Koety: Omeo ahy fotsiny ny Espresso-ko

Momba an’i Koweït eo an-dàlam-panarenana ny takaitran’ny tafiotra mahery tamin’iny herinandro lasa iny, ny mpitoraka blaogy G, ao amin’ny blaogin’i G, dia naneho sary roa momba ny fahavoazana tavela. Iray amin’ireny ity :

carpark.jpg
… sy ny fanamarihana toy izao:

Tonga maraina be mba hiasa aho androany, toy ny efa fahazàrako, ary rehefa nanapa-dàlana aho dia izao no hitako. Velom-pitserana mafy ireo tompon’ny fiara tavela tao ambany tao aho.

Nifindra noho ny tafiotra mahery, i Fonzation izay miresaka momba ny sazy vaovao napetraky ny Ministeran’ny Atitany Koetiana hifehy ny fifamiovoizana. Hoy izy:

Mba mamakia fotsiny lahatsoratra ao amin’ny Arab Times momba ireo vahiny miasa eto ary manitsakitsaka ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana. Raha ny fijery azy, raha efa nahazo fampitandremana tany aloha tany izany ry zareo dia azo roahina hody any aminy rehefa tsy manàja ny jiromena (feu tricolore – jiro mandamina ny fifamoivoizana).

Ary i K Ilay Koetiana milaza hoe nanjary zava-tsarotra ny fanafàrany ny fatra-na espresso sahaza azy isa-maraina:

Ny fanafàrana tsotra espresso iray amin’ny maraina dia mitatra ho hanihany mahatsikaiky momba ireo karazana voamaina sy rano an-tapitrisany amidin-dry zareo. Anontaniany ianao raha mila atao matevitevina kokoa ny caramel (tsy hitan’ny mpandika ny tena dika mifanandrify aminy), sôkôla, vanila, kôkô na amandes (?). Na dia efa impiry izao aza ianao no miteny ny tsia, tsia, tsia … mbola misisika ihany ry zareo hivarotra aminao zava-pisotro hafa tsy misy ifandraisany velively amin’izay noeritreretinao. Mila espresso ve ianao? Aorian’izay, Ahoana no fahitanao ny ranona manga nasiana kanely mangatsiatsiaka ato aminay(cannelle) miaraka amin’ny crushed snickers bar. Vao feno izay nilainao, ny fiandrandranao espresso iray dia niova ho caramel affagato arahina quiche misy tsiron’akoho.

Momba ny fifidianana ireo parlemantera mpanao lalàna amin’ny volana ho avy io dia i Bint Alshamiya no miresaka momba ny kolikolim-pifidianana. Izao no soratany(Ar):

عندى صديقه عزيزة علي من أيام الجامعة
من الصبح دقت على وصوتها متغير شويه
سولفت معاها وسألتها شلونكم مع الإنتخابات
مسكينه كانت إتحلطم…نسيت لا أقول لكم
صديقتى العزيزة من سكان من يتكلم عنا
وعن بيع ذممنا مقابل رشاوى يدفعها صليبيخات
قالت الله ما يرضى بهالكلام …كل ناس فاسدون
لناس أفسد منهم…… أنا ما أنكر إن هناك ناس يشترونهم
بالمال السياسي….بس مو كل صليبيخات
جم نسبة الفاسد من بين جموعنا….10% 20% اكثر
إذا هم قبضوا فهم مرتشين
بس مرشحينكم هم الراشين
بس الباجين شرفاء ما يبيعون الوطن من أجل حفنة دنانير

Manana namana tsy foiko nandritry ny naha teny amin’ny anjerimanontolo ahy aho, Niantso ahy izy io maraina io, ary hafahafa ny fiteniny. Niresaka taminy aho ary nanontany azy mikasika ny fifidianana. Nitamberina ny zava-poana. Tsy tsaroako fa avy any Sulaibikhat ilay namako. Nilaza izy fa tsy ankasitrahan’Andriamanitra ny zava-miseho, sy ny fomba filazan’ny olona azy ireny – momba ny fivarotan’izy ireo ny fanahiny amin’ny fanekeny ny kolikolim-pifidianana ataon’ireo mpanao tsolotra, izay tsy mifankaiza koa amin’izy ireo ihany. Tsy laviko ny fisian’ny olona izay novidiana tamin’ny volan’ny politika ny vatony. Nefa tsy ho i Sulaibikhat manontolo no ho tratr’izany. Firy amin-tsika no manao tsolotra.: 10% sa 20%? Raha nanaiky ny tsolotra izy ireo dia mazava fa ny mpilatsaka tohanan-dry zareo no nampiditra azy ireo amin’ny resaka kolikoly. Saingy ny ambiny sisa rehetra dia mitàna ny fahamendrehany ka tsy hivarotra mihitsy ny fanahiny amin’izay denaria vitsivitsy (dinar : vola koetiana).

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.