Mananontanona ny ady any Sodana

Raha ny vitan-dratsy mifanongoa ao ambony ao no mitohy dia hirodana angamba ny fifanarahan'ny Sodane ho amin'ny fandriam-pahalemana tanteraka, nefa alohan'ny hahatongavantsika amin'izany, ndeha hotohizantsika ny fanomezana ireo vaovao tsara sy mahafinaritra. Velom-piderana i Drima momba ilay boky vaovaon'ilay silamo Sodane mampahaizana izay nantsoin'i Irshad Manji mba ho vahininy vao tsy ela akory izay, tao anatin'ny tetikasa ho fanomezan-tosika ny toe-tsaina (Moral Courage Project). Ny bokin'ny An-Na'im dia mitondra ny lohateny hoe “Islam and the Secular State – Islam sy ny Fanjakana laika” ary toy izao ny zava-nambaran'i Drima:

… araka izay novakiako tany aloha be tany dia tsapako fa tena hitondra soa betsaka izy ity. Ireto misy amin'ireo hevitra maromaro naposak'i Abdullahi tao anatiny: *” Inoako fa azo atao tsara, raha ilaina mazava loatra, ny mitanisa ireo loharano silamo mba hanamafisana sy hiarovana ny fahalalahana ara-pivavahana sy ara-pinoana. Fomba fijeriko amin'ny maha-silamo ahy izay, raha miresaka momba ny ampitson'ny silamo, fa tsy hoe noho ny maha-zo itambaram-be ny fahafahana ara-pivavahana sy ara-pinoana fotsiny.” *” Ny fahafahana hino zavatra iray dia miainga amin'ny safidy (ilàna safidy), sahala amin'ny fahafahan'ny olona iray tsy hino na inona na inona raha malalaka sy afaka mandà.” Tsy haiko ianao, nefa tena manitikitika ahy mafy izany – boky iray hipoka adihevitra mivaingana maninana ny tsy fisiam-piovan'ny tontolo Silamo fahita .

Amjad, Sodane iray mianatra any Texas dia zendana amin'ny fampiharana amin'ny fomba hentitra ny fitsipika ao amin'ny campus'ny anjerimanontolo misy azy:

Ny departemantan'ny mpitandro filaminana ao amin'ny Anjerimanontolo misy anay dia tena hentitra amin'ny famerana ny hafainganam-pandeha ao anatin'ny campus sy ny fametrahana fiara amin'ny faritra tsy natao hametrahanao an'izany. … Hitako avy eo amin'ny efitrano fandriako ity fiara iray nohidian'ny mpitandro filaminana tamin'ny fanalahidy ny kodiarany ary nasiany taratasy avy amin'ny departemantan'ny mpitandro filaminana teo amin'ny fitaratra nampitandrina ny tompony mba TSY hanisaka ny fiarany … Tena henjana mihitsy izao nefa tena goavana.

Sondriana koa izy tamin'itony milina mibaiko tena mivarotra iPods itony. Tanaty hafatra misavoritka, i Zoulcolm X no nandefa sary momba ny pyramida Nubian iray ao Sodana avaratra sy ny fasan'ny mpitari-pivavahana Sodane Silamo iray fanta-daza. Toa te hametraka fifandraisana eo amin'ireo sary roa ireo izy:

Hitanao ve?

61666423sqba9vn4sudan1.jpg

Pyramidan'ny The Royal City of Meroe (Avaratr'i Sodana) – vanim-potoana”: Zaman lil deen” (tena tranainy sy tokana an-tany)

a11.jpg

“Maqam” ao Shikh Kabashy (Tempoly) – Cheikh Sufi Sodane iray Inona no hitanao?

Ary izao indray dia ny vaovao ratsy sy ny mampivalaketraka. Amin’ny fomba mampihetsi-po no anazavan’ilay Sodane Returnee ily toe-draharaha saro-pady ity:

Abyei, faritra manankarena solika ao amin'ny sisintany avaratra-atsimon'i Sodana dia iray amin'ireo toe-javatra mahabe resaka indrindra sy manohintohina ny CPA ary mety hitondra indray ny firenena ho ao anatin'ny faribolan'ny ady! Androany, ny andian-tafika avy any avaratra dia niditra tao Abyei taorian'ny fanakianan'ny NCP ny fotoana nifanarahana tamin'ny Mpandrindra SPLM ho an'i Abyei. … Vao haingana izay dia voalaza fa ny SPLA dia notafihan’olona mirongo fiadiana avy amin’ny Misseriya ary tondroina ho ny NCP no namatsy fitaovam-piadiana azy ireo. Amin’izao fotoana dia mitoby ao Abyei ireo tafika avy any avaratra, tsy misy afaka manambara izay mety ho entin’ny ampitso ny rehetra!

Sao sendra manontany tena ianao, ny Misseriya dia foko mpifindrafindra toeram-ponenana sokajian’ireo avy any atsimon’i Sodana ho ‘Arabo’. Satria toa mila hahafaty ny toe-draharaha misy, dia manan-kevitra toy izao i Kizzie:

Ry Governemantan’i Sodana hajaina sy ny SPLM Raha mieritreritra hanomboka adim-poko feno rà mandriaka hafa ianareo, avelao hisintaka ny tanàna vitsivitsy ary mifamonoa an-toerana eo.

Mandritra izany fotoana izany dia tsy faly amin’ireo Sodane tavaratra toa mizotra ho amin’izay lazainy fa ‘famonoana ara-politika’ i John Akec:

Mpampianatra Sodane iray fanta-bahoaka ao amin’ny lycée Greater Bhar El Ghazal antsoina hoe Mathon Mathon no nilaza matetika teo ampototry ny Abakr Tree (valintenin’i Wau ho an’ny London's Trafalgar Square) hoe: “Matoa vaky ny ady ao anatin’ny firenena iray, tsy ny tontolo akory no rava fa ny teo-tsain’ny olona.” Tamin’ny ady nifanaovan’ny atsimon’i Sodana tamin’ny avaratra, izay no nataon-dry zareo. . Ankehitriny, eritreretinareo mbola halentika lalina (hosimbana) hatraiza ny toe-tsainay. Ireo rehetra ireo dia vokatry ny fitsiriritam-pahefana sy ny fahatsapana tsy fandriam-pahalemana mihoa-pampana raha vantany vao mahazo fahefana. Ary ampitahaina amin’ny Davida mpanjaka fahiny, maro amin’ireo mpitarika antsika no manota ary mamono olona ho fanafenana ny natao. Ny famonoana olona dia bibin’aretina izay raha vao tafiditra, dia mitatra toy ny afon-dolo. Ary vantany vao miantomboka dia efa sarotra vonoina sahady

Hofaranantsika amin’ny tononkalo fohy mahafinaritra nosoratan’i Ras Babi ity fitetezana nataontsika ity:

Naondriny ambany ny masony sady nibitsika tamiko izy ; ras babi… ras babi… .tsinjonao ve iry lehilahy mitafy maitso sy mena ? Tsapako ny fandonany avy any anaty Noraisiko tamin’ny tanako ny tanany Toran-tomany izy Nidradradradra Nanao tamba-be tamiko izy sy ny namany Novonoiny ny zanako Notapahany ny lohan’ny tranolaiko Zanaky ny devoly io lehilahy io Aza vidiana akory ny gazetin-dry zareo Ataovy izay tokony hataonao Lazao izao tontolo izao

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.