Misokatra ny vohikalan'ny Fihaonambe Global Voices taona 2008 !


Tsindriandaonam-pifaliana izahay manambara aminareo ny fisokafan'ny vohikala mifantoka manokana amin'ny Fihaonambe Global Voices taona 2008 [Global Voices Citizen Media Summit 2008] !

Any Bodapestà, any Hôngria no ifamotoanantsika amin'ity taona ity, ny faha 27 sy 28 Jona 2008. Vangio ny vohikalan'izany fihaonambe izany ahafantaranareo bebe kokoa izay tanjon'izany fivoriana izany, ny fandaharam-potoan'ireo hetsika samihafa izay tsy manam-paharoa, ny antsipirihany tokony arahina amin'ny fisoratana anarana hoan'ireo handray anjara ary ireo fanampim-panazavana sy tsara ho fantatra mikasika ny tanànan'i Bodapestà, arahin'ny lisitr'ireo blaogy mikasika an'i Hôngria.

Dieny ianareo mbola eo dia azafady mba ampio izahay amin'ny fanapariahana ho fampahalalàna ny Fihaonambe Global Voices amin'ny alàlan'ny fametrahana famantarana manokana na peta-drindrina amin'ny blaoginareo na ny vohikala iandraiketanareo.

Amin'ireo herinandro ho avy manaraka ireo dia hapetrakay ny antsipirian'ny traikefan'ireo olona tsirairay handray fitenenana sy ny lisitr'ireo mpandray anjara, ary manoatra izany — arahò maso eto amin'ny vohikala ny fivoatr'ireo lahatsoratra sy ireo hafatra ifametrahan'ireo mpandray anjara amin'izany fihaonambe izany sy ireo hafa ivelany mba handraisanareo koa anjara amin'izany fifanakalozan-kevitra izany.

Any Bodapestà izany mihaona amin'ny volana Jona e !

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.