Paragoay : Eveka taloha no ho filoha vaovao

Nifidy ny ho filoha vaovaony i Paraguay tamin’ny 20 avrily lasa teo. Nahangona ny ampaham-bato mamakaiky ny 41% ilay evekan’ny fiangonana katolika romana teo aloha Fernando Lugo. Namarana hatreo ny fitantanan’ny antoko Colorado nandritra ny 61 taona ny fitondrana izany sady fahavitan’ny filoha Nicanor Duarte ny fotoam-piasany amin’ny 15 aogositra rahateo.

Na dia aloha loatra aza izao ilazana izay mety ho politika arahin’i Lugo, dia maro no maminavina fa hitovitovy amin’izay fanapahan-kevitra noraisin’i Bolivia mpiray sisitany aminy no harahiny. Na izany aza dia nifantoka tamin’ny ady amin’ny fahantrana sy hamerenana indray ny fiandrianam-pirenena matanjak’i Paragoay ny fampielezan-keviny. ” Azo jerena ao amin’ny takelaka Flickr izay azy ihany ny sary fampelezan-kevitry Lugo.

Faly amin’ny voka-pifidianana i Muna Annahas izay lasa nifindra monina any Etazonia:

I’m very happy about the turn out of the elections, I hope it is the best at least for a change, people in Paraguay are celebrating with big flags in front of the Panteon de los Heroes in downtown Asuncion. Lugo won Blanca Ovelar (the colorado Party candidate) for about 170 thousand votes. Paraguayan folk was tired of the current situation and they spoke together and elected a fresh person that I hope is going to make positive changes and improve Paraguay’s reputation around the globe. ”

Andray izany hafaliako nahita ny fandehan’ny fifidianana, manantena aho fa izao no lalana tsara indrindra na dia ho amin’ny fiovana fotsiny ihany aza, mifaly manofahofa saina goavana eo anoloan’ny Fasan’ny mahery fo ao Asuncion. Nandresy an’i Blanca Ovelar ( kandidan’antoko Colorado) teo ho eo amin’ny elanelambato 170 000 eo i Lugo. Leon’ny zavamisyankehitriny ny vahoaka Paragoaiana ka niara-niteny sy nifidy olom-baovao izay antenaiko hitondra fiovana tsara sy hanatsara laza an’i Paragoay eto amin’ny bolantany.

Maro ny Paragoaiana tahaka an’i Guillermo Verdún ao amin’ny Paraguayo [es] no nankalaza ny fandresena izay nanoratra fa fa vita ny tantara, « Nilaza ny Paragoaiana fa tena leo sy boboka. Resy tamin’ny 20 avrily ilay antoko Colorado mpanjakazaka sy mpanao kolikoly. Enga anie mba hahavita zavatra ny goernemanta miaraka amin’i Lugo sy i Franco ary mba hianatra ny ho marina sy hitandro ny rariny. »

Maro rahateo ny horakora-pifaliana ataon’ny mpanohana an’i Lugo ao amin’ny sehatra niomerika ABC, tahaka ny bolongana nosoratan’i Nelson Zapata [es]:

Hubo muchos que hasta último momento siguieron diciendo que el Partido Colorado era muy difícil de derrotar, porque la rosca maneja el aparato del Estado, la compra de cédula, y la maquinaria del fraude. Muchos pretendieron meterle miedo a la gente para que no vaya a votar, con el cuco del ingreso de terroristas y atracos a supermercados. A toda esa gente, a los que confiaban en el fraude, en la corrupción, a los que pretendieron seguir humillando a los compatriotas, comprándoles sus cédulas por unos centavos, la gente le demostró que es digna y que quiere construir un país diferente.

Hatramin’ny minitra farany dia maro no milaza fa sarotra resena izany antoko Colorado izany, satria izy no mampandeha ny fitondrana, ny fividianam-bato ary ny fitaovam-pangalaram-bato. Maro no nampihorohoro ny olona mba tsy hahafahany mifidy, tahaka ny fampitahorana mpampihorohoro sy ny fanafihana tsenambarotra lehibe. Nasehon’ny hafa noho ireo sasany izay niankina tamin’ny halabato, ny kolikoly, ary ny fividiam-bato fa manana ny hajany izy ary te-hanangana firenena (amin’ny fomba) hafa.

Ny kandidà izay noresen’i Lugo, i Blanca Ovelar izany, kosa dia noderaina noho ny fanekeny ny (voka-)pifidianana. Fa ny filoha hanapitra ny fe-potoana iasany mpikambana ao amin’ny Antoko Colorado Atoa Nicanor Duarte kosa no notsikerain’i Mabel Rehnfeldt :

Quebrada pero con una fortaleza admirable, Blanca puso la cara y cumplió la promesa que había hecho en la campaña. La historia recordará la caída del partido colorado después de 61 años; la historia recordará a Blanca Ovelar y a su entereza porque a la gente se la conoce más en las derrotas que en las victorias. Pero también recordará al que se escondió y no dio la cara junto a la candidata después de haber sido el causante de la caída del partido colorado: La gente recordará a Nicanor Duarte Frutos…. Y sabe por qué? Porque Blanca salió primera. Porque Blanca salió sola. Porque Blanca no se escondió tras la investidura y no esperó a que otros hablen para hablar ella. La gente puede aceptar que alguien pierda, pero no que corra. Solamente las ratas y las cucarachas huyen. Y sólo los cobardes se esconden tras la pollera de una mujer. Una mujer que esta noche dio una gran lección. Me saco el sombrero, doña Blanca.

Resy am-boninahitra Rtoa Blanca ary tsyafa-baraka velively nanaja ny fampanantenany nandritra ny fampielezan-kevitra. Ho voasoratra anatin’ny tantara ny fianjeran’ny Antoko Colorado taorian’ny 61 taona, hahatsiaro an’i Blanca Ovelar sy ny herintsainy ny tantara satria mandritra faharesena no ahafantaranao kokoa izay tadiavin’ny vahoaka fa tsy mandritra ny fandresena loatra. Fa ho tsaroan’ny tantara ihany koa ilay miafina fa tsy niara-dia tamin’ny kandidà rehefa fantatra hoe nahoana no antony naharesy ny antoko Colorado. Hahtatsiaro an’i Nicanor Duarte Frutos ny vahoaka… fantatrao ve ny antony? Satria nivoaka voalohany i Blanca. Satria nivoaka irery i Blanca. Satria tsy niafina tao ambadiky ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy i Blanca, ary tsy niandry ny hafa hiteny raha mbola afaka miteny ihany koa ny tenany. Eken’ny vahoaka ny faharesen’ny olona iray, fa tsy ny handositra kosa. Ny voalavo sy ny kadradraka ihany no mandositra. Ny katahotra no miafina ao ambadiky ny zipom-behivavy. Fampianarana lehibe no nataon’ny vehivavy iray ho antsika androany. Miondika am-panajana manala ny satroko eo anoloanao aho Ramatoa Blanca.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.