Kristiana any Iraka

Taorian'ny famonoana ny Eveka Kristiana tany Mossoul, Frencheagle [voromahery Frantsay] izay Frantsay sady Libaney dia mizara ny fanahiany mikasika ny toe-draharaha iainan'ny Kristiana any Iraka :

[…] l’assassinat de l’évêque chaldéen de Mossoul amène au devant de la scène les difficultés rencontrées par une communauté chrétienne d’Irak, aujourd’hui estimée à 200 000 membres contre plus d’un million du temps de Saddam Hussein. Cette communauté est décimée par la politique menée d’une part par une administration d’occupants américains, privilégiant plutôt les communautés dominantes comme les kurdes ou les chiites au pouvoir aujourd’hui, incapables d’assurer la sécurité hier et un gouvernement irakien fantoche qui est incompétent dans le domaine de la sécurité des citoyens, incompétent à assurer le respect simple de sa souveraineté notamment durant l’offensive turque contre les kurdes […]

On sont donc passés Madame Mitterrand si prompte à défendre les kurdes par le passé?

Bernard Kouchner, porteur de sac de riz humanitaire?

Ou sont donc passés les PeaceCorps, et autres ONG?

Ou est donc passé cette fameuse volonté américaine à protéger la Liberté, j’oubliais la la liberté et la démocratie c’est de se taire et de les laisser faire, même plus la peine d’aborder ce sujet.

“[…] ny famonoan'ny sasany ny eveka Kaldeana-ny tanànan'i Mossoul dia manala sarona ireo fahasarotana andava'andro izay iainana'ireo Kristiana Irakiana, tombanana ho miisa 200'000 ry zareo ankehitriny raha mbola 1 tapitrisa [million] tamin'ny fitondran'i Saddam Hussein. Ny mambran'ity antokom-pivavahana ity dia noviravirain'ireo pôlitika andaniny sy ankilany Amerikana sy fitondrana any Irakiana ankehitriny. Ny amerikana izay nanome vahana ireo antokom-pivavahana maro an'isa toy ny Kiorda [kurdes] sy ny Shiita izay eo amin'ny fitondrana ankehitriny anefa tsy mahefa miaro ny vahoaka, ary ny governemanta Irakiana saribakoly indray izay tsy manana traikefa amin'ny lafiny fandriampahaleman'ny mponina ao aminy, tsy mahefa na dia ny fametrahana ny fizakan-tenan'ny firenena aza indrindra nandritra ny fanafihan'ireo Tiorka tany amin'ny faritra nonen'ireo Kiorda […]

Lasa aiza ireo Ramatoa Mitterrand [vadin'itompokolahy filoham-pirenena Frantsay fahiny] izay maika ery fahiny hisolovava sy hiaro ireo kurdes ?”

Lasa aiza ry Ministra Bernard Kouchner, mpilanja gonin-bary ho fanampiana ara-tsakafo ?”

Lasa aiza ireo mpiasa antsitrampo hoan'ny fandriampahalemana [PeaceCorps] sy ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana [ONG] ?”

Lasa nidify aiza izato fikasan'ny Amerikana ny hiaro ny fahafahana ? Hay adinoko fa ity fahafahana sy demôkrasia ity dia midika fahanginana sy fikipiana amin'izay ataon'ny sasany ka tsy mila resahina akory aza na ny momba izany lohahevitra izany.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.