Emirà Arabo mitambatra: Vohikala anarivony no ho voasakana noho ny famerana vaovao

Migoka tsimoramora ny famerana vaovao mikasika ny aterineto ny tontolom-bolongan’i Emirà Arabo mitambatra, noho ny fanakanana mihatra amin’ireo tranonkala anarivony noho ny votoatiny. Raha misy ary ny mpamaham-bolongana sasany no ravoravo amin’ny fanasivanana ireo mampideradera ny fananahana, dia misy koa ny hafa izay tsy faly loatra amin’ity famehezana ity.

Migoka tsimoramora ny famerana vaovao mikasika ny aterineto ny tontolom-bolongan’i Emirà Arabo mitambatra, noho ny fanakanana mihatra amin’ireo tranonkala anarivony noho ny votoatiny. Raha misy ary ny mpamaham-bolongana sasany no ravoravo amin’ny fanasivanana ireo mampideradera ny fananahana, dia misy koa ny hafa izay tsy faly loatra amin’ity fifehezana vaovao ity.
Raha inoana ny voalazan’i i*maginate dia nandefa izao hafatra manaraka izao ny sampam-pifandraisan-davitra tanan’ny fanjakana ao Dubai mpanome ny tolotra Du:

“Dear valued customer, we wish to inform you that from 14 April 2008 we will be blocking sites with content that do not conform to the moral, social and cultural values of the UAE. Thank you.”

« Ry mpanjifa hajaina, mampilaza aminao izahay fa manomboka ny 14 avrily 2008 dia hosakananay ny vohikala tsy mifanaraka amin'ny soatoavina, ny sandam-piaraha-monina ary ny kolontsaina tandrovin’ny Emirà Arabo Mitambatra. Misaotra tompoko. »

Dia nanoratra i Hatem haneho ny heviny mikasika ity vaovao ity:

Today, I came home to find the TV service broken and Facebook useless! But water and electricity are still there! Ah, and internet too!

Tonga tao an-trano aho androany mba hijery fandaharan’ny fahitalavitra tapatapaka sy ny Facebook tsy misy ilàna azy ! fa mbola misy ny jiro (herinaratra) sy ny rano ho’aho ! Dia ny aterineto koa !

Ary nisaina i Ali009 fa:

the more you block, the more people just get curious 😛

Arakaraky ny hanakananao azy no hahatonga ny olona ho liana kokoa koa 😛

Na izany aza dia nolazain’i Samuriasam fa ny ampahan’ny Facebook ihany no nosakanan’ny mpanome tolotra hafa Etisalat. Manazava ny mpamaham-bolongana:

Etisalat has once again managed to block an integral part of facebook (or was it just MySpace I'm thinking of the last 5 times they managed to do something like this?) (http://static.ak.fbcdn.net/); this is preventing CSS and other design elements from the website loading properly.

Niezaka ny hanakana manontolo ny facebook indray ny Etisalat ( na ny Myspace ihany io, mitamberina amiko indray ny efa nanaovany izany indimy izay ?) (http://static.ak.fbcdn.net/); Misalosalovana ny CSS sy ny rindrampanehoana hafa avy amin’ny tranokala tsy hiseho araka ny tokony ho izy.

Nisy namaly io filazana io nanao hoe:

Come on now, its not like anyone will die because of not having access to facebook !
Move on, there's a lot more to life than facebook,

Oadray kosa e, tsy tahaka ny hoe misy maty fa tsy nahavangy ny facebook !
Mba mijere fa maro ny zavatra azo ankafizina noho ny facebook e,

Izay novalin’i Imaginate :

there is much more to life than the internet, too. As far as I'm concerned, it's really anti-social, so I call for a block on the whole of the internet too. Just not facebook (yet) because I need time to save all my friends’ contact details. I wish things were like in the old days, where telephones and emails didn't exist. Those were happy days!

