiblaogy. Ny horonampeo izay maharitra 50 minitra dia ahenoana ny fotoana farany amin'ny androm-piainan'ny gadra iray izay tsy notononina ny anarany ao amin'ny “lalantsaran'ny famonoana” [lalantsara itobian'ireo rehetra izay voaheloka ho faty ary eo am-piandrasana ny fanatanterahana izany didim-pitsarana izany], izany no fandaharana voalohany mitatitra izay mikasika ity lohahevitra ity ka navela handeha amin'ny fantson'ny fampahalalam-baovao. Ny fadefasana ireto fandaharana ireto dia mifanandrify indrindra amin'ny fametrahana ny rafitry ny fitsaram-bahoaka amin'ny toerany any Japàna, sy ny adihevitra mikasika ireo raharaham-pitsarana sahala amin'izay natrehina taorian'ny famonoana olona tao Hikari izay mbola tsy lefy hatramin'izao [FANAMPIN-PANAZAVANA : heverin'ny fitsarana tampony ho mitombona ny didim-pitsarana famonoana ho faty rehefa izany no hany hery mba iarovana ny ain'ny olon-kafa tsy hindaosin'ilay voampanga indray sady heverina fa misy andraikitra mavesatra tamin'izany famonoana iampangana azy izany. Navadiky ny fitsarana tampony anefa izany fomba fihevitra ny lalàna izany raha nisy olona iray voaheloka higadra mandra-pahafatiny ka notsipahiny ny didim-pitsarana ary nodidiany haverina ny fitsarana azy satria noheveriny ho tsy mitombona izay antony tsy anamelohana io voampanga io ho faty].

Happy Road (ハッピーロード笑店街) no amakiana izao hevitra izao :

やっぱり聞いてしまいました。文化放送は53年前に執行された死刑の瞬間が録音されたテープを5月6日放送した。テープは大阪拘置所長が、死刑囚の処遇改善などのため1955年に録音したもの。約55分間の番組では、死刑囚の氏名は伏せられいた、執行2日前に面会した姉との会話や絞首刑執行時の音などが約10分間放送された。 死刑囚は姉に「泣かないで、笑って別れましょう」と語り、執行直前には刑務官と談笑。読経が響く中、刑場の床板が外れる音が放送された。感想は・・・んーだな。 凶悪犯罪が後を絶たない中、死刑廃止を考えさせられる。

“Mazava ho azy fa nanaraka ny fandaharana nalefan'ny radio Nippon Cultural Broadcasting koa aho ny 6 May, izay nahenoana horonampeo izay nadika 53 taona lasa izay, nandritra ny famonoana ho faty gadra iray. Tamin'ny taona 1955 no nandikana izany horonampeo izany mba ahafahan'ny lehiben'ny figadrana any Osaka mandinika bebe kokoa izay mikasika ny fomba itondrana ireo gadra voaheloka ho faty. Tamin'ireo 55 minitra izay naheratan'ny fandaharana, dia nosaronana ny anaran'ilay voaheloka ho faty, ary dia nisy koa resaka naharitra 10 minitra izay nifanaovan'ilay gadra sy ny anabaviny vavimatoa roa andro mialoha, miampy ny fanatanterahana ny fanantonana azy ho faty [ahantona kendaina amin'ny tady]. Ilay mponin'ny “lalantsaran'ny famonoana” miangavy ny ny anabaviny mba “aza mitomany, fa aleo isika hifametraka veloma dieny isika samy miramirana” ary mialoha ny fanantonana azy ho faty dia mbola misy resaka tony ifanaovany amin'ny mpiandry figadrana. Ravahana hira malefaka sutra ny fisokafan'ny lavaky ny gorodona [fanantonana ilay gadra]. Ny fihetseham-poko ve … hmmm. Tsy ankijanona mihitsy ny heloka bevava famonoana olona, ka aleo atsahatra amin'izay ny fanamelohana famonoana ho faty ara-pitsarana.”

