Ny fikitikitihan'i Mugabe ireo tombotsoan'ny fotsy hoditra no fototry ny fitsikerana azy

Ny blaogy Babilown no mitatitra ny hevitry Eloi Goutchili raha mampitaha mpitondra jadona Afrikana roa lahy Robert Mugabe sy Paul Biya, filohan'i Kamerona nandritra ny 25 taona mahery izao, ka ny fehin-keviny dia ny hoe … izay fomba fitantaran'ireo fantsona fampahalalam-baovao Tandrefana ihany no mahasamihafa azy roa lahy ireo :

… la presse occidentale si virulente à l’égard d’un Mugabe et si soucieuse du progrès démocratique en Afrique reste silencieuse sur les exploits de cet héros de la Démocrature françafricaine. C’est que pour cette presse bien pensante, comme pour les Blancs, la dictature ne commence qu’avec la mise en danger de leurs intérêts.

“… ireo fantsona fampahalalam-baovao Tandrefana, izay romotra rehefa miresaka an'i Mugabe ary mpanadala mafy ireo fivoarana Demôkratika any Afrika dia tsy andrenesam-peo intsony mikasika ny traikefan'ity “ngezalahin'ny henatry ny Demôkrsasia” [Paul Biya] “Fransafrikana” ity [pôlitika Afrikana natao hiarovana ny tombotsoan'ny frantsay]. Satria hoan'ireto fampahalalam-baovao mpanome lesona ireto, sy hoan'ireo ankamaroan'ny fotsy hoditra, ny fikitikitihana ireo tombotsoany no heveriny ho fiantombohan'izay fitondrana jadona.”

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.