Maro ihany koa ny mahafinaritra noho ny aterineto ka. Ary raha idirako lalina dia mifandaka amin’ny fiaraha-miaina mihitsy aza io, noho izany dia miantsoaho mba ny aterineto iray manontolo no sakanana. Tsy ny facebook ihany fa mba mila fotoana iarovana ny antsipirian’ny ahazoana mifandray amin’ny namako aho.

Tamin’ny fahalalàna fa ny fiarahamonina no nanosika handray itony fanapahan-kevitra itony, dia namelively ny Dubai Entrepreneur fa « miverindalana » ny fiarahamonina manaiky lembenana amin’itony sivana itony. Nosoratany ary fa:

Internet censorship is always a big deal for bloggers (writers and readers), let alone the average Internet user. For the most part, it is often the government dictating rules that residents/stake-holders don't want. In the case of Internet censorship, it appears to be a case of the citizens demanding more of.

Raharahan’ny mpamaham-bolongana (ny mpanoratra sy ny mpamaky) mandrakariva ny sivana amin’ny aterineto, fa tsy dia raharahan’ny mpamangy tsy dia zatra aterineto. Amin’ny ankamaroany dia matetika ny lalàna sy fifampifehezana apetraky ny fanjakana no tsy ilain’ny mponina. Eto amin’ity resaka sivana amin’ny aterineto ity izany dia tsinjo fa ireo mitady zavatra maro kokoa no miady kokoa.

(…)

I have come to the conclusion that you can't help those who don't want to be helped. However, we should clearly identify who is responsible for the current state of access to information. In this case, it is the community that is backward. The situation is beyond help.

Noho izany dia tonga amin’izao tsoa-kevitra izao aho fa tsy afa-manampy izay tsy mitady fanampiana ianao. Na izany aza, tokony ho fantatsika tsara hoe iza no tompon’andraikitra amin’ny fahazoam-baovao. Eto dia ny fiaraha-monina no ao ambadika. Any ambadiky (Sahondra) ny fanampiana ny toe-draharaha.

Nolazain’i Ismail D fa iharan’ity fepetram-pamehezana vaovao ity ihany koa ny faritra afa-kaba, ka mahavoafitaka orinasana ny haino aman-jery lehibe, ny fifandraisandavitra ary ny orinasa misahana ny aterineto. Nambarany fa:

The run of uncensored internet enjoyed in UAE free zones is over.

Vita hatreo ihany koa ny fankafizana aterineto tsy voasivana any amin’ny faritra afa-kaban’ny Emirà Arabo mitambatra.

Nolazainy ihany koa fa mety hanohintohina ny asany izao famehezana izao, hoy manko izy hoe:

Now, considering this proxy will be affecting most of the ‘Free zones’ with all the big name media companies (CNN, BBC etc.) and Internet/Technology companies (Cisco, Microsoft, Google etc.) how will this be affecting their business? There are bound to be sites that should not be blocked or sites that are blocked but could be used for legitimate reasons. An example would be a security professional checking known hacking/exploit archives or a journalist visiting ‘Political/Terrorist’ sites. I am certain it will cause some amount of frustration amongst the companies based here and possibly even hamper some media companies.

Ankehitriny, raha heverina fa hahatratra ny ‘faritra afa-kaba’ misy iny orinasan’ireo haino aman-jery malaza (CNN, BBC sns…) sy ireo Orinasan’ny Aterineto/haitao (Cisco, Microsoft, Google sns…) ity fepetra ity, ahoana re ny fiantraikany amin’ny asa e? Nifanekena fa tranonkala tsy hosakanana na tranonkala nosakanana fa azo ampiasaina noho ny antony ara-dalàna ny azy ireny. Ohatra azo raisina ny amin’ny mpitandro ny filaminana iray manamarina ny tahirin-kevitra nampiasaina na mpanao gazety nitsidika vohikalana mpampihorohoro na miresaka politika. Tena itokiako fa hiteraka lonilony amin’ny orinasa miorina eto io ary mety hanembatsembana tanteraka ny asan’ny orinasan’ny haino aman-jery aza.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.