Tajikistan: Herinaratra ho takalon'ny karama

Ny ben’ny tanànan’i Dushanbe sy Filohan’ny Chambre Supérieure-n’ny Parlemanta Tajik Mamadsaid Ubaidulloev dia nandroso tolo-kevitra hafahafa mba hanangonana vola hanorenana ny toby mpamokatra herinaratra ahodin-drano ao Rogan – iray amin’ireo tetikasa lehibe indrindra momba ny angovo any Tadjikistan. Nokajiany daholo ny karaman’ireo mponina ao Dushanbe ka namoahany tsoa-kevitra fa raha ireo olona rehetra afa-miasa ao an-tanana no mahafoy antsasa-karama ny volana Mey sy Jona, dia hahatratra eo amin’ny 10 million dolara ny fitambarany. Ilay toby mpamokatra herinaratra dia ilàna eo amin’ny 1 milliard dolara eo ho eo raha ny kajy tsy mbola ofisialy, nefa raha ny tena marina dia tsy mbola misy afaka milaza hoe hoatrinona marina no ho sandan’ny famitàna ny fanangànana.

Ny antson’ny Ben’ny tanana dia valinteny ho an’ny filoha Rahmon tamin’ny kabary fanaony isan-taona tsy ela akory izay nanoloana ny parlemanta. Notsindriany mafy ny maha-zava-dehibe ny toby famokarana herinaratra ahodin-drano ao Rogun ho toy ny fahaleovantenan’ny firenena amin’ny resaka angovo.. Khurshed no mitatitra [rus] ny tenin’ny filoha:

“Eto aho dia manararaotra miantso ny vahoaka tsirairay eto amin’ny firenena izay tia ny tany nahalatsahan’ny tavoniny— ary indrindra indrindra fa amin’ireo mpandraharaha amin’ny sehatry ny fananganana sy ireo injeniera—mba handray anjara mavitrika amin’ny fanorenana ary hitondra anjara biriky amin’ny fahaleovanten’ny firenena eo amin’ny resaka angovo.”

Manantena ny olona fa tsy hivadika ho fanaingana ny “nahim-po–teriterena” izy ity. Na izany aza, tsy dia mahagaga intsony, ireo mpikambana rehetra ao amin’ny parlemanta sy ireo mpiasa ao amin’ny toeram-piasan’ny ben'ny tanàna dia efa nanome ny karamany ho anjara biriky amin’ny tetikasa Rogun.

Maha velom-panontaniana izy ity : Ahoana izao no fomba hiainan’ireo olona ireo sy hamelomany ny ankohonany amin’ny volana manaraka ? Ny kolikoly, angamba, no valiny. Ny salan-karama isam-bolana dia tsy mihoatra ny 50$ – noho izany tsy dia inona loatra ny mamoy karama iray volana fa mitazona toerana iray, izay mety hahazoanao vola misimisy kokoa. Angamba, hiakatra be izay tsy izy ny haavon’ny kolikoly ato anatin’ny volana vitsivitsy.

I Khorsheed Bakhshayesh dia mihevitra fa hanara-dia ity ohatra ity daholo ireo sampan’ny governemanta rehetra:

Ny mpitazana dia milaza fa i Dushanbe dia nanao izao antso izao miaraka amin’ny fomba fijery hoe mbola tsy afaka ao an-tsain’ny olona ny fahatsiarovana ny olana [momba ny angovo] tamin’ny ririnina lasa teo ka mety hanaitra ny fandraisan’izy ireo anjara mavitrika. Kanefa, ny 60%-n’ny firenena no miaina any ambanin’ny fetra faran’ny fahantrana, ny fahatokisan’ny governemanta dia mety hifanehatra amin’ny fialangalànan’ny maro.

I Khorsheed dia manolotra koa zavatra mahaliana iray :

Tsy vao voalohany amin’ny antson’ny governemanta mba hangataka fanampiana amin’ny firenena izao, Tamin’ny 1990 dia maro tamin’ny vahoakan’i Tadjikistan no nitondra anjara biriky tamin’ny fanangànana ny tohodranon’i Sangtuda-1, saingy tsy nisy nahalàla mihitsy hatramin’izao ny tena tarehi-marika tamin’izany. Amin’izao fotoana dia 75%-n’ny fanorenana no novatsian’ny Rosiana RAO-UES vola.

Mba ho fitadidy fotsiny—tsy mbola vita akory ny fanorenana ny Sangtuda-1. Milina (turbine) iray ihany no mbola nihodina tamin’ity ririnina ity, ary eritreretina hiodina alohan’ny faran’ity taona ity ireo sisa ambiny .

Somary maneso ilay tetikasan’ny Ben’ny tanana i Darvish ka milaza fa tsara kokoa raha ny olom-panjakana no mandrotsaka vola avy amin’ny tahirin’izy ireo any amin’ny banky toy izay hangataka 10 mln (million) amin’ny vahoaka mahantra. Na izany aza dia matahotra izy fa tsy ho sahy hanao “tsia” ny vahoaka :

Maha-te to tia (tia namana) ny mponin’i Tadjikistan; Tsy miteny “tsia” velively izy ireo raha misy mangata-javatra aminy. Paradisa ho an’ny mpangataka i Tadjikistan. Koa ahoana no hanakatonany varavarana amin’ity indray mitoraka ity?

Hita koa ao amin’ny neweurasia.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.