Maro ireo mpiblaogy izay mitsikera ny fandaharan'ny radio Nippon Cultural Broadcasting izay heveriny ho mitanilà. Moriri no manoratra :

私は死刑賛成とは言いませんが、少なくとも死刑廃止には反対していますので、その考えに立てば今回の文化放送の行う内容では片手落ちであると考えます。なぜならこれは死刑囚が刑を受けて殺されるときの音声しか放送しないからです。これでは明らかに死刑囚寄りの放送内容であって、このような放送を行えば当然ながら「死刑囚が殺されるのは可哀想」という意見を醸成することになるでしょう。しかしこの死刑囚が本当の罪人だとするのであれば、彼が死刑を受けるに至った行為についてもきちんと説明する必要があるでしょう。それが公平な放送、ということになります。

“Tsy hiteny aho hoe momba ny fanamelohana famonoana ho faty ara-pitsarana, saingy tsy sitrako ny fampitsaharana izany fanamelohana izany, ary izany no anambarako fa mitanilà ny tatitra izay nataon'ny radio Nippon Cultural Broadcasting. Ny hany fandaharana re dia ny feon'ilay mponin'ny “lalantsaran'ny famonoana” fony izy nandre ny didim-pitsarana sy ny famonoana azy, izany no antony [iheverako fa manao mizâna tsindrian'ilà ity fandaharana ity]. Tena fandaharana naompatra amin'ireo mponin'ny “lalantsaran'ny famonoana” ary mazava ho azy fa mitarika ireo mpihaino hitempo “fiantràna ny famonoana ireto mponin'ny lalantsaran'ny famonoana ireto izany.” Anefa raha tsy adinontsika fa mpamono olona ireo mponin'ny “lalantsaran'ny famonoana” ireo, dia mitaky fanazavana izay heloka bevava notanterahiny ka niteraka izany didim-pitsarana fanamelohana ho faty izany. Amin'izay ihany vao heveriko ho toy ny fandaharana tsy mitanìla.”

Takao Yoshiki (高尾善希) kosa dia mihevitra fa anjaran'ny vahoaka Japoney ny manapaka raha mbola mendrika ny hiaina na tsia ilay mpanao ratsy toy izay atrehina amin'ny lalao shiri-tori mpandeha amin'ny fahitalavitra :

尻取り遊びをしてみよう。死刑執行の時の床板は誰が外すのだろう。それは刑務官に決まっている。刑務官はどうして床板を外すのだろう。それは法務大臣から紙が来たからに決まっている。しかしなぜ法務大臣は紙に判をついたのだろう。それは法務大臣になったからである。じゃあなぜ彼は法務大臣の椅子に座っているのだろう。それは国民が選んだからである。そこでこの尻取り遊びは仕舞いになる。つまり床板は廻り廻って国民が外したという理屈になるから、床板を外す状況を国民に向けて放送したとしても何ら差し支えないということになる。この放送についてどのような意見を述べようと自由であり、法務大臣を誰にするかということも、当然自由である。

“Andao hilalao shiri-tori [lalaonteny Japaney, mifandimba manonona ireo mpifaninana, ka ny faranteny teo aloha no tokony iatombohan'ny teny vaovao]. Iza ary no manokatra ny lavaky ny gorodona amin'ny fanatanterahana ny famonoana ho faty ? Ny mpiandry ny figadrana. Ary nahoana no vahany ny fehy mitazona ny lavaky ny gorodona ? Nohon'ny taratasy voarainy avy amin'ny Ministry ny Fitsarana. Nahoana kosa ny Ministra no manisy tombon-kase ny taratsy toy izany ? Satria izy no Ministry ny Fitsarana vaovao. Manontany tena ary aho hoe nahoana no izy no Ministry ny Fitsarana vaovao ? Satria ny vahoaka no nifidy azy. Eo no iafaran'ny shiri-tori lalaontsika. Izany hoe raha aravona ka atohitohy dia ny vahoaka no mamaha ny fehy izay manokatra ny lavaka amin'ny gorodona, ary ny fandefasana fandaharana izay itaterana ny fanokafana ny lavaky ny gorodona ho henoin'ny vahoaka dia zavatra tena mitombona. Malalaka [ny vahoaka] ny hisafidy izay fomba iheverany izany fandaharana izany na tiany na tsia, ary malalaka koa ny safidiny ny hametraka an'iza an'iza ho Ministry ny Fitsarana.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.